- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fomba nahatongavan'ilay sakay mafana ‘Akabare’ nanitikitika ny retsikanin'ireo Nepaley mpankafia paty

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sakafo, Toekarena sy Fandraharahàna
[1]

Sakay Akabare amidy eny ambony talantalana eny an-tsena ao amin'ny distrikan'i Makwanpur ao Nepal. Sary an'i Sanjib Chaudhary. Nampiasaina nahazoana alalana.

Nameno ny indostrian'ny paty ao Nepal ilay sakay mahamay indizeny ao Nepal, miendrika boribory, fantatra amin'ny anarana hoe ‘Akabare [2]’ ao an-toerana, ary efa mandroso mankany amin'ny tsena iraisam-pirenena amin'izao fotoana izao.

Antsoina ihany koa hoe ‘Dalle khursani [2]’ (ny dalle dia midika hoe fohy sady boribory amin'ny teny Nepaley) noho ilay endriny boribory ary avy any amin'ny distrikan'i Ilam [3], ao atsinanan'i Nepal, malaza noho ny fanaitairana miavaka sy somary mamimamy [4] ny Akabare, tsy lazaina ny hanitra miavaka ananany.

Ambolena manokana any amin'ireo distrika be havoana ao Nepal ny Akabare, any atsinanana ka hatrany andrefana. Na izany aza, ireo izay ambolena any amin'ny distrikan'i Ilam, Panchthar, Terhathum sy Taplejung any atsinanan'i Nepal dia heverina ho  indizeny (zanatany) [5].

Milaza ny mpampiasa Twitter @0xdipjyoti hoe:

Ah, tena mpankafy sakay fatratra aho! Tokony andramanao ity ry malala, Akabare no anarana iantsoana azy na sakay Dalle avy any Nepal, fianakavian'ny scotch bonnet, saingy ity dia manana hanitra tsara no sady tena mafana! 🔥🔥🔥🔥 pic.twitter.com/WmUl8kq7PB [6]

Paty mafana sy masiaka no malaza ao Nepal

Ny paty sy ny kônkômbra madinidinika Akabare no tena ankafizin'ny Nepaley hatramin'ny ela, saingy vao haingana dia nahazo mpitia vaovao ilay sakay malaza : ireo mpanamboatra paty. Manomboka manisy sakay amin'ny voakatra avy aminy izy ireo, ny tanjona amin'izany dia ny mba hahazoana ampahany amin'ny tsenan'ny paty ramen koreana mafana sy masiaka. Tanatin'ny fotoana fohy dia afaka namorona sehatra ho azy manokana izy ireo – naka ampahany goavana amin'ny tsenan'ny paty ramen mafana sy masiaka.

Nanomboka tamin'ny orinasa iray ao Nepal ilay fironana, izay mifantoka amin'ny paty sy ny tsakitsaky amin'ny fanampiana sakay indizeny Akabare sy Timmur na dipoivatra rotin [8] (Zanthoxylum armatum) tamin'ny patiny.

“Tianay soloina amin'ny marika nasionalinay manokana ireo paty koreana mafana sy masiaka avy any ivelany”, hoy Samir Shah, manam-pahaizana iray mpanao paty matsiro malaza, manana ny traikefany efa nandritra ny roapolo taona mahery tamin'ny fanamboarana paty sady tale jeneralin'ny Asian Thai Foods Private Limited, nitafatafa tamin'ny Global Voices an-telefona. “Ho solon'ny hafanàna artifisialy, nosafidianay ny sakay Akabare natoraly fantatra amin'ny hafanany sy ny zava-tsoa entiny amin'ny fahasalamana.” Taorian'ireo fanadihadiana, ny fikarohana sy ny fampiroboroboana, dia namorona ny paty tena manana hanitra Nepaley izahay tamin'ny fampidirana ireo laron-tsakafo toy ny timmur [5], hing [9] (Asafoetida), lapsi [10] (hog plums avy ao Nepal) ary ny voana sezama (sésame) fotsy, ankoatra ireo hafa.”

