- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Undertones: Maninona ny nasionalista haindò ao India no manandratra ny praiminisitra UK Rishi Sunak

Sokajy: Azia Atsimo, Eoropa Andrefana, Angletera, India, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Civic Media Observatory, Country Monitor Observatory 2021-2022

Fandravahan'i Melissa Vida

Ity tantara ity dia ampahany amin'ny taratasim-baovao Undertones, an'ny Civic Media Observatory [1] ato amin'ny Global Voices. Mamandriha Undertones [2].

Nirefodrefotry ny fireharehana ny lohatenin-gazety Indiana rehefa lasa Praiminisitra UK i Rishi Sunak tamin'ny volana lasa teo. Ny vondrona nasionalista Indiana, indrindra indrindra, dia Fatratra ery ny fideran'ny vondrona nasionalista an'i Sunak, politisiana britanika mpandala ny nentin-drazana 42 taona izay efa ela no nandao an'i Pakistan sy India ankehitriny ny ray aman-drenibeny. Ho azy ireo, manamafy ny fotokevitra haindò farany havanana ny fanendrena an'i Sunak.

Tsy mizarazara fahatany ny “maha-Indiana” amin'ireo Indiana rehetra any am-pielezana ireo vondrom-piarahamonina izay tohanan'ny Bharatiya Janata Party [3] mitondra ao India ireo. Tsy maintsy mampiely ny haindoisma ny olona iray ary mpandala nentin-drazana ara-politika. Ny tsy fanaovana izany dia mety hiafara amin'ny fidarohana ho ‘antinasionaly’ na ‘anti-Indiana’. Izany indrindra ohatra no nitranga tamin'ny fandroahana tao amin'ny Twitter vao haingana, izay nihatra tamin'ireo taranaka Indiana, izay ankalazan'ny kaonty sasany ny fampitsaharana ny fifanarahana arakasa amin'ireo mpiasa ‘anti-Indiana’ toa ny Lehiben'ny sampana ara-pitsarana Vijaya Gadde.

Mifanohitra amin'izany kosa, mifanaraka amin'ny kinendry i Rishi Sunak, izay mitarika ny Antoko Mpandala nentindrazana UK sady manaraka ampahibemaso ny fombafomba Haindò. Ny sasany aza moa dia tonga hatramin'ny filazana fa tafiditra eo amin'ny fitondrana tany Angletera i Sunak noho ny praiminisitra India Narendra Modi.

“Na dia efa praiminisitra ao amin'ny Fanjakana Mitambatra UK sady mizaka ny zom-pirenena UK aza, dia mbola marihana ho Indiana i Rishi Sunak. Tsy mbola nipetraka tany India mihitsy izy, ary efa ho zato taona lasa izay no niala ny firenena ny razambeny. Metimety amin'ny tombontsoa haindò elatra havanana ny fametahana azy ho Haindò, ary ampiasaina ny fahombiazany hanamarinana ny tetika Hindutva an'ny BJP ao India,” hoy i Ananya, mpikaroky ny Observatory.

Nampiasa ny fanendrena an'i Sunak ireo vondrona ireo hampirehidrehitra ny “Hindutva” [4], fangaro an-tsarin'India, ny haindoisma, ary ny nasionalisma hiringiriny tsy miraharaha ireo vitsy an'isa.

Ranty niparitaka be taorian'ny fanendrena an'i Sunak

Nofakafaka [5]in'ny mpikaroka ato amin'ny Observatory ny lahatsary malaza iray miezaka tsy manana fototra mazava mampifandray an'i Rishi Sunak – lazaina ho “liona Haindò” – amin'ny antoko mitondra ao India Bharatiya Janata (BJP). Nahazo mpijery 1,8 tapitrisa izany. Ao anatin'izany, ny pejy mpomba ny governemanta ‘Nio times [6]’ mampitaha an'i Sunak amin'i Yogi Adityanath, Lehiben'ny Minisitra ao Uttar Pradesh, izay nametraka politika fanavakavahana amin'ireo vitsy an'isa ara-pivavahana ao amin'io faritra io, izay te-hametraka fa hiaro ny tombontsoa Haindò ao UK i Sunak.

Te-hampisy tahotra ihany koa ireo fampitam-baovao sy mpikirakira nasionalista amin'ireo ranty ireo. Ohatra, mpikirakira Twitter iray manana mpanjohy 29k no nanoratra fa ao anatin'ny “fironana Hindutva maneran-tany” ny fanendrena an'i Rishi Sunak ary “mampihoronkoditra” vahoaka izany. Jereo ato [7] ny fanadihadiana bebe kokoa.

