- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nepal: fifidianana nisy fandraisana anjaran'ireo antoko politika nampangain'ny vahoaka ho namono ny havany, zara raha nisy olona nandeha nifidy

Sokajy: Azia Atsimo, Nepal, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
Image by RSS Nepal - National News Agency (RSS) via Nepali Times. Used with permission. [1]

Nepaley mpifidy milahatra manoloana ny birao fifidianana ao Kadanghari. Sary an'ny RSS Nepal – Masoivohom-Baovao Nasiônaly (RSS) tao amin'ny Nepali Times [1]. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Ity lahatsoratra ity [1], nosoratan'i Sonia Awale, dia nivoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times ary dika nasiam-panovàna no averina avoaka eto amin'ny Global Voices, ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.

Ny marainan'ny Alahady 20 Novambra, nilahatra handatsa-bato ireo Nepaley manerana ny firenena, ka 11.453 no fitambaran'ireo mpirotsaka hifaninana ho amina seza 825,  275 ho ao amin'ny parlemanta ary 550 any amin'ireo antenimieram-paritra.

Taham-pahavitrihana iray faran'izay ambany indrindra noho ny efa nahazatra tamin'ireo fifidianana nasiônaly sy isam-paritra [2] tao Nepal, mariky ny tsy firaharahàn'ireo mpifidy [3] ireo pôlitisiàna am-perinasa ary mety hanome tombony an'ireo antoko tsy manana fototra.

Nolazain'ny tomponandraikitra iray misahana ny fifidianana fa niandrandra taha 61 isanjato izy tamin'ireo mpifidy efa ho 18 tapitrisa afaka mifidy. Ambany noho ilay 66 isanjato hitan'ny fitsapankevitra natao tao an-toerana tamin'ny volana May io , ary ilay 68 isanjato tamin'ireo fifidianana federaly farany tamin'ny 2017 [4].

“ 70 no taham-pahavitrihana nandrandrainay,  ary na tsy mbola azonay aza ny vokatra rehetra, ny tombatombana mialoha nataonay dia hoe 60 isanjato monja amin'ireo tao anaty lisi-pifidianana ihany no nandatsa-bato,” hoy i Ram Prasad Bhandari avy amin'ny Vaomieram-pifidianana ao Nepal [5] tamin'ny Nepali Times.

Photo: by Gopen Rai via Nepali Times. Used with permission. [1]

Tonga vao maraina be ireo mpifidy tao Banglamukhi ao Laltipur mba handatsa-bato. Sary: an'i Gopen Rai tao amin'ny Nepali Times. fampiasàna nahazoana alàlanaPhoto by Suman Nepali via Nepali Times. [1]

Sary an'i Suman Nepali tao amin'ny  Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana. Ilay fandraisana anjara ambany noho ny nahazatra dia manome vahana ny Antoko Nasiônaly Tsy Miankina, ireo mpirotsaka tsy miankina ary ireo izay mirotsaka ho toy ny kandidà mpikomy [6] taorian'ny tsy nahazoany tsodrano avy amin'ny antoko nisy azy ireny.

Ireo manampahaizana manokana niresahanay dia nitanisa antony isankarazany mety ho nahatonga ilay fidinan'ny taham-pandraisana anjara: vokatry ny fifindrà-monina dia vitsy lehilahy ao amin'ny firenena, ny fanerena ireo mpifidy tsy maintsy hamonjy ny toerana nisoratany anaty lisi-pifidianana, ny tsy hafaliana manoloana ireo antoko pôlitika mpiray dia sy ny tsy fisiana fandaharanasa avy amin'ireo antoko tsara fototra.

Photo by Suman Nepali via Nepali Times. [1]

Sary an'i Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

“Mpifidy toa mieritreritra fa ireo antoko pôlitika tranainy ihany no eo,” hoy i  Nilambar Acharya, mpandalina no sady masoivoho fahiny tao India. “Ireo mpifidy nandà tena anefa dia handatsa-bato ihany na izany aza, nefa maro no mety nahatsapa hoe tsy hisy fiovàna na mifidy izy na tsia.”

A glimpse of the Election Day in Rampur. Photos: RSS and Shristi Karki [1]

Topimason'ny andro fifidianana tao Rampur. Sary: RSS sy Shristi Karki tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

Na nandrandraina ho hita bebe kokoa aza ireo mpirotsaka tsy miankina tany amin'ireo tanàndehibe sy tany amin'ireo tanàna lehibe manamorona ny làlambe migodàna, mbola mety hahavita tsara ihany any amin'ny faritra ambanivohitra ilay fiarahamitantana eo amin'ny fitondràna ahitàna ireo antoko dimy tarihan'ny  Kaongrey Nepaley [7], sy ny fiaraha-mientan'ny mpanohitra tarihan'ny Antoko kaominista ao Nepal (UML) [8].

