- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao amin'ny Mastodon (ary niverina ao amin'ny Tumblr) ny Global Voices!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Blaogim-Piarahamonina GV, gv-torolàlana

Manoloana ny zava-nitranga vao haingana, dia niasa izahay mba hahazoana antoka fa mahita ny tantaranay iraisam-pirenena ianareo na aiza na aiza misy anareo!

Ao amin'ny Mastodon ny GV!

https://mstdn.social/@globalvoices [1]

Global Voices Mastodon Homepage [1]Araho ary zarao ny tantaranay! Tsy be pitsony, fa tokony ho hita ao avokoa ny lahatsoratra RSS rehetra ary vonona amin’ny fifandraisana. Raha misy te hampiasa faham-pifandraisana RSS->Mastodon afa-mifandrohy amin'ny IFTTT [2], somary be kojakojany ihany nefa manampy amin’izany ireto toromarika avy amin'ny hyperborea.org ireto [3] raha arahinao tsara.

Niverina ao amin'ny Tumblr ny GV!

https://www.tumblr.com/globalvoices [4]

Global Voices Tumblr homepage [4]

Nanana Tumblr navitrika isika tamin'izany andro izany (mpanjohy maherin'ny 30.000!), saingy tsy nanavao azy intsony. Tsy nisy intsony! Nahita fitaovana aho handefasana ny tantarantsika RSS rehetra ao amin'ny Tumblr, koa araho àry izany ary asio tiako ary zarao indray ny asantsika raha ao amin'ny Tumblr ianareo!

Raha ny amin'ny Tumblr, tsy nahita tari-dalana tsara aho amin'ny famindrana RSS, koa dia namorona! Azonao jerena ny fandalinako momba ireo safidy sy fikafika isankarazany hampety azy tsara ato amin'ity lahatsary torolàlana momba ny famidrana RSS mankany amin'ny Tumblr avy amin'ny dlvr.it [5] ity.

Azo atsofoka amin'ny lahatsoratra GV WordPress ny lahatsoratra Mastodon!

Nanao andrana aho ary nanampy endrika sasantsasany mba hampandeha tsara ny lahatsoratra Mastodon sy mba ho mety tsara ao amin'ny GV, noho izany efa azo antoka amin'ny fomba ofisialy izao ny fanatsofohana azy ireo raha zava-dehibe ho an’ny tantaranao izany! Hita miaraka amin'ireo karazana fanatsofohana hafa ao amin'ny Torolalana Famoahan-dahatsoratra WordPress amin'ny tranokalan'ny vondrompiarahamonina ny torolalana amin'ny antsipiriany:

https://community.globalvoices.org/guide/technical-guides/gv-posting-guide/#Mastodon_Embeds [6]

Ity misy ohatra iray:

Mariho fa tsy toy ny fampidirina amin’ny Twitter, fa ho foana tanteraka ny lahatsoratra Mastodon ary hanjavona raha voafafa ny lahatsoratra na ny lohamilina. Koa raha mbola azo atao dia soraty amin'ny fomba mety ny lahatsoratrao raha toa ka manjavona ilay fanatsofohana. Twitter no hany tolotra nanana fanatsofohana afaka mivelona amin'ny fanesorana ny votoaty niaviany, izay tena tsara tokoa momba ny Twitter. Mihatra amin'ny Facebook, Instagram, YouTube sns ihany koa ny fitsipika momba ny Mastodon.

Lazao ahy azafady raha manana olana amin'izy ireo ianao!