- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Nokendain'i Torkia ny fidirana aterineto taorian'ny fipoahana nahafatesana olona tao Istanbul

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Tiorkia, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, GV Mpisolovava

Sary avy amin'i Anna Berdnik [1]. Azo ampiasaina malalaka amin'ny Unsplash License [2].

Tamin'ny 13 Novambra no nandrenesana vaovao fipoahana nahafatesana olona [3] tao Istikal, arabe feno mpandeha an-tongotra indrindra ao Istanbul, tanàna lehibe indrindra ao Torkia. Raha mbola eo am-pamotorana ny antsipirihan'ny fipoahana, dia nilaza [4] ny tompon'andraikitra fa farafahakeliny olona enina no maty ary 81 no naratra vokatry ny fipoahana.

Fotoana fohy taorian'ny loza, nametraka didy fandraràna tsy ilazàna ny raharaha amin'ny fampitam-baovao ny Filankevitra Faratampon'ny Radio sy ny Televiziona (RTÜK) — lehiben'ny sivana ao Torkia — raha nanakenda [5] ny fidirana amin'ireo sehatra media sosialy kosa ny Fahefana misahana ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana (BTK). Nanatontosa [6] famotorana kaonty media sosialy miisa 25 ihany koa ny manam-pahefana noho ny fandefasana votoaty lazaina fa mihantsy, miteraka tahotra sy tebiteby, ary mandrisika fankahalana, sy fifandrafiana. Nankatoavin'ny [7] mpanao lalàna Tiorka tamin'ny Oktobra lasa teo ny volavolan-dalàna vaovao momba ny fandisoam-baovao.

Raha lohalaharana amin'ireo lasibatra ny mpanao gazety, ny famaritana manjavozavo amin'ilay volavolan-dalàna dia mety hanondro ny mpisera media sosialy ho tompon'andraikitra amin'izay lahatsoratra zarainy. “Izay mpisera amin'ny sehatra media sosialy rehetra dia ho tompon'andraikitra ao anatin'ity lalàna ity amin'ny ranty/sioka/zara,” hoy i Emre Ilkan Saklica, lehiben'ny tonian-dahatsoratra ao amin'ny sehatra fanamarinana ny zava-misy Teyit.org nandritra [8] ny antsafa nifanaovana tamin'ny DW Tiorka.

Namoaka fandraràna ankapobeny ho an'ny haino aman-jery noho ny fipoahana tao Istanbul androany tolakandro ny Fitsarana ady heloka bevava momba ny Fandriampahalemana faha-10  ao Istanbul.

Nanamafy ny fisian'ny fanakendana aterineto ny Open Observatory of Network Interference (OONI)

🔴 Androany, taorian'ny fipoahana tao#Istanbul [11], nanomboka nanakana ny Twitter, Instagram, Facebook, ary YouTube ny Mpanome tolotra aterineto sasany tao #Turkey [12].

Namoaka tantara [16]iray ny seha-baovao anjotra Tiorka, Gazete Duvar, mitondra lohateny hoe, “Miresaka fipoahana izao tontolo izao raha tsy afa-miresaka izany i Torkia”, tantara izay mampiseho angona sioka avy amin'ireo solontenan'ny fiarahamonim-pirenena malaza miresaka momba ny fanakendana sy ny fandrarana fidirana amin'ny aterineto.

Miresaka momba ilay baomba nipoaka tany Torkia amin'izao fotoana izao izao tontolo izao, afa-tsy i Torkia. Satria nahazo fandraràna fampielezana izahay, sy fandrarana fidirana amin'ny vaovao. Raha tsy ampy izany dia nosokafana ny famotorana ady heloka bevava ho an'ireo nanoratra ilay fipoahana. Afaka manoratra momba an'i Torkia izao tontolo izao, saingy tsy afaka manoratra na mandre izay voasoratra ny olom-pirenen'ny Repoblikan'i Torkia.

