- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Basy sy Kung Fu: Samy manampy hampitao fiadiana ny polisin'ny Nosy Solomona na i Aostralia na i Shina

Sokajy: Azia Atsinanana, Oseania, Shina, Solomon Islands, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika
Australia donated 13 police vehicles and 60 short barrel rifles to the Solomon Islands government [1]

Nanome fiara 13 sy basilava fohitanana 60 ho an'ny polisin'ny Nosy Solomona i Aostralia. Saripika [1] avy amin'ny fanambaràna an-gazety navoaka tao amin'ny tranonkalan'ny governemantan'ny Vondronosy Solomona

Satria mifaninana mitaona ho eo ambany fitarihany any Pasifika [2] ireo firenena matanjaka eran-tany, dia niteraka fanontaniana sy ahiahy amin'ny fiantraikan'ireny ara-jeopolitika amin'ny fijery lavitra ezaka ireo karazana fanampiana isan-karazany nomen'i Aostralia sy i Shina ho an'ny polisin'ny Nosy Solomona. Manahy ny olom-pirenena sasany fa ny fironana mankany amin'ny “miaramila” dia mety hanova ny Nosy Solomona ho “fanjakam-basy”.

Teo ambany fitondran'i Manasseh Sogavare, nanapaka ny fifandraisana ara-diplaomatika tamin'i Taiwan ny Nosy Solomona tamin'ny taona 2019. Nanomboka teo, nanamafy [3] [mg] ny fanampiana sy ny fampiasam-bolany tao amin'ny vondronosy i Shina rehefa nivoady ny hampandroso fifandraisana akaiky kokoa amin'ny Nosy Solomona.

Tany am-piandohan'ity taona ity, fifanarahana ara-piarovana teo amin'ny firenena roa tonta niporitsaka no niteraka fanairana amin'ny fiantraikany manozongozona ao amin'ny faritra. Imbetsaka ny praiminisitra Sogavare ao amin'ny Nosy Solomona no nandà fa hiafara amin'ny fametrahana toby miaramila Shinoa any amin'ny vondronosy ny fiaraha-miombon'antoka [4] ara-piarovana eo amin'ny roa tonta. Nohitrikitrihany fa ny hany ataon'i Shina dia ny manome fanampiana [5] tamin’ny fanofanana ny mpitandro filaminana any an-toerana.

Nandefa polisy tany Shina ny Nosy Solomona hiofana [6], ka tafiditra amin'izany ny fampianarana haiady. Notaterin'ny Global Times, tranonkalam-baovaom-panjakana izany. Nanoritsoritra ny fiofanana haiady [7] i Zhang Guangbao, mpitarika ny Ekipam-pifandraisan'ny Polisin'i Shina amin'ny vondronosy Solomona, :

We combined martial arts and grappling, and our local colleagues were very interested in it, because they of course all know Bruce Lee and Jackie Chan. We taught them martial arts moves which they had never seen before.

Natambatray ny haiady sy ny teknikan-tolona, ary tena liana tamin’izany ireo mpiara-miasa taminay eto an-toerana, satria mazava ho azy fa samy mahafantatra an’i Bruce Lee sy Jackie Chan avokoa. Nampianarinay ny haiady izay mbola tsy hitany hatrizay.

Manatontosa haiady sinoa ny polisy avy ao amin'ny Nosy Solomona rehefa avy nampiofanin'ny ekipan'ny polisy sinoa.

Nandefa basy dika mitovy [10] tany amin'ny Nosy Solomona ihany koa i Shina ho ampahany amin'ny tolo-tanana fanofanana ataony.

Nandritra ny herinandro voalohany tamin’ny Novambra, dia nahazo fanomezana maro ho an'ny polisy avy any Aostralia sy Shina ny Nosy Solomona. Nanolotra [1] basilava fohitanana MK18 (Daniel’s Defense) miisa 60 sy fiaran'ny polisy miisa 13 i Aostralia. Roa andro taty aoriana, nanome [11] fiaran'ny polisy miisa 20, môtô miisa 30 ary fiaran-tafondrondrano roa i Shina. Nanolotra fihetsiketsehana haiady mihitsy aza i Shina nandritra ny lanonana fanolorana:

Fampisehoana haiady fohy

Nanamarika ny lehiben'ny mpanohitra Matthew Wale fa na i Aostralia na i Shina dia samy miezaka ny handraraka ny ankilany amin'ny alalan'ny fanomezana ara-miaramila:

Minono hatramin'ny Soga & manandrana mandraraka an'i Shina! Ho ampiasaina aiza & rahoviana?

Heveriny fa tsy mahasoa ny firenena izany amin'ny jery lavitra [16]:

It is clear Australia is anxious that if they do not supply guns then China will. Geopolitical interests has surpassed national interest in this country and it is a sad state of affairs.

Mazava ho azy fa manahy i Aostralia fa raha tsy mamatsy basy izy ireo dia i Shina no hanao izany. Nihoatra noho ny tombontsoam-pirenena teto amin'ity firenena ity ny tombontsoa ara-jeopolitika ary tena toe-draharaha mampalahelo izany.

