- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mihilana amin'ny fanasazian'ny rosiana sy maneso ilay fandraràna azy tsy hivezivezy i Margaret Atwood, mpanoratra ny ‘Handmaid's Tale’

Sokajy: Amerika Avaratra, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Etazonia, Kanadà, Okraina, Rosia, Fahalalahàna miteny, Fifandraisana iraisam-pirenena, Haisoratra, Mediam-bahoaka, Politika, Zavakanto & Kolontsaina, Zon'olombelona, Russia invades Ukraine

 

[1]

Fonon'ny boky “The Handmaid's Tale” amin'ny teny Makedoniana  sy sarin'i [2] Margaret Atwood avy amin'i Larry D. Moore tao amin'ny Wikipedia, CC BY-SA 4.0 [3].

Nalaina avy amin'ny fitantarana tany am-boalohany nataon'i Meta.mk [4] ity tantara ity. Navoaka eto indray ny lahatsoratra nasiam-panovana noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Metamorphosis Foundation. 

Nanatevin-daharana an’ilay mpilalao sarimihetsika avy any Hollywood Jim Carrey tamin'ny fanesoana ny fandrarana ny fivezivezena mankany Rosia izay nampiharina tamin'izy ireo niaraka tamin'ireo Kanadiana miisa 98 hafa ilay poeta Kanadiana sady mpanoratra Margaret Atwood.

Ny 14 Novambra, namoaka lisitra ny olom-pirenena Kanadiana miisa zato [5] ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny ao amin'ny Federasiona Rosiana nokendrena tamin'ny “sazy manokana” ho valifaty noho ny andiana sazy farany [6] nomen’i Canada ho an'ireo olona miisa 32 mifandray amin'ny fitondran'i Poutine. Ahitana manam-pahefa-panjakana, mpandinika ara-politika, mpanao gazety, mpikambana ao amin'ny fikambanana mifandray amin'ny ampielezana Okrainiana, ary koa mpanakanto toa an'i Atwood sy Carrey ireo Kanadiana voatanisa ao anaty lisitra mainty ireo.

Nambaran'ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana fa ireo sazy farany ireo, izay mitovitovy amin'ny fandrarana tsy hiditra an'i Rosia dia “valin'ny fanasaziana ataon'ny fitondrana tarihin'ny praiminisitra Justin Trudeau amin'ireo mpitondra Rosiana, mpanao politika ary parlemantera, mpikambana ao amin'ny fianakaviamben’ny mpandraharaha, mpandinika sy mpanao gazety, ary olo-malaza ara-kolontsaina, ary koa ireo izay rehetra heverin'ny manampahefana Kanadiana tsy tia Rosiana ho tsy azo ekena.” Nanamarika [7] ny Radio Free Europe fa “misy olom-pirenena sy orinasa Kanadiana miisa 1.005 ankehitriny ao amin'ny lisitr’ireo voasazy ao Rosia.”

Namoaka tantara foronina miisa 18, boky tononkalo miisa 18 ary boky tsy tantara foronina miisa 11 i Margaret Atwood (82 taona) mpanoratra sady poeta. Nahazo loka maro izy, anisan'izany ny Loka Booker roa, ary ny satroboninahitra volamena tamin'ny Takarivan’ny Tononkalo Struga [8] tamin'ny taona 2016 [9], (izay inoana fa mety ho ilay tranainy indrindra [10] amin’ny fetiben'ny tononkalo iraisampirenena [11] mbola mitohy mandrak’ankehitriny, atao isan-taona any Makedonia Avaratra).

Efa nalaza maneran-tany i Atwood raha nampitombo ny lazany ny andian-tantara Netflix TV [12] izay nalaina tamin'ny boky [13] tantara noforoniny mahafadiranovana “Handmaid's Tale,” izay voafantina hifaninana Nebula tamin'ny taona 1986 [14]. Matetika izy no anisan'ireo kandida hofidiana hahazo ny loka Nobel ho an'ny literatiora.

Nihevitra [15] i Jessie Gaynor, lehiben’ny toniandahatsoratry ny Literary Hub, fa ny “fahotana” nahatonga an'i Kremlin hametraka an'i Atwood ho ao anatin'ny lisitry ny voasazy farany dia ny fanasoniavana Taratasy Misokatra avy amin'ny PEN International [16], izay nosoniavin'ny mpanoratra maherin'ny 1000 maneran-tany, anisan'izany ireo nahazo Loka Nobel [17], naneho firaisankina tamin'ireo mpanoratra, mpanao gazety, mpanakanto, ary ny vahoakan'i Okraina, manameloka ny fananiham-bohitra Rosiana ary miantso ny fampitsaharana haingana ny fandatsahan-dra.

