Bangladesh : Tompondaka Erantany FIFA, Fahatsiarovana ny fahiny

(Fanamarihana: lahatsoratra anglisy nivoaka tamin'ny May 2010)

Tsy iadian-kevitra fa ny “football” na “soccer” (samy baolina kitra daholo ho an'ny Malagasy) no fanatanjahantena goavana ndrindra tamin'ireo izay noforonin'ny zanak'olombelona. Ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany – FIFA no lanonana ara-panatanjahantena tena be mpijery indrindra erantany. Bangladesh no iray amin'ireo firenena tsy fahita firy izay mavitrika tokoa ny olona mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka erantany, amin'ny fanohanana firenena iray ka maka tàhaka sy miravaka ny lokon'ireo firenena izay tsy misy idiran-dry zareo velively akory (teny anglisy). Dia iza àry ireo ankafizin-dry zareo? ‘Arzantina’ na ‘Brezila’, dia hahita sainampirenen'ireo firenena ireo ianao ahanton'ireo mpanohana azy eny amin'ny tafontranony.

Roa volana eo monja dia hanomboka ao Afrika Atsimo ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany – FIFA 2020 ary ireo bangladeshis  bilaogera dia efa miresaka sahady momba io fihaonana goavana io. Onja anaty rano iray vera ny “fandalinana” ataon'ireo mpanohana momba ny vintana hahazoan'ny ekipa nofinidiny na tsia ilay amboara erantany. Etsy ankilan'izay, misy bilaogera vitsivitsy mahatsiahy ihany koa ireo fotoana mamy nandritra ireo fiadiana ny ho Tompondaka erantany tany aloha tany.

Ao amin'ny Somewherein, ilay sehatra bangla (en bengali) fanoratana bilaogy,  Mamu mitanisa ireo fahatsiarovany ny fiadiana ny ho tompondaka tamin'ny 1982 :

১৯৮২ সালে বাংলাদেশ টেলিভিশন প্রথম ভূউপগ্রহ কেন্দ্রের মাধ্যমে বিশ্বকাপের খেলা সরাসরি প্রচার করে।আমি তখন একেবারে শিশু কিন্তু আমার দেখা প্রথম সরাসরি বিশ্বকাপের কথা ষ্পষ্ট মনে আছে। গভীর রাতে খেলা শুরু হত। পড়ার ছেলেরা দলবেঁধে খেলা দেখতে আসত। বাসার উঠানে টিভিটাকে নিয়ে আসা হত, দর্শকেরা দুটি দলে বিভক্ত হয়ে যেত। জয়ী দল নাচতে নাচতে পরাজিতরা বিমর্ষ বদনে বাড়ী ফিরত।

Tamin'ny 1982, sambany ny fahitalavitra ao Bangladesh (an'ny fanjakana ary hany tokana tamin'izany fotoana izany) mba nandefa nivantana ireo lalao fiadiana ny ho tompondaka erantany. Mbola kely aho tamin'izany, saingy tsaroako fa nisasak'alina no nanomboka ireo lalao. Nitangorona mba hijery azy ireny tao an-tranonanay daholo ireo mpiray vodirindrina. Nentina nankeo an-tokotaninay ny fahitalavitra ary nizara ho andiany roa ireo mpijery. Nandeha nody no sady nandihy tamin-karavoana ireo nandresy fa ireo resy kosa, tamin'ny endrika maloka.

Dia nampiany :

আমাদের টেলিভিশন ছিল সাদাকালো। কিন্তু আমার দৃষ্টিতে সেই বিশ্বকাপ ছিল সবচেয়ে রঙ্গীন।

“Mainty sy fotsy ny fahitalavitray tamin'izany, saingy izay no fiadiana ny ho tompondaka erantany niloko indrindra teo amin'ny fiainako”.
Playing soccer in the rain. Image By Flickr user Vipez. CC BY-NC-ND

Lalao baolina kitra anaty ranon'orana. Sary an'ny mpampiasa Flickr Vipez. CC BY-NC-ND

Somary kidaladala ireo bangladeshis mpanohana. Mamu mitantara ihany koa tantara iray momba ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1990 :

এই বিশ্বকাপের ফাইনালে আর্জেন্টিনা জার্মানীর কাছে পরাজিত হয়। ফাইনালের রেফারিং নিয়ে বেশ সমালোচনা হয়েছিল। বিষয়টি বাংলাদেশের আর্জেন্টাইন ভক্তদের মোটেও ভালো লাগেনি। এদের একজন রেফারি কোডেসালের বিরুদ্ধে বাংলাদেশের আদালতে মামলা করে দেয়।

1990, taona nifanandrinan'i Arzantina tamin'i Alemaina teo amin'ny famaranana ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany. Alemaina no nandresy an'i Arzantina ka nibata ny amboara. Nandritra ilay lalao famaranana, marobe ireo olona nanakiana ny fanapahankevitry ny mpitsara lalao. Ireo bangladeshis mpanohana an'i Arzantina tsy nandray izany ho zava-maivana ka nisy iray tamin-dry zareo nitory an'i Codesal, mpitsara ilay lalao, teny anatrehan'ny tribonaly iray tao an-toerana.

