Noroahina avy any Moskoa ho any Moldova misy diam-bono ilay TikToker Nekoglai

 

Nekoglai, taloha sy taorian’ny nandefasana azy tany amin'ny foibem-pandroahan’olona tao Moskoa. Sary natambatr’i Daria Dergacheva avy amin'ny pikantsarin'ny iray amin'ireo horonantsarin'i Nekoglai, sy ny lahatsoratra Telegram RIA Novosti.

Manana mpanjohy miisa 9,6 tapitrisa ary mampihetsi-po ny tanora ilay TikToker Nekoglai. Monina any Moskoa izy, ary mazàna ny horonantsariny no ahitana azy manara-peo moramora ny hira mandeha any ambadika. Novokarina tamin'ny teny Rosiana ny TikTok-ny. Ny 8 Novambra 2022, nanatontosa lahatsary maka tahaka (parôdia) miaramila Rosiana iray i  Nekoglai. Navoakan'ilay mpanao fampielezan-kevitra mpomba ny ady ho an'ny daholobe tao amin’ny fantsona Telegram ny lahatsary ôrizinaly ary mampiseho miaramila iray mitsilany irery ao anaty hady, alohan'ny nanipazana azy grenady roa avy amin'ny drôna Okrainiana, ary nanipy izany tamin'ny tanany. Nandry teo ambony karipetra ary nanipy “grenady” ilay tanora bilaogera Nekoglai ao amin'ny lahatsariny maka tahaka (parôdia).

I Ekaterina Mizulina lehiben'ny “Ligy ho an'ny Aterineto azo Antoka” (orina mpanasoa mifandray amin'ny fanjakana Rosiana) izay nanoratra ny fameperana maro napetraka amin'ny aterineto Rosiana, no nitatitra momba ny fanaovany ity horonantsary ity. Zanakavavin'ny solombavambahoaka Rosiana malaza Elena Mizulina (izay mpanoratra ny lalàna famoretana maro ny LGBTQ+ sy ny ‘soatoavin'ny fianakaviana’) izy.  Nilaza tao amin'ny fantsona Telegram-ny i Mizulina fa hanao antso avo amin'ny polisy sy ny Biraon'ny Fampanoavana izy mba hijery ny lahatsarin'i Nekoglai satria “manala baraka ny tafika Rosiana” izany.

Olom-pirenen'i Moldavia i Nekoglai. Noho ny fiampangan'i Mizulina, notanana am-ponja izy tamin'ny 9 Novambra noho ny “fandikana lalàna momba ny fifindra-monina,” ary napetraka tao amin'ny toby fitazonana mpifindramonina, ary avy eo  nandroaka azy ho any Moldavia tamin’ny didy navoaka haingana ny fitsarana ao amin'ny faritr'i Presnya, Moskoa. Nampakatra ny didim-pitsarana ny mpisolovavan'ilay bilaogera saingy nanohana ny didim-pitsarana ny fitsarana tao Moskoa tamin'ny 11 Novambra. Taorian'ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, namoaka lahatsarin'i Nekoglai amin'ny volony hafakely sy ny volomasony voaharatra ny masoivohom-baovaom-panjakana Rosiana RIA Novosti, ary nahitana soritra daroka ny tarehiny. Tao amin'ilay lahatsary, hoy ilay bilaogera hoe: “Ankehitriny, azoko tsara ny fahadisoana nataoko. Manenina aho, tena menatra aho. Nihevitra aho fa tsy ho tafavoaka velona raha teo amin'ny toeran'io miaramila tao amin'ny hady io. Mahatsiaro ho biby aho. Mamelà ahy raha azo atao azafady.

Tsy vao sambany no nampiasa lahatsary manala-bara-tena ny polisy Rosiana sy ny milina propagandy hanasaziana ny mpanohitra sy hampitahorana ny hafa. Toy ny nosoratan’ny BBC hoe, “mihamaro hatrany ny fampiasan'ny polisy io fombafomba fanamelohana sy manala-baraka io”, voalohany tany amin'ny repoblikan'i Kaokazy Avaratra, ary avy eo manerana an'i Rosia, mba hanehoana ampahibemaso ny “fanenenana” sy ny tahotr'ireo manao fihetsiketsehana. Toy izany koa ny paikady nampiharin’ny fitondran'i Lukashenka tao Belarosia taorian'ny nipoahan’ny fihetsiketsehana faobe tamin'ny fifidianana nahitana hosoka tamin'ny taona 2020

Araka ny notaterin’ny Meduza, nilaza ireo mpiaro an'i Nekoglai fa nampijaliana tany amin'ny toby fitazonana ilay bilaogera. Nanontany azy ny mpisolovava raha nanaovana herisetra ara-batana izy, namaly i Nekoglai, araka ny filazan'ny masoivohom-baovao Rosiana TASS, niaraka “tamin-dranomaso” hoe “tsia” ary nilaza hoe: “Tiako fotsiny ny androahana ahy faran’izay haingana, tsy mahandry aho, te hody aho. Tena menatra aho, tena nanenenako ny zava-drehetra.”

Hoy ny iray amin'ireo fanehoan-kevitra tamin’ny lahatsarin’i Nekoglai tao amin'ny TikTok, amin'ny teny romaniana: “Brat noi te așteptăm mai repede la Moldova ca aici contentul tau va fi mult mai interesant , tot va fi bine!” [Rahalahy, miandry anao any Moldavia haingana araka izay azo atao izahay, satria ho mahaliana kokoa ny votoatinao eto, mbola ho tsara izany!].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.