‘Tena sarotra ny mahita fanoherana rehefa tsy ahitàna sarina fihetsiketsehana an-dalambe': Antsafa nifanaovana tamin'i Hanna Liubakova, Belarosiàna mpikatroka,

Saripika avy amin'ny tahiry manokan'i Hanna Liubakova. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Androany, ny teny faneva ho an'ny mpanohitra ao Belarosia “Жыве Беларусь” [Ho ela velona i Belarosia!] dia nambara ho “marika Nazi iray voaràra.” Ny fitondrana amin'izao fotoana izao ao Belarosia dia heverina ho toy ny jadona iray tohanan'i Kremlin izay mamoritra an-kerisetra ny endrika fanoherana rehetra. Tamin'ny 2020, nampihovitrovitra ny firenena ireo hetsipanoherana, fony nilaza ny mpitarika azy Alyaksandr Lukashenka fa nandresy indray, in'enina nisesy izao, tamin'ireo fifidianana nasiônaly.  Sviatlana Tsikhanouskaya, mpampianatra teny anglisy fahiny ary vadin'i  Siarhiej Tsikhanousky, ilay bilaogera voafonja no sady mpikatroka, no tena mpifanandrina tamin'i Lukashenka nandritra ny fifidianana, ary nisy ireo hetsipanoherana natao ho fanohanana azy. Tamin-kerisetra no nanaparitahan'ny pôlisy belarosiàna azy ireny, ary iray raha kely no isan'ny olona namoy ny ainy, an'arivony no naiditra am-ponja. Nandao ny firenena i  Tsikhanouskaya ary nanomboka tamin'izay dia misolo tena amin'ny fomba ofisialy ny governemanta Belarosiàna an-tsesitany.

Tsy ela akory izay, ny Global Voices dia namoaka lahatsoratra iray momba ny fanoherana tsy misy fitsaharany ny ady sy ny jadona ao Belarosia. Ny tantara dia nifototra tamina tohinkevitra Twitter avy amin'i Hanna Liubakova, izay mampiasa ny kaontiny Twitter hamoahana vaovao momba an'i Belarosia amin'ny fiteny anglisy, vaovao izay sarotra ny hahita azy any an-toerana hafa.  Liubakova koa tany aloha dia efa nanoratra ho an'ny Global Voices, ary nanaiky ny hiresaka momba ny asa farany niarahany tamin'ny media sy ny asa fikatrohana belarosiàna.

Global Voices (GV): Azafady, lazao anay fohifohy ny momba anao, ahoana no nidiranao tao anatin'ny asa fikatrohana sy ny asa fanaovana gazety tao Belarosia?

Hanna Liubakova (HL):  Mpanao gazety aho, avy ao Belarosia. Tamin'ny 2020 aho no nandao ny firenena, satria na mbola talohan'ireo fifidianana sy ny hetsipanoherana aza, dia efa narahana maso aho. Fantatro fa tsara ho ahy ny mandeha. Niditra tamin'ny Filankevitr'i Atlantika aho fony aho mbola tany Belarosia, saingy avy eo nahita io karazana famantarana io aho hoe tsaratsara kokoa ho ahy ny mandao ny firenena. Ankehitriny dia avy aty an-tsesitany aho no mitatitra momba ireny hetsipanoherana ireny. Amin'izao fotoana izao aho dia mpikambana tsy mipetraka maharitra ao amin'ny Filankevitr'i Atlantika, izay tranon-kevitra miorina ao Washington DC. Miasa ihany koa amina fikambanana marobe aho, izay mifantoka amin'ny fampandrosoana ny media. Ary miaraka miasa amin'ireo trano mpampiely vaovao any Belarosia izahay. Ny sasany amin-dry zareo dia avy ao anatin'ny firenena, fa misy koa ireo izay nandositra niala ny firenena.  Ny ifantohanay izao, ary iray amin'ireo laharam-pahamehana aminay, dia ny fomba hahatongavana any amin'ireo mpanjohy tsy mitanila ao anatin'i Belarosia, ny fomba hampitànay ireo vaovao any amin-dry zareo, ny fomba hatao mba hahatonga an-dry zareo ho liana amin'ny vaovao pôlitika. Amin'izao ankehitriny izao, saika mbola manodidina ireo vaovao tsy miresaka pôlitika no tena jifain-dry zareo. Araka izany, ifantohanay izay fomba hatao hahatonga an-dry zareo ho liana amin'ny vaovao pôlitika, ny zon'olombelona, ny raharaha andavanandro amin'ny ankapobeny. Ary ny laharam-pahamehako iray hafa amin'ny maha-mpahay manokana ahy dia ny fanomezana torohay momba an'i Belarosia ho an'ireo media vahiny. Avoakako io amin'ny alàlan'ny Twitter, na mandalo amin'ny Filankevitr'i  Atlantika, na mandray fitenenana anaty kaonferansa.

GV: Tena vao haingana kely, nanome fampiofanana ianao ho an'ireo Belarosiàna mpanao gazety, momba ireo lohahevitra mety hahaliana ny media iraisampirenena. Azonao ambara aminay fohifohy ve ny momba izay? Indrindra fa hoe, lohahevitra tahaka ny inona no heverinao fa mety hahaliana hisarihana ny sain'ny media iraisampirenena hitodika any Belarosia indray?

