- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Valo volan'ny ‘hosoka’ sy ny ‘fanalàm-baràka’: Ny fomba fampiharana ety an-tambajotra ilay lalàna vaovaon'i Kremlin manenjika ireo mpanohitra tsy manaiky ny ady

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava, Russia invades Ukraine, Unfreedom Monitor

Sary an'i Marco Verch [1] tao amin'ny Flickr. Nampiasàna ny lisansa CC BY 2.0 [2]

Hatramin'ny nihamafisan'ny fananihambohitra tao Okraina dia niharan'ny famoretana tena niavaka ny fahalalahana maneho hevitra ao Rosia. Miely patrana ny fitsirihana sy ny sivana atao amin'ny vahoaka ary ny media. Mandeha ho azy ny fiampangàna ho heloka bevava ireo fanambaràna momba ny tafika rosiàna ka mifanohitra amin'ny fijerin'ireo masoivohom-panjakana. Tao anatin'ireo valo volana [3] nisian'ny ady, nampiasaina ireo fanambaràna manohitra ny ady mba ho antony mavesatra nanenjehana olona 331 tany amin'ny faritra 64 ho nanao heloka bevava.

Ny media sôsialy dia nanome fitaovana misimisy kokoa ho an'ny pôlisy sy ireo sampandraharaha manokana mba hitadiavana sy hanaporofoana ireo heloka bevava noho ny fanehoankevitra, [4]sy hanaparitahana ny vaovao momba ireo fisamborana. Ny antoko eo amin'ny fitondrana aza dia nametraka mihitsy boto (bot) [5] ao amin'ilay tolotra fandefasana hafatry ny Telegram handrisihana ny vahoaka hiaraka amin'ny governemanta hiady ny “adin'ny fanapariaham-baovao”. Ireny tetika ireny dia mandray anjara amin'ny fametrahana fitondrana iray toy ny mpitsikilo mampanjaka ny tahotra sy ny fanivanan-tena.

Fanafainganana ny famoretana

Tsy zava-baovao ao Rosia ny sivana sy ny famoretana ara-pôlitika, fa tamin'ny 2022, tonga amina haavo vaovao izy ireny. Mifanindran-dàlana amin'ireo fitaovana nomerika vaovao, ny lalàna vaovao dia ahafahan'ny fanjakana manafaingana sy manome endrika indostrialy ny famoretana ireo mpanohitra.

Andro iray ihany, nambaran'i Vladimir Poutine ny fananiham-bohitra natao tao Okraina,  ary Roskomnadzor nanambara [6] fa, fony izy nanao tatitra momba ilay ady, ny media dia tsy tokony hiantso azy io afa-tsy amin'ny teny hoe “hetsika manokana ara-tafika” ary tsy maka afa-tsy ny loharano ôfisialy avy amin'ny governemanta. Tao anatin'ny andro roa, Roskomnadzorv dia nanomboka nanivana ireo [7] ranty momba ny ady ary, tamin'ny Oktôbra, nibahana tranonkala mihoatra ny 8.000 [8] tao Rosia.

Tao anatin'ny herinandro iray, nandany fanitsiana maromaro ny parlemanta, [9] ho an'ireo fanitsakitsahana ny lalàm-pitantanana sy ny Lalàna momba ny Ady Heloka izay niditra hanan-kery ny androtr'iny ihany. Ny toko faha-207.3 amin'ny Lalàna momba ny Heloka Bevava dia nahakasika ny “fanelezana ho an'ny daholobe ireo vaovao efa fantatra fa ‘diso’ momba ny fampiasana ny tafiky ny Federasiôna Rosiàna.” Ny sazy ho an'ny fanelezana “fakom-baovao” dia miainga avy amin'ny 1,5 tapitrisa RUB ka hatramin'ny 15 taona am-ponja. Ny heloka vaovao dia ny “fanalàna baràka ny tafika rosiàna.” Ny voalohany indrindra nisiana “mpanala baràka” nahazo sazy ara-pitantanana (30.000 RUB –50.000, eo amin'ny 480–800 dôlara amerikàna eo, araka ny toko faha-20.3.3 amin'ny Fanitsakitsahana ny lalàm-pitantanana), raha ny heloka faharoa indray izay manondro ny olona iray ho nanao heloka bevava (tafakatra hatramin'ny dimy taona an-tranomaizina araka ny toko faha-280.3 amin'ny Lalàna momba ny Heloka Bevava).

