Mitodika any amin'ny Twitter hiresaka Elon Musk amin'ny meme ny Okrainiana sy ny Rosiana, saingy tsy amin'ilay mampihomehy intsony

Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube NewsCom.au  mampiseho ny fomba fitantarana an'i Elon Musk ao anaty tabilao lehibe mankalaza ireo olo-malaza vahiny izay nanampy an'i Okraina nandritra ny ady. Fampiasana ara-drariny.

Tsy ireo mpihaino tandrefana fotsiny ihany, fa ao koa ireo Rosiana sy Okrainiana mpikirakira Twitter, tezitra tamin'i Elon Musk, mpandraharaha mpanefoefo, noho ny tolo-kevitra nataony ho an'i Ukraine (sy i Taiwan taty aoriana) mihantsy amin'ny fifanarahana fandriampahalemana.

Tsy zava-baovao tao amin'ny Twitter miteny Rosiana ny meme (sary sy soratra) atao amin'i Elon Musk: mahazatra an-dry zareo ny maneso ireo “famoronana” mampihomehy azy ireo. ” Ohatra, ity sioka nilaza hoe: “Feno ahitra vao notapahana ny lavadavaka amin'ny araben'ny tanànan'i Kaluga. Ahoana no itiavanao izany ry Elon Musk? “

Na izany aza, niteraka andian-tsikera marobe tany Andrefana, sy tao amin'ny Twitter miteny Rosiana koa ny sioka izay nanoloran'i Musk ny tolokeviny manokana momba ny fifanarahana fandriampahalemana Okraina-Rosia; Ny Kremlin irery ihany no niavaka nitehaka an'i Musk.

Mitsikera an'i Elon Musk ireo memes [sary-sy-soratra] vaovao

Mitsikera tanteraka ny fanambaràn'i Musk ny ankabeazan'ny fanehoan-kevitra, na avy amin'ny Okrainiana na avy amin'ny Rosiana izay manohitra an'i Potinina. Ohatra, mikasika ny fanetsehana (vata-miaramila) Rosiana, mpisera iray nisioka sary iray milaza hoe “Any Saint-Pétersbourg, miandry ireo mitsidika hopitaly ny antso hiantafika,” ary nanontaniany hoe “Ahoana no itiavanao izany [famoronana izany] ry  Elon Musk?”

Manondro fanivanana lahatsary amin'ny takelaby goavana ao Odesa ity Okrainiana mpikirakira Twitter ity :

“Manaisotra ny sarin'i Elon Musk amin'ny takelaby ry zareo any Odesa. Napetraka teo io taloha noho ny fankasitrahan'ny Okrainiana ny fanohanany. Fampahatsiahivana: teo aloha i Elon Musk nanolo-kevitra ny hanomezana an'i Rosia an'i Krimea sy hanaovana “fitsapa-kevi-bahoaka” eo ambany fanaraha-mason'ny solontenan'ny Firenena Mikambana.”

Manolo-kevitra i Miсhael Nacke, Rosiana iray mpikambana ao amin'ny fanoherana, izay mitantana ny fantsona YouTube azy manokana anoherana ny ady ary manana mpanjohy maherin'ny 700.000 fa mety novidin'i Musk ny fitantaran'i Potinina momba ny ady:

“Noho izany, nihaino ny hadalàna nolazain'i Potinina i Musk, izay nataon'i Vladimir Soloviev, mpanolotra fandaharana amin'ny fahitalavitra Rosiana propagandy mandritra ny fotoana rehetra. Ary nino izany avy hatrany izy. Ary efa 23 taona mahery no nihainoan'ny Rosiana izany hadalana (taimboraka) izany.”

Miombon-kevitra aminy ny mpisera hafa ary mivazivazy fa toa manana kaonty ao amin'ny Twitter ankehitriny i Potinina (izay fantatra amin'ny fankahalany ny aterineto sy media sosialy).

“Nanokatra kaonty Twitter i Potinina, saingy tantanin'i Elon Musk izany.”

Mpisera maro no diso fanantenana tanteraka tamin'i Musk.

“Elon Musk. Nantenaina: manavatsava ny habakabaka, olona any amin'ny (planeta) Marsa, toby Marsianina. Ny tonga: Famoahan-taimboraka Pro-Kremlin ao amin'ny Twitter”

Ny hafa kosa manolo-kevitra maneso hoe: “Aza averina zaraina ity sary ity azafady. Halan'i Elon Musk ity!”

Matetika manana fidobo-peo matroka kokoa ny kaonty Okrainiana rehefa manondro an'i Musk, manatsingerina ireo famantarana mahatsikaiky teo aloha: ” Ahoana no itiavanao izao ry Elon Musk?” Nampihomehy taloha ity meme Twitter ity, izay maneho ireo seho mampahory avy amin'ny firenena rotiky ny ady.

Ahoana no itiavanao izao ry Elon Musk?”

Mamintina izany ilay mpisera nandefa indray ny lahatsary avy amin'ny TikTok, tao amin'ny iray amin'ireo fialofana ambany tany izay niarahan'ny ankizy niafina tao nandihy sy nihira tamin'ny mpampianatra azy ireo: “Ahoana no itiavanao izao ry Elon Musk? Tsy mety vaky ny Okrainiana!”

Mpisera iray ihany koa nampiasa indray ny meme an'i Musk taloha mba handrantiana an'ity: “Miangavy mba hisy olona hilaza amin'i Elon Musk fa efa vita fanolorana ny loka Nobel tamin'ity taona ity. Mila miandry izy mandra-pahatongan'ny volana Marsa ho avy indray”, rehefa nivoaka ny vaovao fa nanolotra fifanarahana tamin'i Taiwan ihany koa i Musk. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.