- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fifandirana vaovao eo amin'i Kôsôvô sy Serbia, resaka takelaka vaovao fahazoandàlana hitondra fiara, tsy nahomby ny fanelanelanan'ny Vondrona Eorôpeàna

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Kosovo, Serbia, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana

Fiara iray misy takelaka fahazoandàlana avy ao Kôsôvô. Sary an'i Andy Mabbett tao amin'ny  Wikimedia Commons [1], CC BY-SA 3.0 [2].

Mitohy ny fifandirana iray manodidina ny fanapahankevitra [3] noraisin'ny governemanta ao Kôsôvô handràra ireo takelaka fiara navoakan'ny Serba taoriana fifanasàna vangy naharitra ela.

Ny Alatsinainy 21 Novambra, tao Bruxelles, nisy fifampidinihana tsy nahitam-bokany teo amin'i Josep Borrel, solontena ambony avy amin'ny Vondrona Eorôpeàna, sy ny filoha serba, Aleksandar Vučić, ary ny praiminisitr'i Kôsôvô, Albin Kurti, izay ny tanjona tamin'izany dia ny hamahàna ny fifandirana efa hatry ny ela momba ireo takelaka fahazoandàlana mitondra fiara [4].

“Taorian'ny fifampiresahana naharitra ora maro… tsy nahita vahaolana nifanekena ny andaniny sy ny ankilany,” hoy i  [5]Borrell. Nambaran'ilay diplaomaty ambony avy amin'ny Vondrona Eorôpeàna fa nisy ny volavola natolotra afaka nisorohana ny “toedraharaha mandindona” misy amin'izao fotoana izao, izay neken'ny filoha Vučić, saingy, “indrisy, tsy nanao toy izany ny praiminisitra Kurti.”

Fanelanelanana diplaomatika eorôpeàna tsy nahavita namaha olana tamin'ny fifandirana mampididoza eo amin'i Serbia sy Kôsôvô momba ieo takelaka fahazoandàlana mitondra fiara, Bruxelles miampanga an'i Pristina ho fototry ny fampikatsoana https://t.co/CGBTblIyk0 [6]

Nolazain'i Borrell fa misy “hafatra pôlitika tena ratsy” alefan'ilay fandàvan'i Kôsôvô an'ilay volavola.

Kurti, kosa etsy ankilan'izay, nanome tsiny an'i [8] Borrell ho nifantoka fotsiny tamin'ny resaka takelaka fahazoandàlana mitondra fiara fa tsy ny famerenana tanteraka ho amin'ny laoniny [9] ny fifamatoran'i Belgrady sy Pristina. Ary nandà ireny fiampangana ireny i Vjosa Osmani, filohan'i Kôsôvô, tamin'ny filazàna hoe “ny zavatra hitantsika androany avy amin'Ing. Borrell dia fandraisana zotra samirery mibaribary, fitanilàna mankany amin'ny mpanao herisetra ary fanehoana amin'ny fomba mifanohitra tanteraka ny tena zavamisy.

Rehefa tsy nahavita nahita fifanekena tamin'i Kôsôvô dia nandefa lahatsary iray tao amin'ny Twitter ny filohan'i Serbia, Vučić, nilazàny fa “Ny fandriampahalenana, ny ain'ny olona ary ny fitoniana manerana ny faritra manontolo no tandrovanay.”

Vakin'ny bitsika: “Ny fandriampahalenana, ny ain'ny olona ary ny fitoniana manerana ny faritra manontolo no tandrovanay.
Lahatsary (Vučić no miteny): “Ireharehako ny hoe tonga tao Bruxelles ny solontena serba, niaraka tamin'ny fahavononana mazava tsara hifampiresaka sy hanao fifanarahana, hanaiky izay marimaritra hiraisana, ny tsy hanifikifi-doha ary hiezaka amin'ny fomba rehetra hitandro ny fandriampahalemana, ny ain'ny olona ary ny fitoniana manerana ny faritra manontolo. Tsy menatra amin'izany aho. Tamin'ny maha-tomponandraikitra sy tam-pisainana tsara no nanaovanay izany, satria tsy ao an-tsainay mihitsy ny hoe hisy reny, anabavy na vady maniry [hahita ny olon-tsy foiny] ho aterina anaty vatampaty. Noheverinay fa laharam-pahamehana ny manome izay rehetra anananay, hanekena ireo vahaolana marimaritra iraisana. Nomenay izay rehetra avy aminay, tamin'ny fotoana samihafa, tamin'ny fanekena ireo fangatahana vaovao hatrany. Afaka miresaka foana izahay, misokatra momba ireo olana rehetra, saingy ny tsy maintsy ataonay dia ny mampihatra izay efa nosoniavinay. Tsara kokoa ny mifampiresaka an-jato taona noho ny miaina fifandonana iray andro.”

Napetraky ny governemanta ao Pristina fa tsy manankery intsony ireo takelaka fahazoandàlana talohan'ny 1999 nisian'ny ady nitakiana fahaleovantenan'i [12]Kôsôvô tamin’i  Serbia. Ambarany fa ireo Serba miisa 50.000 any avaratr'i Kôsôvô [13], izay tsy mankato afa-tsy ireo andrim-panjakàna serba ao an-toerana, dia tsy maintsy mampiasa ny takelaka avoakan'i Kôsôvô manomboka izao.

