- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mampalahelo nefa mahatsikaiky ny kaonty Twitter “No Context Russia”

Sokajy: Rosia, Fiteny, Hehy, Mediam-bahoaka, Saripika, Zavakanto & Kolontsaina, Akon'ny RuNet

 

Hoy ny soratra eo amin'ny lamasinina hoe “Lamasinina Haingam-pandeha. Mandeha na aiza na aiza”. Pikantsary avy amin'ny kaonty Twitter No Context Russia [1]

Misy kaonty [1] Twitter iray mamoaka sary sy kisarisary avy amin'ny faritra samihafa ao Rosia. Mampihomehy izy ireo mikasika ny lafiny mampalahelo amin'ny fiainana any Rosia ankehitriny.

Manana mpamaky miisa 248.000 ny kaonty, ary mamaritra azy io ho “Ny zava-misy Rosiana. Tsy misy seha-kevitra (odidina)” ny mpanoratra azy. Nisafidy sary maromaro avy amin'ny fahana farany nataon’ny kaonty ny Global Voices.

Ny soratra eo amin'ny varavarankelin'ny fiara misy ranomandry: “Reraka aho”

Ny soratra eo ambonin'ny varavarana dia mivaky hoe: ‘Fivoahana’, ny soratra eo amin'ny taratasy eo amin’ilay varavarana manao hoe ‘Tsy misy fivoahana’

Hoy ny soratra eo amin’ny rindrina: “Ary ahoana no itiavanao izao fiainana izao?? An??”

Mitovy amin'ny kamiao Krismasy Coca Cola ny kamiao saingy misy soratra hoe “Mena sy Fotsy”, izay marika an’ny fivarotana malaza ahafahan'ny olona mividy toaka any Rosia. Roa ny mahatsikaiky eto: tsy misy [10] intsony ny Cola Cola ao amin'ny firenena, ary ny tahan'ny fisotroana toaka [11] somary ambony ihany raha nihena [12] tao anatin’ny folo taona farany.

Hoy ny soratra: “mandray fandoavam-bola amin'ny bitcoins hanamboarana lavarangana”

Mbola miely patrana any Rosia ny olana momba ny fahafahana miditra, ary mampametra-panontaniana matetika ny vahaolana.

“Café Eagle” no anaran'ilay fisotroana kafe

Hoy ny sora-baventy eo amin'ny rindrina: Mitohy ny fanaraha-maso an-tsary

Any amin'ny tanànakely misy ranomandry, jiro eo akaikin’ny varavarankely izay mampiasa kerosene (solika fiaramanidina) mba hanomezana hazavana, mbola hita any amin'ny tanànakely vao haingana ny sasany amin’izany.

Mivaky hoe “Ambilansy” (mpitondra marary) ny soratra eo amin'ny akanjon'ilay lehilahy mitondra toaka 

Ny anaran'ilay boky dia “Fanapahan-kevitry ny mpitantana”

Mampiseho endrika mahazatra amin'ny tohatra ao amin'ny tranobe misy rihana ny sary farany izay honenan’ny ankamaroan'ny Rosiana an-tanàndehibe. Mampiseho fampirehetana jiro izy io, ary misy soratra hoe “Fandefasana balafomanga mankany Etazonia”. Raha jerena ny  fandrahonana momba ny ady nokleary [29] ataon’ny governemanta Rosiana nandritra ny volana maromaro farany tamin'ny fananiham-bohitra an'i Okraina, tena esoeso mampalahelo sady mampihomehy tokoa izany.