Mamu no mampahafantatra antsika hoe namorona mpanohana ihany koa ny finoana: bodista ilay Italiàna mpilalao Roberto Baggio, izay no antony nahatonga ilay bilaogera Bodista ao Bangladesh nanohana an'i Italia tamin'ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1994  :

১৯৯৪ সালের বিশ্বকাপ বাংলাদেশের জন্য এক ভিন্ন মাত্রা যোগ করে। যদিও বাংলাদেশের জনগণ ব্রাজিল বা আর্জেন্টিনাকে সমর্থণ করে, তারপরে বাংলাদেশের পাবর্ত্য চট্টগ্রামের বাস করা বৌদ্ধরা ইতালিকে সমর্থন করে। এর কারণ রবার্তো ব্যাজিও। তিনি ছিলেন ইতালির মধ্যমাঠের সেরা খেলোয়াড়। ব্যাজিও ছিল বৌদ্ধ ধর্মের অনুসারী। ব্যাজিও কক্সবাজারের এক বৌদ্ধ মন্দিরের সংস্কার কাজে অর্থ দান করেছিলেন।

Ny 1994 dia taona iray nisiana fiadiana izay ho tompondaka erantany namorona habaka iray vaovao tao Bangladesh. Raha ny mahazatra dia mpanohana Brezila na Arzantina ny ankamaroan'ireo Bangladeshis. Saingy ireo mponina ao Cox’sbazar sy ny manodidina dia nanohana an'i Italia tamin'io taona io, noho ny amin'i Roberto Baggio fotsiny. Bodista i Baggio ary nanolotra fanomezana ho fanavaozana ny Pagoda iray tao amin'ny faritr'i Cox’sbazar.

Tsy ny finoana ihany no nahazo fanohanana tao Italia, nisy ihany koa zavatra hafa:

তবে কেবল বৌদ্ধরা ব্যাজিও ইতালিকে সমর্থন করেনি। এই বিশ্বকাপে বাংলাদেশের অন্যতম এক নায়িকা ইতালিকে সমর্থন করে। তার সমর্থণের কারণ, ইতালির ফুটবলাররা ছিলেন সুদর্শণ। (ভিভা ইতালিয়া):

Tsy ireo Bodista teto amin'ny firenenay ihany no nanohana an'i Italia, fa nisy ihany koa iray tamin'ireo vehivavy mpilalao sarimihetsika mahafatifaty teto tamin'izany fotoana izany, satria tsara bika ireo mpilalao tao anatin'ny ekipam-pirenena italiàna (Viva Italia!).

Reraka! tsy nivaly ny vavaka sy fanirian-dry zareo, satria resin'i Brezila i Italia tamin'ny lalao famaranana. Tsy nahatafiditra penalty iray i Baggio ka dia nafoin'i Italia ny amboara.

Ao anatin'io lahatsoratra amin'ny bilaogy io, Nasiruddin Hojja manazava eo ambanin'ny lohateny hoe ‘toy ny ahoana ny fiantraikan'ny baolina kitra mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny asa sy ny pôlitika eo amin'ny firenentsika’:

১৯৮২ সালের বিশ্বকাপ সম্বন্ধে একটা স্মৃতি আমার মনে আছে। আমাদের মফস্বল শহরে যে পাড়ায় আমি বাস করতাম, তার কাছে একটা বস্তি ছিল। সেখানে অনেক গরীব লোক বাস করত। যাদের অনেকের পেশা ছিল চুরি করা। ফুটবল বিশ্বকাপের কারণে সেবার মানুষ রাত জেগে খেলা দেখতে শুরু করে। এর ফলে চোরদের চুরি করতে সমস্যা দেখা দেয়। একদিন স্কুল থেকে ফেরার সময় দেখি তারা সরকারের বিরুদ্ধে স্লোগান দিচ্ছে, রাত জেগে খেলা দেখানো বন্ধ কর।

চোরদের জন্য বিষয়টি বেদনাদায়ক হলেও পুলিশের জন্য বিশ্বকাপ আর্শীবাদ স্বরূপ, বিশেষ করে বিশ্বকাপের খেলা যদি গভীর রাতে অনুষ্ঠিত হয়।

Zavatra iray no tsaroako tamin'ny fiadiana izay ho tompondaka erantany tamin'ny 1982. Tanàna kely izay no nonenako ary teo akaikin'ny tranonay nisy tanàna tsy zarizary iray. Ny sasany tamin'ireny olona ireny dia mpangalatra matianina. Tamin'izay fotoana izay no voalohany tsy natoritorian'ny olona taorian'ny misasakalina mba hijery ny fiadiana izay ho tompondaka erantany. Izay nampananosarotra ny fanaovan'ireo mpangalatra ny asany.  Indray andro raha avy any an-tsekoly, reko ry zareo niventy ny filamatr'izy ireo fanoherany ny governemantan'i Bangladesh hoe “tsy mila fandefasana ny fiadiana ny ho tompondaka erantany amin'ny misasakalina”.