Mpitsikera ampahibemaso ny karazana herisetra rehetra na tamin'ny alàlan'ny asany na tamin’ny fisehoana ampahibemaso [18] i Atwood, ary tsy nilefitra izy tamin'ny fitsikerana ny tsy fahombiazan'ny fampielezan-kevitr'i Poutine nandritra ny taona lasa.

Voalaza fa nosazin'i Rosia ilay mpilalao sarimihetsika Jim Carrey rehefa nisioka [19] handrisihana hijery ny lahatsary fitahiry momba ny mpitarika ny fanoherana Rosiana Alexey Navalny.

Ao amin'ny fanadihadian’i Daniel Roher ‘Navalny’, lehilahy be herimpo iray sy ny fianakaviany no nijoro nanohitra ny ratsy tsy azo leferina. Navalny mihitsy no mampibaribary an'i Tsar Poutine sy ireo mpiara-dia aminy tsy manam-panahy tamin'ny firaisany tsikombakomba amin’ny teti-dratsiny mba hanapoizinana azy, hamafa ny marina ary hampitahotra ny vahoaka Rosiana. https://t.co/YRBXBAFNtN [20]

Taorian'ny fanambarana ny sazy Rosiana ho azy ireo, niditra tao amin'ny Twitter i Atwood sy Carrey nanome fanehoan-kevitra maneso.  Nisioka aloha i Atwood hoe [22]:

Kay letie! Saika hanao fialan-tsasatra faran'ny herinandro milay tao Moskoa aho sy  @JimCarrey [23]. Anefa toa tsy maintsy ho any Kyiv indray raha izany. https://t.co/FzGkiqiVJK [24]

Ho valiny [26], naneso ihany koa ny fandrarana ny fivezivezena ilay mpilalao hatsikana Carrey, ary namarana tamin'ny teny haka tahaka avy amin'ny tantaram-pitiavana mahazatra Casablanca [27]: “Ho azontsika foana i Paris. Mijery anao aho ry zanako.”

ENY @MargaretAtwood [28], matahotra aho fa efa nitranga ny ratsy indrindra. Voararan’i Rosia isika🥱…fa tsy zava-dehibe eto amin'ity tontolo adala ity ny olan'ny Kanadiana miisa 100! Ho azontsika foana i Paris. Mijery anao aho ry zanako. 😢☔️ https://t.co/yLtE0WwbNV [29]

Nisioka [31] fanehoan-kevitra momba ny toe-draharaha ihany koa ilay mpandalina ara-politika sady bilaogera, Okrainiana, Ariana Gic, izay napetraka teo amin'ny laharana faha-97 amin'ny lisitry ny voasazy Rosiana vaovao, teo alohan'i Atwood:

 “It’s official. I’ve been sanctioned by Russia.

Moscow is truly delusional to think their sanctions matter to those of us who want their evil regime destroyed.”

Efa ofisialy fa nosazian’i Rosia aho.
Tena adala tokoa i Moskoa raha mihevitra fa manan-danja amintsika izay maniry ny handrava ny fitondrany ratsy ny sazy ataony.”

I Canada no nanomboka nampiditra sazy mifandraika amin'i Rosia [32] tamin'ny 17 Martsa 2014, tamin'ny alalan'ny fanitsiana ny Lalàna momba ny fepetra ara-toekarena manokana [33], “mba hamaliana ny halehiben'ny fanitsakitsahana nataon’i Rosia tamin’ny fiandrianam-pirenena sy ny maha-ray tsy mivaky ny faritanin'i Okraina, ary ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona natao tany Rosia.”

Ahitana ny fanagiazana fananana, ny famerana ny fanondranana sy ny fanafarana ary ny fandrarana ara-bola ireo sazy Kanadiana ireo. Ny lisitra, izay efa nohavaozina niaraka tamin'ny fanitsiana vaovao [34] tao anatin'ny 8 taona lasa izay dia ahitana olon-tsotra sy fikambanana ara-dalàna maherin'ny 1.090, anisan'izany ny mpikambana vaovao miisa 32 [6] nampiana tamin'ny 10 Novambra.