- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mety hibosesika ny sioka: Todika momba ny fangatahana fanesoram-botoaty ao India

Sokajy: Azia Atsimo, India, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Ai Weiwei: [1] Sary tsy misy lohateny (Rojo (fanagadrana) volamena, fakan-tsary fanaraha-maso ary Vorona Twitter)” nataon'i René Clausen Nielsen [2], nahazo lisansa CC BY-SA 2.0 [3]..

Manjary fitaovam-pifehezana misongadina ny sivana ataon'ny governemanta amin'ny alàlan'ny fangatahana ara-pitsarana hanaisotra votoaty na hanakanana kaonty, sy rohy URL satria lasa sehatra manan-danja hikabariana ny media sosialy. Anisan'ny manana tarehimarika ambony indrindra manerantany [4]amin'ny fangatahana fanesoram-botoaty i India, demaokrasia lehibe indrindra manerana izao tontolo izao.

Na dia tsy misy loharanom-baovao maharakitra feno ny toe-draharaha ao India, dia mampiseho ny tatitra mikasika ny fanarahan-dalàna avy amin'ny orinasa media sosialy, ny orinasam-pikarohana mahaleotena, ary ny fanambaran'ny governemanta fa matroka ny toe-draharaha. Tamin'ny taona 2019, nolazain'ny [5] Comparitech, orinasam-pikarohana iray miorina any UK, fa tamin'ny famakafakana angon-drakitra avy amin'ny orinasa toa ny Facebook, Twitter, ary Google, dia India no manana fangatahana fanesorana votoaty betsaka indrindra manerantany, aorian'i Rosia. Mampiseho [6] ihany koa ny angon-drakitra avy amin'ny parlemanta Indiana fa misavoana [6] be ny baikon'ny governemanta hanakana kaonty media sosialy nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'ny taona 2020. Araka ny tatitra farany [7] momba ny  Mangarahara ao amin'ny Twitter, laharana fahadimy India manana 8 isanjaton'ny fangatahana fanesoram-botoaty manerantany aorian'i Japana, Rosia, Korea Atsimo, ary Torkia. Ahafahan-mahafantatra ny halehiben'ny olana ihany koa ny tolona ara-pahefana ifanaovan'ny media sosialy amin'ny governemanta.

Matetika nifanditra [8]tamin'ny governemanta momba ny politikam-pandrindrana votoaty ny Twitter ary manafoana ny fangatahana na fanakanana votoaty sy kaonty. Tamin'ny fivoarana farany tamin'ity fifanolanana lavareny ity, nitory [9] ny governemanta Foibe teny amin'ny fitsarana ny Twitter tamin'ny volana Jona 2022 noho ny baikony momba ny fanakanana, ary nilaza fa maro tamin'ireo baiko ireo no nikendry votoaty “politika sy fanaovan-gazety” manitsakitsaka ny zon'ny olom-pirenena amin'ny fahalalahana maneho hevitra. Ankoatra izay dia voalaza ihany koa fa tsy nomen’ny fanjakana araka ny voalazan’ny lalàna ny anton’ny baiko.

Fihevitry ny governemanta: vita amim-pinoana tsara ny zava-drehetra

Mihevitra [10] ny governemantan'i India fa ny fangatahana ara-pitsarana natao tamin'ireo goavan'ny media sosialy toy ny Twitter dia mifanaraka amin'ny habetsahan'ny mpikirakira media sosialy ao amin'ny firenena. Milaza izy fa ilaina ireo fepetra ireo mba hamoronana aterineto azo antoka sy misokatra.

Ny fepetra ara-dalàna araka ny Lalànan'ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (IT), 2000 [11] sy ny fitsipika manaraka azy dia mamela ny fanjakana hanakana votoaty raha ilaina ny manao izany ho amin'ny “tombontsoan'ny fiandrianam-pirenen'i India, fiarovana an'i India, fiarovana ny Fanjakana, fifandraisana ara-pirahalahiana amin'ny firenena vahiny na ny filaminam-bahoaka na ho an'ny fisorohana ny fandrisihana hanao izay fandikan-dalàna azo fantarina mifandraika amin’ireo voalaza etsy ambony ireo.” Mampiseho ny civic media observatory (fanarahamaso ny fampahalalam-baovao sivika) [12] an'ny Unfreedom Monitor fa mampiasa sokajy [13] hafa toy ny “anti-India” sy “anti-national” ihany koa i India mba hanamarinana ny fanesorana votoaty. Mampiseho ny angon-drakitra avy amin'ny Observatory fa ny filàna ny ady amin'ny “vaovao faikany” sy ny “fandisoam-baovao” dia fanamarinana mahazatra hafa amin'ny fanakanana kaonty sy lahatsoratra amin'ny media sosialy.

Ankoatra izany, matetika manery ireo orinasa media sosialy hanaisotra votoaty ny governemanta, amin'ny filazana [14]  fa “lalàn'ny tany” izany. Ny mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna anefa no manapa-kevitra ny amin’izay tokony hatao amin’ireo lalàna ireo, ka miteraka fiteleman'ny ranomodim-pahefana. Araka ny loharanom-baovao, namoaka [15] baiko fanakanana miisa 105 ho an'ny YouTube, Facebook, Twitter, ary Instagram ny governemanta tamin'ny fampiasana ny fitsipika (Torolalana mpanelanelana sy ny fitsipi-pitondran-tena amin'ny haino aman-jery nomerika), 2021 [16]. Niteraka ahiahy [17] avy amin'ireo vondrona mpiaro ny zo nomerika, ny fiarahamonim-pirenena, ary ny orinasa media sosialy momba ny fahalalahana miteny ny fitsipika, nampidirina tamin'ny Febroary lasa teo.

