- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiainana, nitsahatra: Aina nafoy tamin'ny fanoherana tao Belarosia

Sokajy: Belarosia, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Mpitsoa-ponenana, Zon'olombelona, Russia invades Ukraine

 

Nataon'ny GV niaraka tamin'ny openai.com [1]

Mpikatroka sy mpampianatra sekoly ambony [2] miasa ao anatiny sy ivelan'i Belarosia [3] no miezaka [4] ny misarika ny fifantohana iraisampirenena [5] amin'ny fanoheran'ny vahoaka na io amin'ny didy jadona henjana indrindra any Eoropa, na koa amin'ny fananiham-bohitra ataon’ny Rosiana amin'i Okraina sy ny fampiasany an’i Belarosia ho mpiara-dia aminy [6]. Voalaza tokoa mantsy fa nisy mpikatroka Belarosiana sasany nanapoaka lalamby [7] mba hisakanana ireo fiara mifono vy sy fitaovana rosiana tsy ho tonga any Okraina, kanefa, rehefa tratra izy ireo dia miatrika ny fanamelohana ho faty [8] any Belarosia.

Tamin'ny 1 Novambra 2022,  namoaka [9] lohahevitra iray tao amin'ny Twitter i Hanna Liubakova, [10] Belarosiana mpikambana ao amin'ny Atlantic Council [11], mpanao gazety sady mpampiofana media, momba ny tranga farany sady nanafintohina indrindra mikasika ireo gadra politika ao Belarosia. Mampahatsiahy izy fa tsy nitsahatra ny fanoherana, ary  manohitra ny fanafihan'i Rosia an'i Okraina araka izay tratrany ny Belarosiana. Miatrika sazy an-tranomaizina maharitra [12] na fanamelohana ho faty mihitsy aza ireo olona be herimpo ireo noho ny herimpony. Ity ny tohinkevitr’i Liubakova:

Andeha hojerentsika ny zava-misy.

🔹Mpikatroka teny amin'ny lalamby voatifitra teo amin'ny lohaliny i Vital Melnik. Ankehitriny, voampanga ho nanao fampihorohoroana, nanompa an'i Lukashenka, ary tamin’ny fahazoana fitaovam-piadiana tsy ara-dalàna izy. Natolotra ny fitsarana ny raharaha. Mety ho tonga hatramin’ny fanamelohana ho faty ny fampihorohoroana ao Belarosia pic.twitter.com/pDKMl55znV [13]

🔹Amin'izao fotoana izao, telo lahy no tsaraina ao amin'ny fitsarana Homiel, voampanga ho nanao fampihorohoroana, ho namadika, ho nandray anjara tamina fiofanana mahery fihetsika. Noho ny fandoroana ny fampitaovana herinaratra tao amin’ny lalamby ny anton’ny fisamborana. Nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny komity mpanao famotorana fa mety ho voaheloka ho faty izy ireo pic.twitter.com/63VyZyxykn [14]

🔹 Voaheloka higadra 11 taona an-tranomaizina i Siarhei Hlebka avy ao Stoupcy. Araka ny voalazan'ny fitondrana, ny 2 martsa, nodorany ny vatan-kazo teo amin'ny lalamby mba hisorohana ny fivezivezen'ny fitaovam-piadiana Rosiana. Nandritra ny fihazonana azy, voadaroka mafy izy. pic.twitter.com/M1EcyfjRjE [16]

🔹Nahazo sazy an-tranomaizina 6 taona sy tapany​​ an-tranomaizina i Danuta Piarednia, mpianatra, noho ny famerenana lahatsoratra iray nanakiana an'i Putin sy Lukashenka ary ny ady any #Okraina [18]. Nianatra filôlôjia Romano-Alemà tao Mahiliou i Danuta. Voampanga ho nanohintohina ny fiarovam-pirenena ao Belarosia izy pic.twitter.com/eIXobYgtQe [19]

Mampatsiahy ireo tranga ireo fa velona ary mitohy ny fanoheran’ny Belarosiana ny governemantany sy ny ady ao Okraina. Nampivily ny saina tany Belarosia tokoa ny fifantohana amin'i Okraina ny tranga sasany, araka ny nolazain'i Almut Rochowanski, manampahaizana momba ny fiarahamonim-pirenena taorian'ny vanim-potoana Sovietika, tamin'ny Global Voices tamin'ny antsafa iray:

For my Belarus contacts, as far as they're concerned, their uprising is still ongoing, their revolution is still ongoing. Lukashenka is an illegitimate president for them. But then I recently attended a session with European foreign policy experts. And the way they see it, the uprising is over, and it failed.

Ho an'ireo ifandraisako any Belarosia, raha ny momba azy ireo, mbola mitohy ny fikomian'izy ireo, mbola mitohy ny revolisiona ataon'izy ireo. Filoha tsy ara-dalàna ho azy ireo i Lukashenka. Saingy vao haingana aho no nanatrika fivoriana niaraka tamin'ireo manampahaizana momba ny politika ivelany Eoropeana. Ary araka ny fahitan'izy ireo izany, dia tapitra ny fikomiana, ary tsy nahomby izany.

Misy ihany koa ny tranga momba ny  fanavakavahana [21] atao amin’ny Belarosiana noho ny zom-pireneny sy ny fiheverana fa mety hanohana an'i Lukashenka na ny ady ao Okraina izy ireo. Saingy ny tantara nofaritan'i Liubakova dia mampiseho ny herimpon'ireo mpikatroka sy olon-tsotra izay mbola manohitra ny fitondran'i Lukashenka [22] any Belarosia. Mitohy isan’andro ny famoretana ary tsy tokony hanadino azy ireo izao tontolo izao.