MIVANTANA amin'ny 24 Novambra: Ny fandisoam-baovao sy ny sivana ao Rosia

 

Nasongadina hatramin'ny nanafihana an'i Okraina tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity ny fiantraikan'ny fanapariaham-baovao diso hatry ny ela izay nataon'i Rosia tao an-toerana sy tany amin'ny firenen-kafa.

Miaraha aminay mivantana ao amin’ny YouTube amin’ny 24 Novambra amin'ny 3 ora tolakandro ora GMT hihaino fifanakalozan-kevitra manavatsava ny fanamafisana haingana ny fironan'ny fitaovam-panivanana ao Rosia, ary ampiasainy hanenjehana ny olom-pireneny, sy ny fampiasàny ny vaovao diso na ao anatiny na any ivelany. Miompana amin'ny fikarohana nataon'ny Global Voices Advox Unfreedom Monitor ny adihevitra, tetikasam-pikarohana manara-maso ny trangan'ny fitondrana tsy refesi-mandidy nomerika manerana izao tontolo izao sy ny lahatenin'ny media manodidina azy ireo. Maimaim-poana ny fivoriana ary misokatra ho an'ny besinimaro. Misoratra anarana eto ambany mba hahazoana fampahatsiahivana momba ny hetsika:

Misorata anarana maimaimpoana ao amin'ny Eventbrite

Filip Noubel no mandrindra ny hetsika, tonian-dahatsoratra mpitantana ao amin’ny Global Voices, ary hanasongadina ireto mpandray fitenenana manaraka ireto:

Manantena izahay fa hiaraka aminay ianareo amin'ny alakamisy 24 Novambra amin'ny 3 ora tokanadro ora GMT (tsindrio eto raha hanova ny ora ho any amin'ny faritra misy anao).

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Trohy PDF ny dosie fampahafantarana.

Midira ao amin'ny tobin-drakitra azon'ny rehetra idirana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.