Raha tsy nampisy vintana an'ireo mpangalatra tao Bangladesh ilay fiadiana izay ho tompondaka erantany, dia mofo voatahy kosa ho an'ireo pôlisy, indrindra fa taorian'ny misasakalina ireo lalao no nalefa.

Nahitan'ireo pôlitisiàna tombony ihany koa ilay fiadiana ny ho Tompondaka Erantany sy ireo mpilalao malazany, hoy i Nasiruddin :

তবে বিশ্বকাপ ফুটবলের সেরা তারকা রাজনীতির হাতিয়ার হিসেবে ব্যবহার করতে দেখেছি বিশ্বকাপের পর পরই। ১৯৯০ বিশ্বকাপে আর্জেন্টিনা ফাইনালে জার্মানীর কাছে হেরে যায়। ফাইনালের এই পরাজয় ম্যারাডোনা মেনে নিতে পারেনি। মাঠে সে কান্নায় ভেঙ্গে পড়ে। তার সাথে কেঁদে উঠে হাজার হাজার বাংলাদেশি। বাংলাদেশীদের মাঝে ম্যারাডোনার জনপ্রিয়তাকে পূঁজি করে সে সময় স্বৈরশাসকের একজন উপ-রাষ্ট্রপতি ঘোষণা দেয় যে, তারা বাংলাদেশে ম্যারাডোনাকে নিয়ে আসছে। কিন্তু যখন একজন বাংলাদেশী সাংবাদিক এই তার সম্ভাব্য বাংলাদেশ যাত্রা নিয়ে প্রশ্ন করে তখন ম্যারাডোনা জানাতে চায় বাংলাদেশ কোথায়? পুরো সংবাদটি ছিল রাজনৈতিক জনপ্রিয়তা অর্জনের জন্য এক মিথ্যাচার।

Hitanay fa natao fitaovana pôlitika ny fiadiana izay ho Tompondaka Erantany sy ireo mpilalao malazany. Tamin'ny fiadiana ny ho Tompondaka tamin'ny 1990, niondrika teo anatrehan'i Alemaina i Arzantina tamin'ny lalao famaranana. Tsy nahatanty ny vokatra ilay kintana arzantina, Diego Maradona, ka latsa-dranomaso taorian'ny famaranana. Marobe ihany koa ireo bangladeshis mpanohana no nitomany noho ny aminy. Satria malaza be eny anivon'ireo Bangladeshis i Maradona, nanambara ny filoha lefitry ny fitondràna tsy refesimandidy tamin'izany fotoana izany fa nataon'ny governemanta izy hahatonga ho ao Bangladesh an'i Maradona. Taty aoriana, nisy bangladeshi iray mpanao gazety nanontany an'i Maradona momba ny anton-diany ao Bangladesh, ary dia fanontaniana tsotra no nataon'ilay kintan'ny baolina kitra “aiza no misy an'i Bangladesh?” Tsy nisy afa-tsy lainga ilay tantara manontolo ary narafitra mba hakàna tombony ara-pôlitika.

Nadia Chowdhury Dina mitanisa ireo fahatsiarovany :

১৯৮৬ এর বিশ্বকাপের সময় যখন আমি খুবই ছোট আব্বা আমাদের রাতে ডেকে তুলত খেলা দেখার জন্য। তখন খেলার কিছুই বুঝিনা শুধু আববা যখন গোল বলে চিৎকার দিত আমরা ভাইবোন মিলে সেই সাথে চিৎকার দিতাম । তখন ঘুম ভেঙ্গে খেলা দেখতে ওঠার অন্যতম কারন ছিল সকালে স্কুলে যেয়ে বলতে পারব আমি রাত জেগে খেলা দেখেছি যদিও উঠে একটু পরেই আবার ঠুস হয়ে যেতাম ঘুমে।

Nandritra ny fiadiana ny ho Tompondaka Erantany tamin'ny 1986, mbola kely aho ary ny raiko no mpanaitra anay hijery ireo lalao. Tsy nisy haiko ny momba ny lalao fa rehefa mihiaka ny “Maaty” ny raiko,  dia mba mikiakiaka araka izay tratra ihany koa izaho sy ireo anadahy ary rahavaviko. Ny tombony amin'ilay mifoha hijery baolina, dia ilay mba afaka misekoseko rehefa any an-tsekoly, na amin'ny ankapoben'ny fotoana aza, fotoana fohy taorian'ny nifohazana dia lasa izahay miverina any am-pandriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.