Ny Talata 22 Novambra nanomboka tamin'ny 7 maraina, tsy maintsy nampandoa sazy ara-bola [14] 150 euros an'ireo mitondra takelaka nomen'i Serbia ny pôlisy tao Kôsôvô.

Saingy, tao anatin'ny fisafotofotoan-javatra, niditra an-tsehatra i Etazonia [15] ary nangataka hanemorana 48 ora ilay fampiharana, izay neken'i Albin Kurti, praiminisitr'i Kôsôvô.

Isaorako ny masoivoho Hovenier amin'ny fandavantenany sy ny firotsahany. Ekeko ny fangatahany hanemorana 48 ora ny fampiharana ny sazy ara-bola ho an'ireo takelaka fiara ‘KM’ tsy ara-dalàna (sy ny hafa). Faly aho miaraka miasa amin'i Etazonia sy ny Vondrona Eorôpeàna hitady vahaolana ato anatin'ny roa andro manaraka. https://t.co/iXq1SCM8JL [16]

Fa momba ny inona ilay olana e?

Loharanon'ny tsy fitovian-kevitra [18] efa nandritra ny fotoana vitsivitsy ny olan'ny takelaka fahazoandàlana mitondra fiara, teo amin'ireo Serba ao an-toerana ao Kôsôvô misafidy ny hampiasa ireo takelaka navoakan'i Belgrady, izay raisin'i Kôsôvô ho tsy ara-dalàna. Nandritra ny fahavaratra [19], efa im-betsaka nisy fipoahana niverimberina naterak'ilay fifandirana.

Efa tany amin'ny faramparan'ny andian-taona 1990 tany no nitranga ny fifanenjanana, ka taorian'izay i Kôsôvô no nanambara ny fahaleovantenany [20], tamin'ny 2008. Tsy ankatoavin'i Serbia ny fiandrianan'ilay faritany fahiny tao aminy. Tamin'ny alàlan'ny fifampiresahana teo ambany fiahian'ny Vondrona Eorôpeàna, efa niezaka nifampiraharaha i Pristina sy Belgrade momba ireo olana teknika, nanomboka tamin'ny 2011.

Tamin'ny volana Aogositra, namoaka fifanekena ny Vondrona Eorôpeàna mba hamelàna ny fivezivezena malalaka [21] eo anelanelan'i Kôsôvô sy Serbia, tao anatin'ny fikatsahana hanamaivana ny fifanenjanana taorian'ireo andiana trangana herisetra.  Nefa niharatsy ny toedraharaha. Tany am-piadohan'ity volana ity, nametra-pialàna [22] daholo ireo Serba Kôsôvô tsy ho amin'ny toerany maha-solombavambahoaka, ben'ny tanàna, tomponandraikitra ara-pitsaràna ary manambohinahitra tao amin'ny pôlisy, tao anatina hetsika iray voarindra hanoherana izao lazaina fa fanitsakitsahana ny fifanarahana nisy teo amin'i Serbia sy Kôsôvô tany Bruxelles.

‘Tsy maintsy sorohana ny fiakaran'ny maripàna’

Taorian'ilay fihaonana tao Bruxelles, nilaza i Borrell fa ho ampahafantariny ireo firenena mpikambana ao amin'ny Vondrona Eorôpeàna ny “tsy fisian'ny fanajàn'ireo firenena roa tonta ny andraikiny manoloana ny lalàna iraisampirenena” ary nampitandrina izy hoe, noho ny fanolorantenan-dry zareo niditra ho ao anatin'ny vondrona, dia tokony hifanaraka amin'izany koa ny fihetsiny. Nandeha nampahalàla ny lehiben'ny OTAN ihany koa izy, Jens Stoltenberg, momba ny tsy fahombiazan'ny fikatsahana fifanarahana teo amin'i Kôsôvô sy Serbia.

Niresaka fohy tamin'ny SG-n'ny @OTAN [23] @jensstoltenberg [24] momba ny vokatra nandiso fanantenana tamin'ilay dinika avo lenta teo ambany fiahian'ny Vondrona Eorôpeàna natao androany nampihaonana an'i Belgrady sy Pristina.

Tsy maintsy sorohana ny fiakaran'ny maripàna. Mifandrindra hatrany ny Vondrona Eorôpeàna sy ny OTAN, eny an-kianja koa. Manaraka akaiky ny @EULEXKosovo [25].

Manodidina ny 3.700 ireo andiana miaramilan'ny OTAN mpampandry tany miparitaka ao Kôsôvô — ny KFor force [27] — hisorohana ny mety ho fipoahana. Miantso ny hitadiavana vahaolana azo ampiharina kokoa i Stoltenberg raha ny OTAN kosa mailo mandrakariva.

Nifampiresaka tamin'i @JosepBorrellF [28]. Diso fanantenana izahay hoe tsy azo natao ny namaha ilay fifandirana nateraky ny olan'ny takelaka fahazoandàlana mitondra fiara. Fotoana izao hisian'ny fandraisana andraikitra & vahaolana azo tanterahana. Tsy maintsy sorohana ny fiakaran'ny maripàna. Mailo hatrany ny @NATO_KFOR [29].