Fandroahan'i Musk tao amin'ny Twitter

Hafaliana ny an'ny fampitam-baovaon'ny elatra farany havanana Indiana tamin'ny fampihenana isan'ny mpiasa nataon'i Elon Musk tao amin'ny Twitter, indrindra tamin'ny nandroahana ireo manana fiaviana Indiana. Tao anatin'ny andro vitsivitsy izay, noroahan'i Musk ny Tale Jeneralin'ny Twitter Parag Agrawal, ny Tale ara-bola Ned Segal ary lehiben'ny sampana lalàna Vijaya Gadde, ankoatra ny hafa.

Mpikirakira tsy fantatra iray ao amin'ny Telegram no nanambara fa “mihodina ny [kodiarana]” ary “ireo no olona nandrara an'i Trump.” Nanakiana [8] ny Twitter ny elatra havanana Haindò noho ny fanesorana ny rantin-dry zareo tany aloha.

Na dia nanandratra ireo any ampielezana mitarika orinasa teknolojika aza ny fampahalalam-baovao mahazatra [9] ao India, dia mihataka azy ireo kosa ny nasionalista Haindò raha mampihatra politika manimba ny olon'ny elatra havanana ry zareo, na tandrefana izany na Indiana. Amin'ny hafatra Telegram etsy ambany, lazaina ho “olon'ny havia sady liberaly” fotsiny izao ireo mpiasan'ny Twitter. Jereo ato [10] ny fanadihadiana misimisy kokoa.

Indraindray mifangaro fankahalàna vehivavy ny fanalam-baraka, toy ny an'i Vijaya Gadde, lehiben'ny raharaha ara-pitsarana tao amin'ny Twitter taloha. Nitana andraikitra lehibe i Gadde tamin'ny fandraràn'ny sehatra an'i Trump, filohan'i Etazonia teo aloha sy tamin'ny fanesorana ireo rantin'ny nasionalista Haindò maro navoakan'ireo mpitarika ny BJP tao India. Nahazo valy bontana be dia be avy amin'ny faribolan'ny elatra havanana izy noho izany. Nankalazaina ho “karma” tamin'ny fiedinediny ny fandroahana azy tao amin'ny Twitter. Ny fanehoan-kevitra ao amin'ny singa etsy ambany no manamarika fa na dia Indiana aza i Gadde, dia tsy “manana an'i India ao am-pony”. Jereo ato [11] ny fanadihadiana misimisy kokoa.

“Tsy Indiana feno” ny Indiana Miozolomana

Amin'ny lafiny iray, ny Indianina Miozolomana, na mipetraka any India na tsia, dia mahalana no heverin'ny vondrona nasionalista haindò ho Indiana. Misy vokany mahatsiravina ny fomba fitantarana mankahala silamo: mitombo [12] ny isan'ny tranga voarakitra momba ny herisetra tafahoatra ivelanjotra atao amin'ny Miozolomana ao India.

Koa satria misolotena ireo vitsy an'isa ara-pivavahana ao Fanjakana Mitambatra (UK) i Rishi Sunak, dia nanontany ny nasionalista Haindò ny mpitariky ny fanoherana avy amin'ny Kongresy Nasionaly Indiana [13] sy ny Indiana sasany mpikirakira Twitter raha hanaiky ry zareo fa hotarihan'ny olona avy amin'ny vitsy an'isa ara-pivavahana — toy ny Silamo — (i) India. Notsipahin'ireo nasionalista Haindò fatratra ho tsy azo heverina izany ary nsy fotoana nalaza tao amin'ny Twitter ny teny hoe “PM Silamo”.

Ny singa tahaka ny etsy ambony [14] no mampihevitra fa tsy ampy solontena hatrany ny Haindò rehefa any amin'ny fanjakana maha-vitsy an'isa ny Haindò, na dia fivavahan'ny maro an'isa ao amin'ny firenena aza ny Haindoisma. Resy lahatra ry zareo fa ny famoretana ataon'ny praiminisitra indiana Modi amin'ireo vondrona vitsy an'isa toa ny Silamo no todin'ny politika laika tamin'ny vanim-potoana talohan'ny nitondran'ny BJP izay, araka ny filazan'izy ireo, nanaovana an-jorom-bala ny Haindò [15].

“Ny adihevitra tahaka ireny dia tsy miraharaha mihitsy ny tsy fifandanjan-kery eo amin'ny Haindò, izay mahasahana ny 80 isanjaton'ny mponina ao amin'ny firenena, manana ny ampihimamban'ny amin'ny rafi-pitantanana, izay mifandrafy amin'ny vondrom-piarahamonina vitsy an'isa miady hiaro ny zony, ny kolontsainy ary ny tantarany manohitra ny fisosohana (fampiatina) sy ny fidarohana,” hoy ny nosoratan'i Ananya.

Mijere bebe kokoa momba ny iraka [1] sy ny fomba fiasa [20]n'ny Civic Media Observatory. Tsara vakiana ity tantara ato ity [21] hahafantarana hoe nahoana izahay no manao izao ataonay izao.