Moa ve mahasakana ny tondra-drano any Bangladesh ny ‘Milin-dranon'i Bengal'?

 

Farmers irrigate their land pumping groundwater in Bangladesh. Image via Flickr by Ranak Martin/International Maize and Wheat Improvement Center (CIMMYT). CC BY-NC-SA 2.0.

Mitarika rano hanondrahana ny taniny amin'ny alalan'ny fitrohan-drano ambanin'ny tany ny tantsaha ao Bangladesh. Sary tao amin'ny Flickr avy amin'i Ranak Martin/Ivom-panatsarana ny katsaka sy varimbazaha iraisam-pirenena (CIMMYT). CC BY-NC-SA 2.0.

Amin'ny maha-firenena be renirano azy, iharan'ny tondra-drano isan-taona i Bangladesh, ary anaty rano mandritra ny vanim-potoan'ny orana ny faritra maro ao amin'ny firenena. Niteraka rotsak'orana be loatra tany amin'ny faritra Azia Atsimo  ny vokatry ny tranga ara-toetrandro mitohy amin'izao fotoana La Niña ary tafiditra ao i Bangladesh. Tamin'ny tapaky ny taona 2022, nahatondraka distrika miisa telo ny tondradrano tselatra tao Bangladesh  noho ny firotsahan'ny orana mbola tsy nisy ohatra izany tany amin'ireo fanjakan’ny sisintany Indiana any Meghalaya sy Assam, izay nahavoakasika olona miisa 4 tapitrisa.

Nampiseho ny fanadihadiana vao haingana tao amin'ny gazety Science nataon'ny vondrona mpikaroka avy ao amin'ny Kolejy Oniversiteran'i Londres, ny Oniversite ao Dhaka, ary ny Oniversiten'ny Injeniôrà sy ny Teknolojia ao Bangladesh mbamin'ny hafa fa afaka hitahirizana ny ranon’orana tafahoatra amin’ny vanim-potoanan'ny orana manaraka ny fitarihana rano ambanin'ny tany hanondrahana ny tany fambolena ao Bangladesh. Manambara ny fikarohana, mitondra ny lohateny hoe “Ny Milin-dranon'i Bengal” fa tantsaha madinika an-tapitrisany no mitarika rano ho an’ny tanimbary mandritra ny vanim-potoana maina, misinton-drano avy any ambanin'ny tany, mampihena ny haavon'ny rano any ambanin’ny tany, izay, raha mandaitra tsara, dia mampitombo ny famenoana rano any ambanin’ny tany mandritra ny vanim-potoanan'ny fahavaratra manaraka ary manampy amin'ny fampihenana ny tondra-drano.

Nisioka ny Science Magazine hoe:

Vaovao amin'ny Siansa: Mameno ny tahirin-drano ambanin’ny tany ao amin’ny tahirin-dranon’i Bengal any Bangladesh ny rotsak'orana amin'ny vanim-potoanan'ny fahavaratra noho ny fomba fanao amin’ny fitarihan-drano any amin’ny faritra izay toa mifanohitra amin'ny vanim-potoana maina.

Nampiasaina tamin’ny fikarohana ny fandrefesana rano ambanin'ny tany an-tapitrisany teo anelanelan'ny taona 1988 sy 2018 tany amin'ny toerana miisa 465 manerana an'i Bangladesh nanombantombanana ny habetsahan'ny rano ambanin'ny tany nosintonin’ny tantsaha maherin'ny 16 tapitrisa tamin'ny fampiasana paompy mandeha amin’ny herinaratra sy solika maherin'ny 1 tapitrisa. Ary tsy mitovy ny tahan'ny fihenan’ny rano – niforona nandritra ny vanim-potoanan'ny fahavaratra ny rano ambanin'ny tany sasany ary tsy izany ny sasany. Na izany aza, nahafahana namenoana rano mihoatra ny 75.700 miliara litatra tao anatin’ny 30 taona farany io tahala io.

Araka an'i Mohammad Shamsudduha, manam-pahaizana momba ny siansan’ny tany sady mpikambana ao amin'ilay fanadihadiana, tsy nahafantatra momba izany ny tantsaha ka “tsy nisy nihevitra ny hitrangan'izany.”

Mihevitra i Aditi Mukherji, mpitarika ny fikarohana ao amin'ny Ivontoerana Iraisam-pirenena momba ny Fitantanan-dRano any India fa afaka mahita ny tombontsoa roa sosona amin'ny fitomboan'ny famokarana sakafo sy ny fiarovana amin’ny tondra-drano avy amin'ny fitarihan-drano bebe kokoa ny tantsaha any Azia Atsimo.

