Fantaro i Ophélie Guenaud, mpandika teny Lingua Frantsay

Sary nomen'i Ophélie Guenaud

Global Voices: Lazao anay ny momba anao—iza marina moa i Ophélie Guenaud?

Ophélie Guenaud: Mpandika teny frantsay-anglisy aho, mpandika teny am-bava ary mpitantana ny tetikasa fandikanteny. Tiako hatrany ireo karazana fiteny. Nikasa ny hiofana ho sefo mpanao mofo aho, talohan’ny nivadihako hanao ny asa fandikanteny. Saingy tsy azoko heverina izany haka diplaoma nefa tsy misy fiteny. Noho izany, nisafidy ny handao ny fanaovana mofo aho (raha asa — mbola tiako ny fanaovana mofo!) ary nanokana ny tenako hianatra fiteny. Voalohany, nahazo lisansa LEA amin'ny fiteny anglisy sy rosiana aho, ary avy eo dia nanohy hahazoana Master amin'ny fandikantsoratra sy fandikana teny am-bava, izay vao vitako fotoana fohy izay. Tena mahavariana ahy hatrany ny asa fandikanteny, ary faly aho fa manao ny asa nofinofisiko.

GV: Oviana ianao no niditra tato amin'ny Global Voices, ary inona no nanosika anao hanao izany?

OG: Tamin'ny volana Septambra 2020 aho no niditra tato amin'ny GV. Vao avy nahazo lisansa aho ary nifindra tany Angletera mba honina bebe kokoa miaraka amin'ny fianakaviako ary hanakaiky kokoa ny oniversite tiako hidirana. Nitady fikambanana na vondrona mitady mpandika teny an-tsitrapo aho, ary tamin'izay no nahitako ny tranokalan'ny GV. Nahafahako nanatsara ny fahaizako mandika teny sy namantarako betsaka kokoa momba ny fahaizako fiteny sy ny fahaizako manoratra ny GV.

GV: Lazao anay misimisy kokoa momba ny traikefanao amin'ny maha mpandika teny anao ato amin'ny GV. Inona no mandrisika anao ho mpandika teny, ary ahoana ny fomba hisafidiananao ireo lahatsoratra adikanao?

OG: Ny fahafahana misafidy malalaka ireo tantara mahaliana sy miresaka lohahevitra mahaliana no mandrisika ahy handika teny ho an'ny GV, ary ny mahalala ny zava-mitranga eto amin'izao tontolo izao amin'ny alalan'ireo tantara ireo ihany koa. Ny fifanakalozan-kevitra miaraka amin'ireo toniandahatsoratra, izay milaza aminay ny antony mahatonga ny safidy fandikan-teny sasany tsara kokoa noho ny hafa, na ny manondro ireo fahadisoana no lafiny hafa itiavako ny GV. Tsy mitsahatra ny mianatra hatrany aho, saingy ao anatin'ny fahatsaram-po hatrany izany, ary izay no tiako.

GV: Amin'ny maha mpandika teny nosafidinay ho an'ny volana Oktobra, inona no nahatonga anao handika lahatsoratra betsaka kokoa tamin'io volana io noho ny teo aloha? 

OG: Mandika teny betsaka kokoa aho raha hitako fa mahaliana ahy ny lahatsoratra, ary izany no nitranga tamin'iny volana iny. Te handany fotoana bebe kokoa amin’ny fandikanteny koa anefa aho, satria tsy tena nampiasa ny fahaizako fiteny aho tamin’ny asako teo aloha. Tahaka ny hoe fomba iray hivoarako sy hieritreretako zavatra hafa izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.