HL: Talohan'ny hanaovako ilay fampiofanana, mba hahazoako izay valinteny avy amin'ireo vahiny sy Belarosiàna mpanao gazety ary ireo toniandahatsoratra izay manjohy ahy, dia nametraka fanontaniana tao amin'ny Twitter aho momba izay lohahevitra mety hahasarika ny sain'ireo media iraisampirenena hitodika amin'i Belarosia. Naharay valiny goavana vitsivitsy aho avy amin'ireo toniandahatsoratra, izay tena nahaliana marina tokoa. Heveriko fa ny [zavatra] tena manandanja indrindra sy tena mitombina ho antsika dia ny fanoherana tsy mbola tapitra, ary heveriko fa ny Global Voices koa dia efa nanipika izany tao anatin'ny ranty nalefany vao haingana. Tena zavatra manandanja izany, izay mitranga ao anatin'ilay firenena. Tsy maintsy asehonay fa tsy i Belarosia irery no mifanome tànana amin'i Rosia, miaraka amin'i Kremlin, ary manohana azy ry zareo. Satria izany no ao an-tsain'ny olona marobe, ary manana io fitsaratsaram-poana io ry zareo Tandrefana. Heveriko fa tena sarotra tokoa ny mahita fanoherana rehefa tsy ahitàna sarina fihetsiketsehana an-dalambe, rehefa tsy mahita sarin'ireny olona an'aliny maro midina an-dalambe ireny isika. Ary mazava ho azy, azoko tsara ny antony mahatonga ny olona hihevitra hoe vita ny revôlisiôna, nefa tsy izay no tena izy.  Mahita fanoherana isika, ary betsaka ireo fivoaran-draharaha sy hetsika mahaliana ao anatin'ny firenena. Misy marobe ny olona no nanandrana nampiato ny hetsika ataon'ireo andian-tafika rosiàna na nanao hetsipanoherana tamin'ny fomba hafa. Naiditra am-ponja izy ireny, ary tena henjana marina tokoa ny fiantraikany. Saingy izao no mitranga. Sy koa, izay ataon'ny olona maro dia ny mizara ny vaovao. Ao anatin'ny firenena izy ireny. Ary dia lasa ho olontsotra mpanao gazety ho antsika ry zareo ireny, ary mizara io vaovao io amintsika. Izany no fomba aharahanay izay miseho ao anatiny. Asehon'io ihany koa ny fahalinan-dry zareo, asehon'io fa manohitra ny fitondrana ry zareo, manohitra ny fanaparitahana andia-miaramila belorosiàna, na ny fampiasàna ireo rano ao anatin'ny faritry ny taniny ho amin'ilay fananihambohitra.  Zavadehibe tokoa ny fihetsehampo ao anatin'ny firenena, ny mpanohitra ary ny fanoherana. Io ihany koa no mahaliana ireo vahiny mpamoaka lahatsoratra, ary tsy maintsy asehonay azy ireo araka izay tratra.

GV: Nisy lohahevitra hafa notsipihan-dry  zareo ve? 

HL: Ny [zavatra] hafa tena mavesa-danja tena nahaliana ireo mpamoaka lahatsoratra izay namaly ny bitsika nalefako dia ny mifantoka amin'ny toedraharaha ara-toekarena. Ny antony dia noho i Belarosia iharan'ny sazy, noho izany dia maro ireo mpampiasa vola sy mpandraharaha no miala amin'ilay firenena. Marobe ny olona liana amin'ny zava-mitranga ao Belarosia, satria nisy ireo fitokonan'ny mpiasa, marobe ireo manontany tena raha mbola hiverina indray ireny fitokonana ireny. Tsy ela akory izay,  hitantsika ny nisian'ireo fitokonana nataon'ireo mpandraharaha tsy miankina noho io fandraràna ny fanondrotana vidim-piainana napetraky ny fitondràna io. Io ihany koa no anton'ny maha-fanontaniana iray hafa goavana ny zava-mitranga amin'ny toekarena aterak'io fandraràna io? Satria ny toekarena no isan'ny teboka iray ahafahana manindry ny fitondrana. Izany no antony mahaliana be ny maro. Endrika iray hafa ny vaovao momba ireo mpanefoefo sy ny olona akaiky an'i Lukashenka [mpitondra belorosiàna] , inona no mitranga any amin-dry zareo ireny?

Olana iray hafa tokony hosoratan'ireo media belarosiàna , ary tena hitombina ho an'ireo media iraisampirenena, dia ny fihetsehampon'ireo miaramila sy ny fomba nilalaovan'i Rosia an'ilay firenena. Ohatra, ny akaiky indrindra, nohamafisin'ny sampam-pitsikilovana britanika fa amin'izao fotoana izao dia any Belarosia ireo miaramila rosiàna no manao fanazarantena. Antenaiko fa hisy vaovao bebe kokoa momba izany homen'ireo Belarosiàna mpanao gazety.

GV: Afaka ve ianao hanome loharano tsy miankina azon'ireo mpamaky ianteherana rehefa hikaroka vaovao momba an'i Belarosia ry zareo, amin'ny fiteny anglisy na hafa?

HL:  Raha ny marina, tsy misy be manao ahoana ny loharano. Heveriko fa ny dika amin'ny fiteny anglisy avy amin'ireo Belarosiàna mpamoaka vaovao no tena mifanaraka sy manandanja.

Ohatra, manana iray ny Belsat TV, na Radio Liberty, ny Radio Free Europe dia tena loharanom-baovao azo antoka sy voamarina. Mazava ho azy, misy ihany koa ireo kaonty Twitter azo zohiana. Tsy milaza na mankalaza tena aho eto an, fa misy marobe hafa.

Manome fanavaozam-baovao isanandro avy amina loharano isankarazany momba izay mitranga ao Belarosia ny kaonty Twitter an'i Hanna Liubakova; manana mpanjohy miisa 145 000 izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.