Mahafaly ny mahita ny paty nepaley mampiasa ireo laron-tsakafo eto an-toerana (Akabare, Timmur, Hing etc.) ao anatin'ny fanomezana tsiro azy. Safidy mora kokoa noho ny paty koreana.

Ny orinasa dia manondrana paty Akabare mankany amin'ireo firenena toa an'i Aostralia, Etazonia, UK, Japana, Malezia, India, Bhutan, Hong Kong sy ireo hafa. Fanampin'izany, mitombo ny fangatahan'ireo firenena ao Afovoany-Atsinanana, hoy i Shah.

Nisarika ireo orinasa hafa hamoaka ny marika manokany amin'ny paty mafana sy masiaka ny fahombiazan'ny paty misy tsiro Akabare : Current, Jackpot, Hot Pot, Pyro, Preeti, Gazzabko [13] no anisan'ireo marika mihodina eny amin'ny tsena Nepaley.

Ny mpampiasa Twitter @gezgintrk nizara ny fandanian'ny mponina paty isan-taona isaky ny firenena ary i Nepal no mitana ny toerana faharoa.

Paty bobaka be #Noodles [14] #SouthKorea [15] #Nepal [16] #Indonesia [17] #Japan [18] #China [19] pic.twitter.com/EIUkMu9wLU [20]

Mampitombo ny fambolena azy ny fitomboan'ny tinady amin'ny sakay Akabare

Miaraka amin'ny tinady tsy mitsaha-mitombo, ny famokarana sy ny fanjifana miavosa ny paty mafana sy masiaka, dia mitombo ihany koa  ao Nepal ny fambolena ny sakay Akabare.

Nilaza i Shah fa ny orinasany irery dia mandany sakay Akabare 10 taonina ao anatin'ny taona iray, avy any amin'ny distrika Atsinanana, dia i Bhojpur, Ilam, Sankhuwasabha, Taplejung ary Terhathum.

Toy izay koa, ny Yashoda Foods Private Limited, orinasa Nepaley iray hafa izay mamokatra ny marikany paty mafana sy masiaka ankehiriny no milaza fa mampiasa sakay Akabare manodidina ny 400 kilao eo ho eo isanandro [22]. Ny sakay avy any amin'ireo distrika be havoana ao andrefan'i Palpa, Gulmi ary Arghakhanchi no mamatsy azy, ary koa miaraka amin'ireo fnafàrana avy any amin'ny distrikan'i Syangja, Bhojpur, Ilam, Makwanpur ary Kavre

Nohon'ny fitombon'ny tinadin'ny sakay Akabare dia nanitatra ny fambolena azy manerana ny firenena ireo mpamboly. Janak Acharya, mpampianatra sy tantsaha ao amin'ny distrikan'i Palpa, ao andrefan'i Nepal, no nilaza tao anaty tafatafa iray nifanaovany tamin'ny vavahadin-tserasera Setopati [23]fa nahazo efatra tapitrisa ropia nepaley izy (30 274 dolara) tamin'ny taona 2021 fotsiny tamin'ny fivarotana sakay.

Asehon'ity lahatsarin'ny Our Nepal teo amin'ny YouTube [24] ity ny fomba fambolena Akabare ao Nepal :

Araka ny tatitra nataon'ny vavahadin-tserasera Clickmandu [25] dia marobe ny vondrona tantsaha mamboly sakay Akabare niaraka tamin'ireo kaoperativa, ny tanjona dia ny hivarotra ny vokatra amin'ireo orinasa mpamokatra paty. Niteraka asa eo an-toerana ihany koa ny fambolena sakay mitodika amin'ny varotra.

Na izany aza, amin'ireo marika marobe mifaninana hahazo ampahany amin'ny tsena, ny fanontaniana dia ny hoe hitohy ve ny firehana mampiasa sakay Akabare sa hanomboka ho levona afaka fotoana vitsy any aoriana. Saingy mbola hitohy haharitra eo ny fankafizana ny paty mafana sy masiaka, satria isanandro, fonosana paty vita vetivety miisa efatra tapitrisa no jifain'ny ao Nepal, izany hoe manodidina ny paty 3 000 fonosana isaky ny minitra, araka ny voalazan'ny mpanoratra mikasika ny sakafo Tom Heaton [26].