Polling in Syangja. Image via Nepali Times. [1]

Fifidianana tao Syangja. Sary an'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

Indra Adhikari, mpandalina pôlitika, nifidy tao amin'ny distrikan'i Nuwakot, nilaza fa ny fihavitsian'ny mponina dia midika indrindra indrindra fa ireo beantitra sy ny ankizy sisa no tavela, izay mety ho antony fototra nahatonga ilay fahakelezan'ny taham-pandraisana anjara.

Nampiany hoe: “Ny fisavoritahana mahakasika ilay fiaraha-mientana eo amin'ny fitondràna no antony iray hafa. Marobe ireo mpifidy no nanontany izay antony tokony mbola hifidianan-dry zareo ireo maôista, tomponandraikitra tamin'ny nahafaty ireo havany nandritra ny ady.”

Prime Minister Sher Bahadur Deuba in Dadeldhura. Photos: RSS via Nepali Times. [1]

Ny praiminisitra Sher Bahadur Deuba tao Dadeldhura. Sary: RSS tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

Ny fiaraha-mitantan'ireo antoko dimy eo amin'ny fitondrana dia itambaran'ny  Kaongresy Nepaley (NC) sy ireo Maôista, ankoatra ireo hafa, izay mpifahavalo nandritra ilay ady fikomiana naharitra 10 taona [9] nahafatesana Nepaley 17.000.

Ny fisavoritahnaa nateraky ny fiaraha-mietan'ireo mpirotsaka [10] ihany koa dia toy ny antony nahatonga ny fampitsaharana ny fifidianana tany amin'ireo foibe sasany nanerana ny firenena.

Rashtriya Prajatantra Party Nepal’s Kamal Thapa in Hetauda. Image via Nepali Times. [1]

Kamal Thapa avy amin'ny Rashtriya Prajatantra Party Nepal tao Hetauda. Sary an'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Marobe ireo birao fifidianana nahitàna korontana. Raha kely indrindra dia 44 amin'ireo 22.000 mahery no voakasik'izany. Tamin'ny 3:30 tolakandro, tsy maintsy naato ny fifidianana tany amina birao 15.

Tamin'ny tranga iray nahery setra indrindra [11] tao amin'ny fari-piadidiana ao Triveni any amin'ny distrikan'i Bajura, any amin'ny farany andrefan'ny firenena, tovolahy iray 25 taona no maty ary marobe ireo naratra rehefa tsy maintsy nitifitra an'ireo vahoaka maro nanafika ny birao fifidianana ny pôlisy nandritra ny fotoana fikatonany. Nentin'ny tafika nepaley tamin'ny angidimby ho any Surkhet ireo naratra.

 UML chair K P Oli in Bhaktapur. Image via Nepali Times. [1]

K P Oli filohan'ny UML,  tao Bhaktapur. Sary tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

Tany ho any, tany amin'ny fari-piadidian'i Tama Kosi ao Dolakha, nanapoaka basy ny pôlisy [12] mba hifehezana ny fifandonana nisy tamin'ireo oloben'ny fiarahamientan'ny eo amin'ny fitondràna sy ny UML mpanohitra. Araka ny voalazan'ny lefitry ny Inspektera jeneraly, Kiran Bajracharya, in-15 nanapoaka basy ny pôlisy mba hiantohana ny filaminana tao amin'ilay birao fifidianana sy ireo mpifidy, rehefa nitoraka vato azy ireo ny mponina tao an-toerana. Pôlisy iray no naratra.

Tsy misy hafa amin'izay, tao Karjanha-6 any Siraha, in-telo nanapoaka basy ny pôlisy [13] taorian'ny andrana nataon'ireo olon'ny antoko Janata Samajbadi  (JSP) sy ny Sosialista Mitambatra hàka ny vata fandatsahana vatom-pifidianana. Tao Rautahat koa,  tsy maintsy nanapoaka basy ny pôlisy [14] tao amin'ny biraom-pifidianana iray.

Nepal Swatantra Party’s Rabi Lamichhane. Image via Nepali Times. [1]

Rabi Lamichhane avy amin'ny antoko Nepaley Swatantra. Sary tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

Nilaza anefa ny Vaomiera misahana ny Fifidianana fa nilamina sy nirindra ny fifidianana tany amin'ny ankamaroan'ireo toerana. Ny lehiben'ilay vaomieran'ny fifidianana, Dinesh Thapalia, dia nilaza fa ny Alahady alina no hanomboka ny fanisàna vato, miaraka amin'ny voka-pifidianana ho an'ireo nahazo vato be indrindra izay andrasana ho tonga ao anatin'ny herinandro, hatramin'ny 27 Novambra.

Photo by Suman Nepali via Nepali Times. [1]

Sary an'i Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana

 Ballets ready to be collected in Fuglung. Image via Nepali Times. [1]

Vata fandatsaham-bato efa vonona ny hotaterina tao Fuglung. Sary an'ny Nepali Times. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Na izany aza, ny voka-pifidianana feno dia tsy ho azo raha tsy afaka roa herinandro, izany dia mampiseho  indray fa tena ilaina ny fanavaozana ny fifidianana, tafiditra anatin'izany ny rafitra fanisàna vato malaky sy azo antoka.