Matetika no omena tsiny ny mpamboly, indrindra fa ny mpamboly vary, amin’ny fitrandrahana tafahoatra ny rano ambanin’ny tany, na izany aza, naneho ny fikarohana fa manana anjara toerana amin’izany ny antony hafa toy ny fihenan'ny fikorian’ny renirano, ny fihenan'ny faritra mando, ary ny fihenan'ny rotsak'orana. Mba hamahana ny olana amin’ny fisintonan-drano tafahoatra, nametra ny fisintonana rano ambanin'ny tany ny governemanta Bangladeshita ary nanentana ny fanoloana ny paompy mandeha solika miisa 400.000 amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro.

Misarita-kevitra koa ny mpamaky ao Bangladesh. Ao amin'ny pejy Facebook Engineer's Diary, naneho hevitra momba ny fanadihadihana i Atikur Rahman Atik, mpianatra:

এতদিন টিভি, পত্রিকা সবজায়গায় পড়লাম ভূগর্ভস্থ পানির ব্যবহার কমানোর জন্য। পানির লেয়ার নীচে চলে যাচ্ছে।
এখন এই আর্টিকেল দেখাচ্ছে ভূগর্ভস্থ পানি বেশী করে ব্যবহারের জন্য। তাহলে কোনটা আমরা মেনে চলব?

Hatreto aloha raha ny novakiako hatraiza hatraiza, na tamin'ny fahitalavitra na gazety dia ilaintsika ny mampihena ny fampiasana rano ambanin'ny tany. Mihena haingana ny haavon'ny rano ambanin'ny tany. Milaza ny mifanohitra amin'izany ity lahatsoratra ity – ny fampiasana rano ambanin'ny tany bebe kokoa. Iza àry no tokony harahintsika?

Mpisera iray hafa Ishrat Jahan namaly an'i Atik:

এটা আসলে বন্যা কবলিত এলাকা গুলোর জন্য সাময়িকভাবে প্রযোজ্য হবে। সামগ্রিক ভাবে ভূগর্ভস্থ পানি কম ব্যবহার করাই যুক্তিযুক্ত। যদিও এখনো পেপার টা পড়িনি, তবুও বাংলাদেশে বন্যার অন্যতম প্রধান যে কারণ গুলো আছে এবং সবচেয়ে বড় খতিকর বন্যা “ফ্ল্যাশফ্লাড” সেটার জন্য এই থিওরি একেবারে ই অযৌক্তিক।

Tokony hihatra manokana amin'ireo faritra tratran'ny tondra-drano izany. Amin'ny ankapobeny, tsara kokoa ny mampihena ny fampiasana rano ambanin'ny tany. Na dia mbola tsy namaky an'ilay gazety aza aho, tsy mitombina mihitsy ity tsangan-kevitra ity satria iray amin'ireo antony lehibe mahatonga ny tondra-drano ao Bangladesh — izay mampidi-doza — ny “tondra-drano tampoka”.

Naneho hevitra ilay mpisera iray hafa Mohammad Asadullah:

শীতকালে সেচের কাজে পানি ব্যবহারের ফলে সাধারন টিউবওয়েলে পানি থাকে না। আমরা গ্রামের মানুষ মুসিবতে পড়ে যাই।

Ritra ny fantsakana eto amintsika noho ny fisintonana rano ambanin'ny tany ho fanondrahana mandritra ny ririnina. Misedra fahasahiranana be ireo mponina ao an-tanànakely.

Tsy tsara io fomba fanao io na dia mampiseho aza ny fanadihadiana fa tsara ny fampiasana ny rano ambanin'ny tany, satria tsy mitovy haavo ny rotsak'orana any amin'ny faritra Bangladeshita tsirairay ary miankina amin'izany ny famenoana ny rano ambanin'ny tany. Rehefa misy ny fampidirana rano ambanin'ny tany, dia ny mba hampihenana ny tondra-drano fotsiny; fa tsy hisorohana azy. Nasehon'ny fikarohana fa raha toa ka tsy trohan’ny fitehirizan-drano ny rano ambanin'ny tany dia mety hahatonga tondra-drano ny rano tafahotra ary ho tonga any amin'ny helodranon'i Bengal amin'ny farany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.