- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Taratasim-baovao RV: Nahavita dingana goavana vaovao ny Common Voice an'i Mozilla!

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taratasim-baovao, Rising Voices

Sary [1] avy 123FreeVectors.com. Nampiasaina araka ny lisansa Creative Commons Attribution 4.0 [2].

Fanamarihan'ny Rising Voices: Atolotry ny taratasim-baovaonay mivoaka isam-bolana ny famintinana ireo ranty am-bilaogy miresaka ireo endrika fanasosohana ankihy rehetra ka ao anatin'izany ny fidirana sy ny fandraisana ireo fitaovana ankihy, sy ireo karazana fomba sy hirika ahafahan'ny vondrom-piarahamonina mandray anjara feno an-jotra. Vakio ato [3] ireo famoahana efa nivoaka amin'ity taratasim-baovao ity.

Ry mpamaky, manao ahoana daholo ianareo izao?

Herintaona lasa izay, nizara antso misokatra [4] [mg] ho an'ny rehetra izahay, nanantena hanohana ny ezak'i Mozilla amin'ny fanafoanana ny fitongilanana amin'ny teknolojian'ny feo, amin'ny alàlan'ny fisantaran'andraikitra tobin-draki-peo open source antsoina hoe Common Voice. Tamin'iny volana septambra iny, nahatratra tanjona iray goavana ry zareo nahatafiditra fiteny 100 tao amin'ny tobin-drakitra nandraisan'olona maro anjara, ​​ka nahatonga azy ahitana karazam-piteny maro indrindra manerana izao tontolo izao!

Te-hahafantatra hoe fiteny iza no tafiditra faha-100 ao amin'ny tobin-drakitra ary ahoana no ifandraisany amin'ny fanesoram-panjanahantany? Jereo ity ranty [5] avy amin'i Mozilla ity. Mila angon-drakitra marofiteny mba hanampy hanazatra ireo milina famantaran-kabary? Ho anao ity [6]. Mandritra izany fotoana izany, raha mikasa ny handray anjara amin'ny hetsika ianao dia afaka manao izany ato [7].

BEBE KOKOA AVY AMIN'NY BLAOGY RISING VOICES

Manomboka amin'ny fandrantoana IDIL2022–2032 [8] niarahana tamin'ireo mpikatroky ny fiteny manerantany, entin'ny Rising Voices sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy ho any amin'ireo fanentanana Twitter ifandimbiasana ianao. Te hahafantatra momba ny fiteny indizeny, zandriolona, tandindonin-doza, na tsy ampy ivelarana, sy ny anjara asan'ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampiroboroboana sy famelomana aina azy ireo indray? Andao hanaraka anay sy hihaino izay hozarain'ireo vahiny mampiantrano!

@ActLenguas [9] (Amerika Latina)

Miaraka amin'ireo andalana ireo, tianay ny hizara aminareo tantara iray momba ny famolavolana lahatsary fitahiry iray, izay manasongadina ilay Gyani Maiya Sen-Kusunda farany nodimandry, loholon'ny vondrom-piarahamonina nanentana ny famelomana indray ny Kusunda. → “Fakàna sary an'i Gyani Maiya Sen, ilay nampifoha ireo ezaka ho famelomana indray ny fiteny Kusunda efa saiky maty tao Nepal [15]”[mg]

Nandritra izany fotoana izany, tao amin'ny faritra Gran Chaco ao Bolivia, ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasam-pahaiza-mamaky haino vaky jery antsoina hoe “Roipea Taperai” (midika hoe “Lalana Misokatra”) no nanadihady ireo voambolana ampiasaina amin'ny fampitam-baovao mahazatra rehefa mitatitra momba ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ny hevitra mety handraisan'ny olona tsinahy ireo voambolana sasany, ary inona ireo voambolana tsy nahomby hahazoan-dresaka ary avy amin'izany tsy voaresaka nandritra ny fifanakalozan-kevitra.
→ “Mpampianatra Guarani iray mamakafaka ny fomba ijerena ny vahoaka indizeny amin'ny fampitam-baovao Boliviana [16]” [mg]
→ “Mila hanaovana tatitra ny tsy fahampian-drano ao amin'ny vondrom-piarahamonina indizeny, hoy ny tanora mpanao gazety Boliviana iray [17]” [mg]

