Folo volana aty aoriana, tsy mbola misokatra ny fanadihadiana ao El Salvador momba ilay rindrambaiko fitsikilovana “Pegasus”

Sary natolotr'i Giovana Fleck

Folo volana lasa izay, ny Janoary 2022, nohamafisin'ny Access Now sy ny Citizen Lab fa marobe ireo mpanao gazety ao El Salvador no lasibatry ny fampiasàna midadasika be an'ilay rindrambaiko fitsikilovana “Pegasus” an'ny vondrona NSO.  Raha kely indrindra, findaina mpanao gazety miisa 35 avy amina media miisa enina (El Faro, GatoEncerrado, La Prensa Grafica, Revista Digital Disruptiva sy El Diario de Hoy) no nidiran'ity rindrambaiko ity teo anelanelan'ny Jolay 2020 sy Novambra 2021.

Nodinihan'ny Amnesty International Security Lab ilay tatitra ary nohamarininy ireo porofo takian'ny lalàna momba ny fampiasàna ilay rindrambaiko mpitsikilo Pegasus tamin'ireo Salvadôriàna mpanao gazety. Erika Guevara-Rosas, tale misahana ny ao Amerika ao anivon'ny Amnesty International, nilaza fa “ny fampiasàna ny Pegasus ho amin'ny fanarahamaso ny fifandraisana ao El Salvador  dia mampibaribary ny ambana vaovao iray mahazo ny resaka zon'olombelona ao amin'ilay firenena. Tsy maintsy atsarahatr'ireo manampahefana ny ezaka rehetra ataony haneriterena ny fahalalahana maneho hevitra ary mampanao fanadihadiana lalina sy tsy mitanila mba hamantarana izay tomponandraikitra.” Nefa ny governemantan'ny filoha Nayib Bukele dia nandà ny andraikiny no sady tsy namoaka vokatra na marika fisiana fanadihadiana manontolo momba io trangana fitsikilovana io.

Hatramin'ny 2019 nahazoan'i Bukele ny fahefàna, betsaka ireo marika nahitàna fa mizotra mankany amin'ny fitondrana pôpilista sy jadona izy. Amin'izao androntsika izao, tsy hoe fotsiny mifehy ny rantsana mpanatanteraka ao amin'ny governemanta i Bukele, fa ny antoko politikany Nuevas Ideas no manana ny maro an'isa ao amin'ny Antenimiera mpanao lalàna, izay nanàla tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ary nifidy mpitsara vaovao tao amin'ny Fitsarana Avo sy tonia mpampanao lalàna iray vaovao.  The Economist, tao anaty lahatsoratra iray nivoaka tamin'ny Jona 2022 nitondra lohateny hoe  “Cryptocracy,” dia manasongadina momba an'i Bukele hoe “hatramin'ny nandraisany ny toerany, toy ny toeram-pamaharany manokana no itantanan'ilay mpanao jadona mahafinaritra indrindra eto an-tany”, araka ny iantsoany ny tenany rahateo, ny firenena misy vahoaka 6,5 tapitrisa.”

Ireo manampahefana salvadôriàna dia efa voampanga tamina fanitsakitsahana zon'olombelona marobe nataony tamin'ireo olompireneny nandritra ny fihibohana nateraky ny valanaretina COVID-19, ary, vao haingana mihitsy, noho ny fisamborana sy fampijaliana olona an'arivony maro tao anatin'ny nolazain'ny fanjakàna fa “ady fanoherana andian-jiolahy.” Na i Bukele, na ireo manampahefam-panjakana hafa, dia samy nandà imasom-bahoaka tsy hanaiky ny andraikiny ary nanàla baràka ireo mpanao gazety sy trano famoaham-baovao tsy miankina. Ao anatin'io toedraharaha io mihitsy, ny fampiasàna ilay rindrambaiko fitsikilovana dia maneho ambana loza be ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, ny zo nomerika ary fanamby goavana ho enti-manadihady ny firafitry ny tsy refesi-mandidy nomerika ao Salvadaoro.

Taorian'ny vaky bantsilana momba ny fampiasàna ny Pegasus tamin'ireo mpanao gazety niisa 35 tao Salvadaoro, nisy fiaraha-mientan'ireo mpiaro zon'olombelona eo an-toerana sy erantany ary fikambanan'ireo mpanao gazety, tamin'ny alàlan'ny fanambaràna iray ho an'ny daholobe tamin'ny Janoary 2022, nitaky tamin'ireo manampahefana salvadôriàna mba hampitsahatra ny filambaniny atao amin'ireo mpanao gazety sy ireo mpiaro zon'olombelona, hiaro ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra, ny asan-gazety, ary hanaja ny fiainana manokan'ny olompirenena.  Tahaka izay ihany, ireny fikambanana ireny dia nitaky fanadihadiana iray ho ataon'ny tonian'ny fampanoavana momba ny fampiasàna ny Pegasus amin'ity raharaha ity. Etsy ankilany, tamin'ny Febroary, Cristosal, fikambanana iray mpiaro zon'olombelona ao an-toerana, dia nitaky tamin'ny Fisarana ara-Bola mba hanadihady ny mety ho fampiasàna ny volam-bahoaka nividianana ilay rindrambaiko fitsikilovana tamin'ny vondrona Israeliàna NSO.