Araka ny voalazan'ny OVD-Info [10], tamin'ny  Oktôbra, nisy 107 ireo raharaha mahakasika heloka bevava no nosokafana araka ilay toko momba ny “fakom-baovao”, ary 4.777 ireo raharaha ara-pitantanana nosokafana araka ireo toko miresaka “fanalàna baràka”, ny betsaka [11] tamin'ireny dia mahakasika ireo hetsika tanaty media sôsialy. Tafiditra anatin'ny hoe hetsika media sôsialy ny ranty, ny fanehoankevitra, ny fametahana emoji [12], ny hafatra anaty vondrona karajia, ny lahatsary YouTube; misy tranga iray ihany koa niainga avy amin'ireo antso manokana an-telefaona [13].

Ireo olona fanta-bahoaka — mpanao gazety, mpikatroka sivily, pôlitisiàna ary bilaogera — no toa tena mora iantefàn'ny fiampangàna amina raharaha heloka bevava [14]. Ny fisamborana niavaka indrindra hatreto dia nitranga tamin'ny 12 Jolay: ny an'i Ilia Yashin, lefitry ny ben'ny tanàna, voaheloka ho “nanely vaovao diso” tamin'ny alàlan'ny lahatsary YouTube iray. Pôlitisiàna mpanohitra hatramin'ny 2000 no sady olona akaiky an'i Navalny sy Nemstov, Yashin dia nilàm-baniny hatrany nandritra ny fotoana rehetra niasàny [15]. Ho an'ny olona tahaka azy, misy fomba fiteny iray fony faha-sôvietika hoe: “Tadiavo ilay olona, dia izaho no hisolo anao hitady ny helony,” midika fa rehefa te-hampiditra olona any am-ponja ny fanjakana, tsy afaka hisakana azy ny lalàna. Raha mbola ao an-tsaina foana ny halehiben'ny taolana nofinidin'i Poutine ho an'i Yashin, miteny ho azy ny zavamisy hoe ny fiampangana voalohany azy ho nanao heloka bevava dia araka ilay toko miresaka ny “fakom-baovao”. Mbola am-periny ny raharahan'i Yashin, nefa lefitra iray hafa, Aleksey Gorinov [16], no voampanga hifonja fito taona noho ny nitenenany hoe “ady” fa tsy “hetsika manokana” nandritra ny fivoriana iray.

Ity lalàna ity dia tena manamaivana be mihitsy ny vesatr'ireo dingana ara-dalàna tsy maintsy ataon'ny pôlisy sy ny mpampanoa lalàna mba hamoronana sarintsarina rafi-pitsaràna miasa ary, araka izany, hanafainganana ny dingan'ny famoretana. Hita amin'ireo sehatra eo an-toerana ihany koa izany. Ivelan'i Maosko sy St. Petersburg, efa mahazatra ny olona ny fanerena handoa lamandy sy hizaka ireo sazin-keloka maivamaivana kokoa. Mpikatroka sivily sy mpanao gazety tsy dia be mpanaraka loatra ny ankamaroan'ireo voampanga, izay efa tafiditra tao anatin'ny radar-n'ny mpitondra.

Ohatra, Yevgeniy Fokin [17] avy ao Novosibirsk dia mpikatroka an-tanandehibe. Vao 17 taona monja izy fony nampangaina ho nandefa hafatra iray tao amin'ny karajian'ny Telegram “Coalition Novosibirsk 2020″ izay manana mpanjohy miisa 2.880. Hita tao anatin'ilay hafatra [11]ny famoahana lahatsoratra iray izay notanisain'ny lehiben'ny fitantanan-draharaha ao amin'ny lapam-panjakana okrainiàna, nilaza fa nobodoin'ireo Kadyrovita daholo ireo toby nokleary rehetra ao Okraina. “Enga anie ka ho mandainga izy,” hoy ny nampian'i Yevgeniy tao anatin'ny maribolana, “Ity angamba no mety ho vaovao ratsy indrindra ho an'ny taonjato faha-21.” Tao anatin'ny antsafany [17]taty aoriana kely, Yevgeniy nanontany tena hoe: “Tao anatin'ny fanehoankevitro voalohany, raha ny marina dia nametraka fisalasalàna momba ny fahamarinan'ilay vaovao aho. Ary dia  ‘efa fantatra fa diso’ hoy ry zareo.”  Sergey Nosov [18] avy ao amin'ny vohitr'i Baklanovo ao amin'ny faritra Oryol dia nampangaina ho nandefa hafatra momba ny fandripahana tao Bucha sy Irpen tao amin'ny fantsona Telegram “The Nosov List” manana mpanjohy miisa 352. Tamin'ny 2021, Aleksey Argunov [12], mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo ao Barnaul, nangataka tamin'ireo mpianany mba hanasonia ny fanangonantsonia iray manohitra ny Masoivoho Federaly Fanarahamaso ny Fampianarana sy ny Siansa. Mino izy fa io no antony aty amin'ny 2022, mety itakiana aminy lamandy 30.000 RUB, noho ny nandefasany ‘emoji” malahelo sy ‘Tia’ teo ambanin'ny lahatsoratr'olon-kafa iray tsy mankasitraka ny ady.