Ny boaty mainty misy ireo baiko sy fanitsakitsahana ny fahalalahana miteny

Ara-dalàna ny fikasan'ny fanjakana handrindra votoaty ao anatin'ny tontolon'ny fampitam-baovao tsy mitsaha-mikorontana, saingy nanamafy ny fiarahamonim-pirenena sy ireo vondrona mpiaro ny zo nomerika fa manitsakitsaka ny fahalalaham-pitenenan'ny olom-pirenena ireo ezaka ireo. Lasa fironana [18]ho an'ny governemanta ny mangataka amin'ireo goavan'ny media sosialy mba hanaisotra izay votoaty mitsikera. Tamin'ny taona 2017, taorian'ny taratasy avy amin'ny governemanta nanamarika “votoaty azo lavina,” nandefa [19] filazana ara-pitsarana ho an'ireo mpikatroka, mpiaro ny zon'olombelona, ​​mpanao gazety ary olom-pirenena hafa  izay nisioka momba ny zava-misin'ny zon'olombelona ao amin'ny faritanin'i Kashmir iadiana [20] ny Twitter. Tamin'ny taona 2019, taorian'ny fanafoanana ny Andininy faha-370, izay nanome ny sata manokana ho an'ny fanjakana avaratr'i Jammu sy Kashmir, dia nangataka [21]tamin'ny Twitter ny governemanta mba hanakanana ny kaonty sasany izay naneho hevitra momba ilay olana satria “manely vaovao faikany ” izy ireo ary “ mifandray tendro amin'i Pakistan.” Tamin'ny taona 2020, nahazo mailaka [22]avy amin'ny Twitter ny olona nanohitra [23] ny Lalàna Fanitsiana ny maha-olom-pirenena tena mampiady hevitra milaza fa nangataka tamin'ny orinasa ny governemanta mba hanaisotra votoaty manokana.

Araka ny notaterin'ny [22]The Hindu, tsy nandray fepetra tamin'ny tranga maro ny Twitter, tamin'ny filazàna fa ho amin'ny tombontsoan'ny “fiarovana sy fanajana ny feon'ny” mpiserasera azy izany. Ny taona nanaraka, nandritra ny fara tampon'ny onja faharoa nahafatesana olona, COVID-19 tany India izay namoizana ain'olona an-tapitrisany ary nahatonga olona maro hafa nitodika tany amin'ny media sosialy mba hitady fanampiana satria tapitra feno ny fandriana sy fanafody teny amin'ny hopitaly, dia nanome baiko [24] ny Twitter sy Facebook ny governemanta mba hanaisotra izay votoaty manakiana ny fitantanan'ny governemanta ny COVID-19. Amin'ny tranga iray hafa [25], nampiseho ny antontan-taratasy anatiny ao amin'ny Twitter napetraka tamin'ny angon-drakitra Lumen fa, tamin'ny taona 2021, nangataka tamin'ny Twitter ny governemanta mba hanakana ny kaonty sy ny siokan'ireo fikambanana toy ny Freedom House, mpanao gazety, mpikambana ao amin'ny antoko mpanohitra, ary vondrona mpiaro ny tantsaha.

Mampitombo ny mety ho fihoaram-pefy ny hadadasiky ny fomba fiasan'ny rafitra ara-pitsarana misy. Eo ihany koa ny tsy fisian’ny mangarahara [26], satria tsy hita eny anivon’ny sehatry ny daholobe ny ankamaroan’ny baiko. Indraindray dinganina ihany koa ny rafitra ara-pitsarana. Ohatra, tamin'ny taona 2021, nahazo taratasy nalefan'ny Minisiteran'ny Elektronika sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao ho an'ireo goavam-be amin'ny media sosialy ny Internet Freedom Foundation, fikambanana tsy mitady tombony miasa amin'ny zo nomerika sy ny fahalalahana sivily, mitaky amin'izy ireo mba hanaisotra izay votoaty rehetra [27] momba ny “ karazana COVID-19 Indiana” sy ny marika “fampahalalam-baovao naodinkodina” izay napetraky ny Twitter tamin'ireo sioka nataon'ireo mpanao politika Indiana sasany.

Mampametra-panontaniana momba ny fitsinjaram-pahefana sy ny hery ny fifanolanana eo amin'ireo goavan'ny media sosialy, ny governemanta ary ny olom-pirenena. Niezaka nanilika amin'ny hafa mba hampandrosoana ny tombontsoany ny mpandray anjara tsirairay. Safidy ara-politika ny baikon'ny governemanta hanaisotra votoaty sy ny fanapahan-kevitry ny sehatra media sosialy hanaraka ny baiko toy izany. Fanampin'izany, manasarotra ny raharaha ny fampiasana tsy araka ny tokony ho izy ny media sosialy sy ny fiparitahan'ny fampahalalam-baovao diso sy ny fanalam-baraka ataon'ny mpiserasera, ka mitaky ny fanjakana hiditra an-tsehatra, izay mety hiafara any amin'ny tevana. Na izany aza, ny tsy fifandanjanam-pahefana tsy mifanaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka ireo dia matetika miteraka vokatra didy jadona amin'ny anaran'ny zon'ny olom-pirenena.