FAMATSIAM-BOLA

Manoka-tena amin'ny tetikasam-piarahamonina iray, mikatsaka ny hiaro, hanamafy orina, na hamelona indray ny fahendrena sy ny fiteny vazimba teratany? Fantaro fa tsy irery ianao. Maniry ny ho mpiara-miasa aminao ny Seeds of Wisdom hahazoana bebe kokoa an'io fahalalana tranainy io sy amin'ny fanavaozana ny fifandraisantsika amin'ny tontolo manodidina antsika (ato [18] ny antsipiriany). Fara-fangatahana: 14 Novambra 2022 amin'ny 11:59 alina (ora Pasifika)

Mandray fangatahana amin'izao fotoana izao ny We Matter hanatanterahana Vatsy Fanohanana hafa, mikendry hampiroborobo ireo hetsika sy/na tetikasa anjotra atao any Canada tarihan'ny Tanora Vazimba Teratany. Raha eo anelanelan'ny 13 sy 30 taona ianao, maniry ny handray anjara amin'ny vondrom-piarahamonina teratany misy anao, dia mety hanampy anao hanakaiky kokoa ny fanirianao izany. Mba hampivelatra ny vintanao hahazo fankatoavana, aza hadinoina ny mijery ny torolalan'izy ireo ato [19]. Fara-fandraisana: 15 Novambra 2022

Ho an'ireo fikambanana tsy mitady tombontsoa monina eto Afrika: Te-hiaraka amin'ny fotokevitrao i Mozilla amin'ny fanavatsavana hampandrosoana ny zon'olombelona ankihy sy ny zon'olombelona ao amin'ny faritra, izay mifantoka manokana amin'i Kenya sy Afrika Atsimo. Liana amin'ny fiaraha-miasa amin'i Mozilla hamorona fiantraikany manan-danja amin'ny tontolon'ny aterineto eo an-toerana? Mendrika hojerena ny Vatsy In Real Life (IRL) [20]. Fara-fandraisana: 30 Novambra 2022

HIRIKA | VATSIMPIANARANA & FANOHANANA ARA-BOLA

Mpamokatra mahaleo tena mila fampiroboroboana ny asanao ve ianao? Manolotra fonosana feno ankehitriny ny Institut Sundance — miaty hirika amin'ny fanangan-talenta, famatsiam-bola, fandrafetan-tambajotra, sy ny sisa izany — mba hampiroborobo ireo feo ôrizinalin'ny fanatontosana sarimihetsika. Azonao jerena ato ny antsipirian'ny fahafahan hofidiana sy ny fisoratana . Fara-fisoratana: 15 Febroary 2023 Fanamarihana: Tongasoa avokoa ireo mpamokatra tantara foronina na tsy foronina amin'ny dingana rehetra

ANTSO FANDRAISANA ANJARA

Mpamokatra tsy miankina monina any Etazonia sy ny lafintaniny ve ianao, mikasa ny handefa lahatsary fanao tahiry ho any amin'ny fahitalavi-bahoaka rehefa vita ka tsy dia heno loatra ianao — nefa manan-danja — mba hahasahana mpihaino betsaka kokoa? Irìn'ny Open Call ny hiara-miombon'antoka [21] aminao hanatontosana izany. Fara-fisoratana: 16 Desambra 2022 amin'ny 11:59 alina (PST). Fanamarihana: Tafiditra ao ny torolàlana ho an'ny tetikasa tsy tataraforonina tamin'ny dingana teo aloha sy amin'ny endrika fohy kokoa dia tafiditra ao.

BEBE KOKOA HOVAKIANA, HOJERENA ary HOHENOINA

 

Mamandriha Taratasim-baovao Rising Voices [24]

 

 

Ankasitrahana i Eddie Avila sy i Ameya Nagarajan tamin'ny fandraisany anjara tamin'ity taratasimbaovao ity.