- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitady Tonia hitarika ny fanangonam-baovao Okraina ny Global Voices

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Mediam-bahoaka, Russia invades Ukraine

 

Sary an-drindrina ao Kyiv. Saripikan'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Mpanoratra sady tonian-dahatsoratra manana fahatakarana lalina sy fahalianana momba ny lafiny rehetra ao Okraina ve ianao? Mientanentana ve ianao amin'ny famolavolana hevitra ho tantara, ranty media sosialy, ary famoahana ranty hafa amin'ny vondron'olona samihafa?

Raha mamaly “eny” amin'ireo fanontaniana etsy ambony ianao, dia mety hihevitra ny hisoratra ho eo amin'ny toeran'ny Toniam-paritr'i Ukraine.

Ny Toniam-paritra no ho tompon'andraikitra amin'ny fanitsiana ireo tantara nosoratan'ireo mpandray anjara an-tsitrapo ato amin'ny Global Voices sy amin'ny fanoratana tantara momba an'i Okraina. Ifantohan'ny tantaran'ny Global Voices ny lohahevitra toy ny kolontsaina an'aterineto, ny fahalalahana miteny anjotra, ny zo ara-teknolojia sy ankihy, ny zon'olombelona, ​​ny fahasamihafàna sy ny fisoloantena, ary ny fahasamihafam-piteny.

Ny Toniam-paritra koa dia hiara-hiasa amin'ny vondron'ireo mpandray anjara manoratra tantara, mizara hevitra hananganan-tantara, ary hametraka teti-pamolavolana ara-panoratana ho an'ny faritra amin'ny fanolorana hevitra, fizaràna fahalalana ary fanomezan-tanana ara-pitarihana.

Hahitana ireto ny asan'ny Tonia:

Ireo kandidà mendrika ho amin'ny toerana dia:

Ifantenana voalohany ireo kandidà manana fahalalàna ireo fiteny ampiasaina any Okraina ankoatra ny efa fahaizana teny Okrainiana.

Global Voices dia fikambanana virtoaly manerantany. Ny milina mamelona ny efitrano famoaham-baovaon'ny Global Voices dia ekipan-tonian-dahatsoratra miasa tapakandro [2] izay miara-miasa amin'ireo mpandray anjara an-tsitrapo sy mpandika teny antsitrapo manerana izao tontolo izao mba hanasongadinana ireo tantara sy fomba fijery izay tsy hita loatra amin'ny haino aman-jery mahazatra iraisampirenena.

Tsy misy fepetra ara-jeografika takiana mifandraika amin'ireo toerana ireo. Tsy manana birao na foibe hita vatana ny Global Voices. Tsy sahirana ny mpifaninana amin'ny fametrahana ny fandaharam-potoanany manokana ary miasa amin'ny tontolo virtoaly manontolo.

Ampirisihanay mafy ireo kandidà efa mandray anjara amin'ny tetikasa Global Voices amin'izao fotoana izao hanao fangatahan'asa.

Miasa tapakandro ity asa ity ary hifanarahana arak'asa malalaka (freelance).

Raha hangataka ilay asa:

Mandefa CV sy taratasy fahazotoana hiasa amin'ny teny anglisy izay manasongadina ny asanao ary manazava ny antony fa sahaza anao ilay asa ao amin'ny  jobs@globalvoices.org, ahitana andalana Regional Editor for Ukraine: anaranao. Azafady mba paingory amin'ny endrika .doc na .pdf ny taratasim-pahazotoana anao ho fanampin'ny efa nampidirana azy ao amin'ny vatan'ny mailakao.

Ny fe-potoana fara-fanolora-tena hiasa dia amin'ny 11:59pm UTC amin'ny 18 Desambra 2022.