Misy tranga vitsivitsy nosokafana hitoriana olontsotra tsy mbola nahenoana tantara tamin'ny resaka fikatrohana sôsialy. Anatin'ireny ny stoker [19], olona iray mpandrafitra rindrambaiko [20], mpamily [13]arkeôlôjista [21], ary mpihady tany [22].

Fombafomban'ny henatra sy fandrahonana

Ny 28 Jona, namoaka lahatsary [23] iray ny pôlisy ao St. Petersburg, nahitàna manamboninahitra telo avy amin'ny Hery Mpanao Vonjy Taitra, nirongo ny fitaovany rehetra ary nanongotra varavaram-by iray hiala tamin'ny rindrina. Nirohotra niditra izy ireo sady nihiaka ny: “Amin'ny tany!” dia hitantsika lehilahy iray efa nahazohazo taona, nitafy tapaka, mihohoka amin'ny tany ary taty aoriana kely dia niala tsiny teo anolooan'ny fakantsary. Oleg Belousov [22] io, izay miara-mipetraka amin'ny zanakalahiny efa lehibe — samy manana fahasembanana izy mianaka. Naneho ny fomba fijeriny manohitra ny ady izy tao anaty vondrona iray natao ho an'ny daholobe “Mpihady tany ao St. Pete”, tao amin'ny tambajotra sôsialy VK.com, ary nitory azy tany amin'ny pôlisy ny olona iray mpankafy fangadiana.

Tsy zava-baovao ao Rosia ny ampahana lahatsarin'ny pôlisy tahaka io iray io. Kanefa, amin'ny ankapobeny dia tsy avoaka na aboraka ny lahatsary tahaka ireny raha tsy amin'ireo tranga tena malaza be toy ny asa fampihorohoroana. Tato ho ato, lasa tranga mahazatra ny fanehoana fampiasana hery tafahoatra mandritra ireo fisamborana noho ny hadisoana tamin'ny fanehoankevitra.

Ary raha ny momba ny pôlisy mandefa lahatsary fialana tsiny [24] ao amin'ny aterineto, ao Rosia, dia tany Tsetsenia tamin'ny 2015 izay fomba izay no nanomboka (noho ny fanakianana ny governemanta sy ny “lesoka tamin'ny voninahitra”). Tamin'ny 2020, nankatoavin'ireo manampahefana mpampihatra lalàna nanerana ny firenena izy io, indrindra fa hanoherana ny “fanelezana zavatra diso” momba ny  coronavirus. Nanomboka tamin'ny 2021, marobe ireo lahatsary fibabohana nataon'ireo mpikambana tsotra avy amina antoko ampanohitra — ary ankehitriny dia ireo tsy mitovy hevitra. Azo antoka tsara ny hisainana hoe ny ankamaroan'ireny lahatsary ireny dia noraketina tamin'ny alàlan'ny fanerena.

Ho an'ilay antrôpôlôjista, Aleksandra Arkhipova [24], mety hanala baràka ny mpanohitra ny lahatsary tahaka ireny. Toy ny hoe malemy, afa-baraka ary mivaralila no anehoan-dry zareo ireo mpanao fihetsiketsehana, ka mahatonga ny fanohanana azy ireo ho sarotra ara-pihetsehampo.

Ho ana hetsika mpanohitra ady ao anatin'ny firenena iray toa an'i Rosia — lehibe sy midadasika mameno halavirana lavitra — tena zavadehibe ny fifandraisana nomerika. Raha jerena ny haavo ben'ny fanivànana media, ny aterineto no hany habaka hidirana hakàna vaovao isankarazany tsy voasivan'ny fanjakana. Mandritra izany fotoana izany koa, ny herisetran'ny pôlisy ataony amin'ireo mpanao hetsika an-dalambe dia toy ny manome sarisary hoe azo antoka kokoa ny habaka nomerika mba hanehoana ny hevitry ny tena, raha oharina amin'ny eny ivelan'ny tambajotra, fomba fijery iray izay tsy mitsahatra notoherina nandritra ny roa taona farany. Araka izany, raha henjehin'ny pôlisy ny vahoaka noho ny fomba fijerin-dry zareo ambara eny anatin'ireo habaka an-tserasera toa manokana sy azo antoka, no sady manao filazana an'ireo fisamborana arahana herisetra tsy mifandanja, izany dia manome toerana bebe kokoa ho an'ny tahotra sy ny fanivanan-tena eny anivon'ny mpanohitra.

Azafady, mba hahazoanao tantara misimisy kokoa, tsidiho ny pejin'ny tetikasa Unfreedom Monitor [25].