- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitaky fomba fandray tsaratsara kokoa atao an'ireo mpifindra monina sy olona LGBTQ+ ao Qatar ny ekipa Aostraliàna milalao amin'ny Fiadiana ny Amboara Erantany

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Oseania, Aostralia, Katara, Fahalalahàna miteny, Fanatanjahantena, Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifindràmonina, Mediam-bahoaka, Politika, Sendikà
Socceroos vs Bahrain. World Cup Qualifier in 2009. [1]

Socceroos vs Bahrain. Fifanintsanana hiady ny ho Tompondaka Erantany 2009. Sary [1] Flickr an'i Steve Baty. Attribution 2.0 Generic (CC BY 2.0) [2]

Ny ekipa mpilalao baolina kitra avy any Aostralia, Socceroos, dia namoaka [3] lahatsary mahery vaika maneho ny fitarainan'ireo mpiasa mpifindra monina sy LGBTQ+ ao Qatar, toerana mpampiantrano ny FIFA World Cup [4] 2022 (Fiadiana ny ho Tompondaka Baolina Kitra 2022).

Aostraliàna mpilalao fahiny sy amin'izao fotoana izao miisa 16 no asongadin'ilay lahatsary, nivoaka tamin'ny 27 Oktobra. Taorian'ny nivoahan'ilay lahatsary, ny Football Australia, rantsana mpitantana ny baolina kitra ao amin'ny firenena, ary ireo mpilalao matianina ao Aostralia, dia samy namoaka fanambaràna mitokana, manamafy ny hafatra avy amin'ireo mpilalaon'ny Socceroos.

Nolazain'ireo mpilalao tao anatin'ilay lahatsary fa vondrona isankarazany sy andrim-panjakana maromaro no nifandraisan-dry zareo mba hahafantarana misimisy kokoa momba ny toedraharahan'ireo mpiasa mpifindra monina ao Qatar.

Fantatray fa niteraka fijaliana sy fahavoazana ho an'ireo mpiara-miasa tsy tambo ho isaina ilay fanapahankevitra hampiantrano ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany Baolika Kitra ao Qatar.

Tsy tarehimarika fotsiny akory ireny mpiasa mpifindra monina ireny – toy ireo mpifindra monina nandrafitra ny firenentsika sy ny baolina kitrantsika. Nananan'izy ireny ny fahasahiana mitovy, ny fahavononna mitovy ho entina manorina fiainana iray vaovao tsaratsara kokoa.

Afaka jerena ao anatin'ity bitsika Twitter ity ilay lahatsary manontolo:

Hafatra iray avy amin'ireo Socceroos pic.twitter.com/Sd2R6ej8kK [5]

Misy ireo tatitra [7] momba ny fahamaroan'ny fahafatesan'ireo mpiasa mpifindra monina nanorina ireo toerana hilalaovana ny Fiadiana izay ho Tompondaka Erantany ireny, sy ireo fotodrafitrasa hafa taorian'ny nahazoan'i Qatar ny zo handray ireo lalao. Nasehon'ireo tatitra ihany koa ireo fepetra tsy ara-dalàna iasàna sy ireo fomba fanao feno fanararaotana amin'ny asa, izay vao mainka nahamafy ny hirifirin'ireo mpiasa mpifindra monina.

Ankoatra ny fiarovana ny zon'ireo mpiasa, notenenin'ireo Socceroos ihany koa ny fanoherana ireo politikam-panavakavahana ataon'i Qatar amin'ny vondrom-piarahamonin'ireo LGBTQ+. Nandefa antso manokana mihitsy zareo ho an'ireo manampahefana ao Qatar :

Tsy  maintsy  tafiditra ao anatin'io ny fametrahana ivontoerana ho loharano ho an'ireo mpifindra monina, fanàfana mahomby ho an'ireo noverezin-jo,  ary ny fanesorana tsy ho heloka bevava ny fiarahan'ny olona mitovy fananahana. Ireo no zo fototra tokony ho azon'ny rehetra ary hiantoka ny fitohizan'ny fandrosoana ao Qatar … [ary] lova iray mbola mandeha lavitra noho izay feona kiririoka farany amin'ny FIFA World Cup 2022.

Football Australia nizara ny fahitan'ireo mpilalao [8] ny momba ireo fanavaozana vao haingana nataon'i Qatar, nefa koa nahamarika fanaovana fanararaotana nozakain'ireo fianakaviana mpifindra monina sy ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ .

Ankasitranay ny fivoarana hita mivaingana tamin'ny fanavaozana ny lalàna nisy tao Qatar tato anatin'ny taona vitsy farany ho entina manaiky sy miaro ny zon'ireo mpiasa, ary amporisihanay ny ankolafy rehetra mpifanome tànana mba hanohy an'izay làlana mankany amin'ny fanavaozana izay.

Na izany aza, fantatray ihany koa fa ilay lalao dia nifamatotra tamin'ny fijaliana nanjo irao mpiasa sasany sy ny fianakavian'izy ireny.

Amin'ny maha-fanatanjahantena ahitàna kolontsaina marolafy azy, mifangaroharo sy mampiaty ao amin'ny firenenay, mino izahay fa ny olona tsirairay dia tokony hahatsapa ho voaaro sy miavaka amin'ny maha-izy azy. Sady ankasitrahanay ny lentan'ny fiarovana avo indrindra atolotry ny Mpanjaka Amir ao Qatar sy ny  filohan'ny FIFA hoe ho voaray soa aman-tsara ireo LGBTQ+ mpankafy rehefa tonga ao Qatar, no antenainay koa fa hitohy ivelan'ny fifaninanana io fisokafana io.

Kate Gill sy Beau Busch, tale jeneraly mpiara-miasa ao amin'ny  Professional Footballers Australia,  dia niaiky ny fahasahian'ireo mpilalao [9] tamin'ny namoahana ilay lahatsary:

Androany, niteny ireo mpilalao momba izay fantany sy izay tsapan-dry zareo ho ilaina hamelàna lova tsara.

Hain'izy ireo hoe soatoavina toy ny ahoana no mamaritra ny fanatanjahantena ataontsika rehefa tonga amin'ny fahatsaràny, ary fantatr'izy ireo fa tokony ho miabo manerana izao tontolo izao ny fiantraikan'ny baolina kitra amin'ny olona.

Hain-dry zareo ihany koa fa rehefa tsy eo ireo soatoavina ireo, na raha nitera-pahavoazana ny baolina kitra, dia manana sehatra hijoroany ry zareo.

Eken'ireo mpilalao fa mety tsy malaza / hiraisany amin'izao tontolo izao ny fomba fijerin-dry zareo.

Ny sasany mety hino fa tsy lasa lavitra ry zareo, raha ny hafa indray hiantso azy ireo tsy hijery afa-tsy ny baolika kitra sy hijanona ivelan'ny pôlitika, na dia olan'ny zon'olombelona aza ilay resahana.

Milaza zavatra maro momba ny fahasahian'ireo mpilalao io fifanenjanana io, ary koa momba ny endriky ny tontolo izay vao mainka misamantsamaka.

BBC nitatitra [10] hoe ny hetsika nataon'ireo Socceroos “dia iray amin'ireo fihetsiketsehana faran'izay voamarika indrindra tamin'ny kiana nataon'ireo ekipa mandray anjara amin'ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany.”

 Nohamafisin'ny [11] Human Rights Watch ny fahamarinan'ireny fanambaràna avy amin'ireo Socceroos ireny:

Tena voalanjalanjan'ireo mpilalao tsara tokoa ny toedraharaha misy ao Qatar, toerana nampidirana fanaovaona goavana saingy mila fampiharana tsaratsara kokoa

Tsy mbola nisy toa azy, ohatra goavana tamin'ny hetsika firaisankina sy feno fahasahiana no nomen'ireo Aostraliàna mpilalao amin'izao fotoana izao sy fahiny. Tokony hanisy tohiny ny FIFA amin'ny fanambaràna fa hitsabo ireo fanararaotana izay sady izy no namela azy hisy, no  izy no hahazo tombony avy amin'izany.

Ho setrin'ilay lahatsary novokarin'ny ekipa baolina kitra aostraliàna, nolazain'ireo mpikarakaraka ny Fiadiana ny ho Tompondaka Erantany ao Qatar fa mila fotoana ny ho fiantraikan'ireny fanavaozana ireny alohan'ny hahatsapàna azy. Ny mpitondratenin'ny Kaomity Ambony misahana ny Fitaterana sy ny Lova nilaza tamin'ny media hoe [12]:

Matetika no mila fotoana vao mahazo ny toerany ireo lalàna vaovao sy ny fanavaozana, ary ny fampiharana matanjaka ireo lalàna momba ny asa dia fanamby erantany, isan'izany i Aostralia

Tsy misy firenena tonga lafatra ary ny firenena tsirairay – mpampiantrano hetsika goavana na tsia  – dia manana ny fanamby atrehany.

Ny 20 Novambra ny FIFA World Cup 2022 no nisokatra. Ny 23 Novambra no lalao voalohany voalahatra ho an-dry zareo Socceroos.