Notoherin'ny mpitarika ny fanoherana ao amin'ny Nosy Solomona ny fihetsik'i Aostralia nanome basy semi-automatique 60 ho an'ny RSIPF. Nilaza izy fa tsy mila (avadika ho enti-) “miaramila” ny firenena ary lazainy fa tarihin'ny “tebiteby” amin'ny firoborobon'ny fiaraha-miasan'i Shina amin'ny Nosy Solomona i Aostralia

Nanamafy ny praiminisitra Sogavare fa hampisy fitomboana ny fahazakan'ny polisy ny andraikiny [19] ny fanomezana:

To those who view the enhancement of our Police Force, in a negative lens, I wish to appeal to you, to note that it is the responsibility of the [police] to serve and protect the lives, welfare, liberty and property of all individuals in this country. To be unable to deliver on this mandate is a poor indication of a country’s own security capacity, as a Sovereign and Independent Country. We must have that capacity and not depend on others.

Ho an'ireo izay mijery ny fampivoarana ny Polisintsika, amin'ny lafiny ratsy, dia miangavy anareo aho mba hanamarika fa andraikitry ny [polisy] ny manompo sy miaro ny ain'olona, ny fiahiana, ny fahafahana ary ny fananan'ny tsirairay eto amin’ity firenena ity. Ny tsy fahafahany manatontosa io andraikitra io no famantarana ratsy amin'ny tsy fahaizan'ny firenena iray miaro ny taniny, amin'ny maha-firenena mahaleotena sy masi-mandidy azy. Tsy maintsy mahazaka izany isika fa tsy hiankina amin’ny hafa.

Nanampy izy fa ny polisy matanjaka dia afaka hiaro ny firenena amin'ny fandrahonana [20]:

Law and order is an enabler for development, and it is important that as a Sovereign State, we are able to better protect ourselves, deliver on our security mandates, and confront threats when it looms.

Fanoitran'ny fampandrosoana ny lalàna sy ny filaminana, ary zava-dehibe izany amin'ny maha-Fanjakana Masi-mandidy antsika, afaka miaro ny tenantsika tsara kokoa isika, manatontosa ny andraikitra fiarovana [filaminana], ary miatrika fandrahonana rehefa mananontanona izany.

Nisy ny tsy nanaiky. Nandrisika ny governemanta hifantoka amin'ny lafim-pitantanana [21] hafa ny mpanao gazety Robert Iroga rehefa nampitandrina ny amin'ny mety ho voka-dratsin'ny fampitaovam-piadiana ny polisy:

It is not the power of one’s guns that determine a good government. Rather, it is the ability of a government to deliver opportunities and better livelihood to its people.

Perhaps for donors, Solomon Islands is a pawn in the broader geopolitical competition: one provides Kung Fu training and replica guns and the other tries out-compete with real assault weapons. In these times of hyper-geopolitical competition, the arming of police forces with assault weapons could result in dangerous outcomes in the future.

Tsy ny herin'ny basy no mamaritra ny fitondrana tsara. Fa ny fahafahan'ny governemanta manome hirika sy fivelomana tsara kokoa ho an'ny vahoakany.

Angamba ho an'ireo mpanome dia vatom-panorona ao anaty fifaninanana ara-jeopolitika midadasika kokoa ny Nosy Solomon: ny iray manome fiofanana Kung Fu sy basy dika mitovy ary ny iray kosa manandrana misongona sy manilika ny mpifaninana aminy amin'ny [fanomezana] fitaovam-piadiana tena izy. Amin'izao vanim-potoanan'ny fifaninanana ara-jeopolitika matanjaka dia matanjaka izao, mety hiafara amin'ny zava-mampidi-doza io fanomezana fitaovam-piadiana ny polisy io rahatrizay.

Nilaza ilay mpanao gazety Dorothy Wickham fa mitondra fandaniana fanampiny [22] ho an'ny governemanta ny fanomezana:

Andriamanitra ô! Iza no handoa ny solika rehetra sy ny fikojakojana ireo fiara sy fitaovam-piadiana ireo. Betsaka ny fiara mipetra-potsiny noho ny tsy fisian’ny tetibola fanamboarana azy ireny. Ary azon'izy ireo atao ve ny mitazona ireny fitaovam-piadiana ireny amin'ny fotoana latsaka ankaterena?

Manahy ihany koa izy ny amin'ny fomba mety hivadihan'ny fifandrafiana henjana ao Pasifika amin'ny fireneny ho “fanjakam-basy”:

Tsy tokony hamadika ny fireneko ho lasa fanjakam-basy intsony i Aostralia sy i Shina😡, efa nandalo tamin'io lalana io izahay taloha. Manamboninahitra polisy 1.700 monja manerana ny firenena iray manontolo dia ampitaovanareo fiadiana ry zareo! Ampitomboy isa ny polisin'ny vondrom-piarahamonina fa aza omena fitaovam-piadiana ry zareo🙄… sao dia hanenina daholo isika atsy ho atsy!