
Pikantsarin'ny bitsika avy amin'ny kaontin'i Alexey Navalny @navalny sy ny ekiipany @teamnavalny
Tafavoaka velona tamin'ny fikasàna hifofoana ny ainy tamin'ny Oktôbra 2020 fony izy tao Rosia i Alexey Navalny, ilay tena mpanakiana an'i Putin no sady mpitarika ny ankamaron'ireo hetsipanoherana goavana tato anatin'ny folo taona tao Rosia. Niverina nankany amin'ny firenena niaviany izy taorian'io, na teo aza ny fampitandremana azy hoe mety ho ampidirina am-ponja. Ankehitriny izy dia manefa sazy roa fampidirana am-ponja herintaona sy tapany ary sivy taona, raha mbola eo ihany koa ireo raharaham-pitsarana heloka hafa (sivy no fitambarany) atao azy. Isankerinandro ihany koa dia hamafisin'ny governemanta rosiàna ny fepetra fitànana am-ponja azy. Ny 17 Novambra, nanoratra ny solontenany, Kira Yarmysh, hoe:
Навального перевели в ПКТ (помещение камерного типа). Это как ШИЗО, только не на 15 суток, а навсегда
— Кира Ярмыш (@Kira_Yarmysh) November 17, 2022
Nafindra ho amina efitra toy ny fonjakely i Alexey @navalny. Toy ny efitrakely fanasaziana ilay izy, tsy ho 15 andro akory, fa ho mandrakizay.
Fa mandeha lavidavitra kokoa, ny kaonty manokan'i Alexey ao amin'ny Twitter izay amoahan'ireo mpiaramiasa aminy ny teny ampitondrainy ny mpisolovava azy, no nanazava:
6/14 A convict in a Russian colony sits in a “dormitory”, i.e., in a barracks. A convict the prison administration is very upset with sits in the punishment cell, where there is absolutely nothing and everything is forbidden, but you can only keep him there for 15 days at a time.
— Alexey Navalny (@navalny) November 17, 2022
6/14 Voaheloka iray ao anatin'ny tany voazanak'i Rosia, mipetraka anaty ‘efitrano fatoriana’, izany hoe anaty toby. Voampanga iray izay mahatezitra mafy ny mpitantana ny fonja no mipetraka ao anatin'ny efitranom-pisaziana, izay tsy misy na inona na inona ary voaràra tsy azo itondrana na inona na inona, fa 15 andro fotsiny no azonao itazonana azy ao.
8/14 And for the more hardened ones, there is the “cell-type room”. It is a regular cramped cell, like the punishment cell, except that you can have not one, but two books with you and use the prison kiosk, albeit with a very limited budget.
— Alexey Navalny (@navalny) November 17, 2022
Ary ho an'ireo tena mazan-doha, misy ilay “efitra toy ny fonjakely”. Efitrano kely tena tery, toy ny efitranom-pisaziana, saingy fotsiny afaka manana boky – tsy iray monja fa roa – ianao ary afaka mampiasa ny kiôskan'ny fonja, fa miaraka amina tetibola tena voafetra.
Iliya Matveev, Rosiàna iray mpahay siansa pôlitika, nandefa sary mitovy amin'ilay fonjakely misy an'i Navalny manomboka izao:
Alexei Navalny is moved to indefinite solitary confinement in a cell that looks like this.
Long-term solitary confinement is a form of torture, as confirmed by the UN. pic.twitter.com/CWpgN5Vqfz
— Ilya Matveev (@IlyaMatveev_) November 17, 2022
Nafindra natoka-monina anaty efitranokely mitovy amin'izao i Alexei Navalny, manditra ny fotoana tsy voafetra.
Endrika fampijaliana ny fanokana-monina mandritra ny fotoana lavabe, araka ny nanamafisan'ny Firenena Mikambana azy.
Fandriana azo aforitra no atorian'ny voafonja, izay afaka atsofoka amin'ny iray amin'ireo rindrina. “Mba tsy ho afaka mitsotsotra eo amboniny, ankoatry ny amin'ny alina, ilay mpifonja dia aforitr'izy ireo ilay izy rehefa andro mazava,” hoy izy nanazava.
Vakio misimisy kokoa: ‘‘Antsoy amin'ny anarany ry zareo': Tantaran'ireo Rosiana mpanohitra ady, nogadraina noho ny resaka pôlitika
Hatramin'ny nampidirana azy am-ponja, nampisedraina fepetra henjana maro i Navalny. Im-pito izy no efa nalefa tany amin'ny efitranom-pisaziana, 15 andro isaky ny mandeha. Tany am-panombohan'ny saziny, toy izao i Navalny:
У вас есть любимый момент дня? Ну, там, утренний кофе. Или когда вы пришли на работу к 9, ответили на имейлы и в 11:30 наконец-то (с чувством выполненного долга!) открываете соцсети, чтобы провести в них остаток дня? https://t.co/RvUOcTF34x pic.twitter.com/6J0PK3tkJK
— Alexey Navalny (@navalny) March 22, 2021
Manana fotoana iray ankafizinao ao anatin'ny andro ve ianao? Ohatra, ny fisotroana kafe rehefa maraina. Na rehefa ianao tonga any am-piasàna amin'ny 9 ora, mamaly ireo imailaka azonao, ary farany amin'ny 11:30 ora (miaraka amin'ny fahatsapàna fa nahavita zavatra!), manokatra ny media sôsialy mba handany ao ny fotoana kely sisa amin'iny andro iny ?
Ankehitriny, toy izao izy.
В Мосгорсуде идёт апелляция на возбуждение трёх уголовных дел в отношении Алексея Навального.
С камерами журналистов не подпускают даже к дверям зала. pic.twitter.com/ZOOY3Qj9NA
— Команда Навального (@teamnavalny) November 7, 2022
Misy fampakarana fitsaràna ambony amperiny ao amin'ny fitsaràna monisipaly ao Maosko momba ireo fiampangàna telo mahazo an'i Navalny. Tsy navela handingana na dia ny tokonam-baravaran'ny fitsarana akory aza ireo mpanao gazety nanana fakantsary
Mazava loatra, tsy raharaha maningana ny an'i Navalny : misy an-jatony maro ireo gadra noho ny pôlitika ao Rosia sy Belarosia. Na izany aza, ny sazy azony no iray tena henjana indrindra, ary misy ireo tranga vaovao anenjehan'ireo manampahefana azy ho nanao heloka bevava, toy ny hoe isambolana mihitsy.