Ny Reporters Without Borders (RSF) dia niantso ihany koa ireo manampahefana Salvadôriàna “hanokatra avy hatrany fanadihadiana hamantarana sy hanenjehana izay tomponadraikitra tamin'ity raharaha fitsikilovana midadasika be ity”. Fanampin'izay, angatahan'ny RSF ny governemanta israeliàna mba hametraka fampiatoana ny fanondranana ity karazana rindrambaiko fitsikilovana ity, izay azo ampiasaina hitsikilovana mpanao gazety ary tena olana ho an'ny demaokrasia erantany. Ny rindrambaiko Pegasus, araka ny filazan'ireo manampahaizana manokana momba ny fiarovana nomerika, dia afaka misovoka mangina ho ao anaty findain'ny olona iray ary maka ny fifehezana manontolo an'ireo sary, ireo mpifandray, ny hafatra, ny resaka, no sady mamelona ny mikrô sy fakantsary ao amin'ilay fitaovana nitsofohany.

Tena miharihary fa ilay fotoana nijirihana ny findain'ireo mpanao gazety maro dia nifanojo tamin'ny vanimpotoana niroboroboan'ireo asa fanadihadiana marobe nataon'ny mpanao gazety momba ny fifanarahana miafina nataon'ny filoha Bukele tamin'ireo andian-jiolahy eny an-dalambe mba hampihenana ny vono olona sy hahazoana tohana ara-pôlitika, ny raharahan'ireo kolikoly nataon'ny olon'ny governemanta, ary ny fanapahankevitra tsy refesimandidy handraisana ny bitcoin ho toy ny vola ara-dalàna ao El Salvador.

Tamberin'andraikitra avy amin'ny governemanta

Tamin'ny Martsa 2022, nandritra ny famelabelarana azon'ny rehetra natrehana nanoloana ny Inter-American Commission on Human Rights (IACHR) momba ity raharaha Pegasus izay nampiasaina tamin'ny fomba tsy ara-dalàna ity mba hanarahana maso ireo mpanao gazety sy mpikatroka tao El Salvador, Margarette May Macaulay, iray ami'ireo iraky ny IACHR nilaza hoe “Tena fanohintohinana goavana ny demaokrasia sy ireo fenitra demaokratika iny (…) tsy misy te-hitanisa lisitra, sangy betsaka ireo zo no voahitsakitsaka.” Fanampin'izany, nohitrikitrihan'i Macaulay fa “tokony ho hentitra araka izay tratra ilay fanadihadiana, [nefa] toy ny tsy misy mahamaika ny fanjakàna.”

Nandritra ilay fihainoana, ny solontenan'ny fanjakana salvadôriàna, izay manampahefana avy amin'ny biraon'ny fampanoavana, dia nandà ho tsy nahafantatra ny fisian'io fampiasàna tsy ara-dalàna ny Pegasus io tao El Salvador, ary nilaza fa “misy fanadihadiana lalina efa atao izao,” no sady niampanga ireo niharany ho nanao izay hahataraiky ny fanadihadiana tamin'ny tsy nizaràn'izy ireny ny vaovao tamin'ireo manampahefana. Ireo mpanao gazety izay nanatrika ilay famelabelarana dia nandà an-kitsirano io fiampangàna io.

Ny Tatitra faha-148 avy amin'ny Citizen Lab Research, nivoaka tamin'ny Janoary 2022, dia nahavita namantatra ny “TOROGOZ”, mpanjifa iray ny Pegasus, izay ao El Salvador no tena iasàny be indrindra nanomboka tamin'ny 2019. Ny famintinan'io tatitra io dia nametraka fa “na tsy misy porofo ara-tekninka mandresy lahatra aza hoe ny TOROGOZ dia misolo tena ny governemanta salvadôriàna, ny fivangongoana matanjak'ireo fijirihana tsy mijery afa-tsy ilay firenena manokana fotsiny dia efa azo ieritreretana hoe tao tena izay no izy.” Kanefa, tao anaty fanambaràna iray avy amin'ny masoivohom-baovao Reuters, taorian'ny namoahana ilay tatitry ny Citizen Lab, nolavin'ny governemanta salvadôriàna maha-mpanjifan'ny vondrona NSO azy. Hatramin'ny anio, tsy naneho fahavononana mihitsy hanao fanadihadiana momba io raharaham-pitsikilovana tsy ara-dalàna natao tamin'ny mpaao gazety marobe io ny governemanta, ary tsy miseho ho tomponandraikitra manoloana ny fiarahamonina tamin'ireo fanitsakitsahana ny zo nomerika fototra.

Julia Gavarrete, mpanao gazety avy amin'ny trano mpamoaka vaovao salvadôriàna El Faro, sy iray isan'ireo niharan'ny fijirihan'ilay rindrambaiko fitsikilovana Pegasus, nanoratra tao anaty lahatsoratra iray fanehoankevitra fa, “ Tsy maintsy ambara fa ao anaty firenena iray izay voamarina ny fampiasàna rindrambaiko fitsikilovana ary ireo manampahefana, raha tokony hanadihady, dia ny manafina porofo no ataony mba hisy hahafahany manameloka ireo feo rehetra mpanakiana.” Tsipihan'i Gavarrete ireo horohoro sy fanamby atrehan'ny asa fanaovana gazety eo ambanin'ny fanarahamaso an-jotra ao El Salvador: “Miaraka amin'ny rindrambaiko toy ny Pegasus, ilay ao ambadik'izany dia afaka miditra mijery izay hetsika rehetra ataontsika, ny resatsika, ny vaovao raisintsika sy ny hoe iza no mizara azy ireny amintsika, ary izay hadihadiantsika. Saropady ny rivotra iainan'ny asa fanaovana gazety, eny, ary izay no antony isisihako manipika hoe tsy hitsahatra hanao an'io isika na eo aza izany.”

Azafady, mba hahazoanao vaovao misimisy kokoa, tsidiho ny pejin'ny tetikasa  Unfreedom Monitor.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.