Muharrem Ince, mpanao politika nisioka hoe:

Ny fahavoazana lehibe indrindra ho an'i Torkia; raha tokony hiantoka ny fiarovana ny ain'ny olona,  dia mametraka haingana ny fandraràna famoaham-baovao momba ny fipoahana sy mampiadana ny aterineto #taksim  ​ity toe-tsaina marary ity

Mpanao politika iray hafa Ali Babacan nisioka hoe:

Afaka mizara ity sioka ity aho noho ny VPN. Mampitahotra ny rehetra amin’ny fanafoanana ny fampitam-baovao iray manontolo ireo izay mametraka fandraràna ny fampielezam-peo, amin'ny fiheverana tsy hanakorontana ny vahoaka.
@tcbestepe [Biraon'ny Filoha Torkia] aza manohintohina ny fahalalahan'ny vahoaka amin'ny vaovao, aza ampitahorina ny firenena.

Raha maro amin'ireo mpisera sehatra media sosialy no nitatitra fa sahirana amin'ny fidirana amin'ireo sehatra ireo, ny hafa kosa naneho ny ahiahiny amin'ny endrika sivana miverimberina mandritra ny fifidianana ho avy, amin'ny taona ho avy.

nivadika ho hirika hanaovana sivana amin'ny aterineto ny fipoahana tao Isiklal. nanamarika ihany koa fa mety hisy ny sivana amin'ny aterineto amin'ny andron'ny fifidianana. Tokony mijery izany ny antoko mpanohitra ary mitady vahaolana amin'izany toy ny [fikaroham-bahaolana] hiarovana ny vata fandatsaham-bato.

Nilaza [24] tamin'ny The Guardian ilay mpahay siansa ara-politika Tiorka Soner Cagaptay fa miverina aminy ihany ny baiko fanampenam-bava ny media sy ny fandraràna ny sehatra media sosialy. “Heveriko fa fironana manahirana izany satria te hahazo vaovao ny olona. Isaky ny manenjika ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety amin'ny tontolon'ny famoaham-baovao mafàna ianao, izay anakanana ireo fampahalalam-baovao mahazatra tsy hanambara izany, ny fironana misy dia mankany amin'ny loharano hafa ny olona. Misy hatrany ny loza ny amin'ny mety hiparitahan'ny vaovao faikany isaky ny manandrana manakombona fitantaram-baovao ny governemanta,” hoy i Cagaptay.

Araka ny tati-baovao avy any an-toerana, tamin’ny 16:20 ora tany an-toerana no nitrangan'ny fipoahana. Tao anatin'ny fanambarana iray, nilaza [25]ny filohan'i Tiorkia, Recep Tayyip Erdogan fa “namofona fampihorohoroana” ilay fipoahana. Nilaza [26]ny filoha lefitra Fuat Oktay fa tombanana ho “hetsika fampihorohoroana” ilay hetsika. Ny minisitry ny Fitsarana Bekir Bozdag indray nilaza [27]fa misy ny tranga roa mifototra amin'ny fakan-tsary fanaraha-maso (CCTV) azo tamin'ny fisamborana vehivavy iray nitondra kitapo sy nanao fanamiana miaramila. “Na nisy [baomba] napetraka tao anatin'io kitapo io ka nipoaka, na nisy nanapoaka azy avy lavitra,” ary nampiany hoe “heverina ho asa fampihorohoroana izany. Ho fantatra amin’ny alalan’ny vokatry ny fanadihadiana izay fikambanana mpampihorohoro nahavita izany. Tsy misy angon-drakitra marim-pototra teny amin'ny toerana nitrangan'ny heloka bevava afa-tsy ny poti-javatra.”

Efa tsy vahiny amin’ny fipoahana mahafaty [28]sy ny asa fampihorohoroana, izay nanozongozona ny firenena hatramin'ny taona 2015, ny Tiorka. Tamin'ny taona 2016, namono olona dimy sy nandratra 36 [29]tao Istikal ny mpanapoaka baomba famonoan-tena mifandray amin'ny IS. Mpanapoaka baomba famonoan-tena iray hafa nahafaty olona 13 tao amin'ny distrikan'i Sultanahmet ao Istanbul tamin'io taona io ihany. Mitohy ny lisitra.

Tamin'ny resadresaka [24] nifanaovana tamin'ny The Guardian, nilaza i Cagaptay hoe: “Amin'ny tsy fahafantarana hoe iza no ao ambadik'ity fanafihana ity, ny zava-misy aloha dia ity no fanafihana fampihorohoroana voalohany tao anatin'ny enin-taona mamerina ny fahatsiarovana mahatsiravina tamin'ny vanim-potoana 2015-16 izay nahafatesana olona an-jatony manerana an'i Torkia.”