- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mitoreo ny havan'ireo Rosiàna noraofina ho miaramila: ‘Nilaozana toy ny alika izy ireny…’

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Russia invades Ukraine

Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube [1] mikasika ilay antso, navoakan'ny media an-tserasera Proseverouralsk

Ao anatin'ny rivotry ny fanivanan-tena izay ahitana ireo fampahalalam-baovao Rosiana, noho ny tahotra ireo lalàna famoretana,  mahalana vao namoaka ireo fijoroana vavolombelona manokana entina hitsikeràna ireo manampahefana, loharanom-baovao [2] madinika roa ao an-toerana any amin'ny faritr'i Oural no nanam-pahasahiana [3] namoaka ireo antso nataon'ny havan'ireo miaramila nahetsika nandritra ny herinandro farany tamin'ny volana Oktobra 2022.

Mampiasa media sosialy [4] tsindraindray ireo miaramila voaantso sy ireo havany vantany vao nifandrindra tsara ry zareo ary ampy fahafehezana ny teknolojia, saingy tamin'ity tranga ity dia afaka nitantara ny zavatra niainany tamin'ny alalan'ny fanampian'ireo mpanao gazety matihanina ireo havan'ireo miaramila – izay marobe tamin'izy ireo no avy amin'ny media iray ihany izay ny 2 Martsa, herinandro latsaka taorian'ny nanombohan'ny fananiham-bohitra nataon'ny Rosiana tao Okraina, dia voalaza fa namoaka [5] teny filamatra fanoherana ady izy ireo teo amin'ny pejy voalohany tamin'ny gazetiny, izay nahavoasazy azy ireo handoa onitra 1,5 tapitrisa robla [6] (manodidina ny 24 000 dolara amerikanina eo ho eo).

Ireo havana, zava-dehibe ny anamarihana izay, dia mangataka ny fifantohantsain'ny fiarahamonim-pirenena sy ny governemantam-paritra, mifanohitra amin'ny an'ny miaramila na ny filoha Vladimir poutine, satria izy ireo dia “efa nanoratra antso tany rehetra tany [3]” ary tsy nahazo izay valiny notadiaviny.

Ny vady sy reny avy amin'ireo tanàna kely roa ao Oural, Serov ary Severouralsk, dia niantso an'ireo media tamin'ny fanantenana fa hanaitra ny sain'ny vahoaka momba ny toe-javatra atrehan'ireo miaramila vao voaantso any an-tanin'ady any amin'ireo faritanin'i Okrainina bodoin'i Rosia – amin'ity tranga ity dia ny faritr'i Louhansk.

Niteny [7] teo amin'ny lahatsary YouTube iray ny renin'ny miaramila iray hoe :

Niantso ahy ny zanako omaly. Nafoy izy ireo, tsy misy mpibaiko, azo lazaina ho tsy misy fitaovam-piadiana, ao anatin'ny hatsiaka, marary daholo ry zareo. Tsy mamela azy ireo handeha hiverina [hiala ny faritra fiadiana] ny toeram-pisavàna [Rosiàna]. Heverina ho toy ny mpilatsaka an-tsitrapo izy ireo, na dia tsy izay aza. Tsy misy manamboninahitra mpitarika izy ireo. Androany, naharay antso indray izy ireo fa hoe ho alefa hiady indray. Nandà izy ireo satria tsy nahazo fiofanana akory na kely aza. Azoko tsara fa misy ny ady, saingy izay lazain'izy ireo [manampahefana] amin'ny fahitalavitra, tsy misy idiran'ireo [miaramila nahetsika] ny amin'izany. Nandritra ny herinandro maromaro izao dia miaina ambanin'ireo tifitra variraraka ry zareo, tsy manana na iza na iza.

Nanampy [2] ny iray :

Nanome baiko azy ireo [ireo mpibaiko] hoe : tsy maintsy mandeha any amin'ny faritra SVO ianareo [“hetsika miaramila manokana”, satria voarara ao Rosia ny miantso ny “ady” hoe fibodoana ]. Raha mandà izy ireo dia rahonan'ny mpibaiko avy hatrany ho nanao heloka bevava.

Miahiahy ny amin'ny fahasalaman'ilay tarika ny rain'ny miaramila iray :

Tsy manan-kohanina izy ireo ; rano 1,5 litatra ho an'olona roa isaky ny roa andro no azon'izy ireo.

Nitomany [7] i Oksana avy any Serov :

Niantso ny vadiko androany ary nilaza fa nalefa hiady izy ireo […] Ny alina ry zareo no natsipy tany, dia nilaozana toy ny alika, tany an-tendrombohitra […] 90 no olona nentina tany, ary 40 monja no tafidina avy any an-tendrombohitra.

Nokarakaraina niaraka tamin'ny fanampian'ny Komitin'ny Renin'ireo Miaramila [8] ilay fihaonana. Tsy tena navitrika loatra teo amin'ny sehatra federaly tato ho ato ilay fikambanana iray tsy miankina amin'ny fanjakana, saingy toa mavitrika kokoa any amin'ireo faritra Rosiàna.

Nila fahasahiana be ny antso fanampiana nataon'ny havan'izy ireo, noho ny fankatoavan'i Rosia ireo andiana lalàna famoretana mikasika ny “vaovao diso [9] momba ny ady”. Ny fanehoana hevitra an-kalalahana no toa hany fomba tokana ho azy ireo hanandramana hanavotana ny zanaka lahin'izy ireo, ny vadiny ary ny rahalahiny, izay, araka ny voalazan'izy ireo, dia tafiditra ao anatin'ny tetikasan'i Poutine “tsy mandositra na miafina, tsy manana afa-tsy ora vitsy hamehezana ny entan [2]‘izy ireo”.

Nanomboka [10] tamin'ny 21 Septambra ny fandraofana miaramila Rosiana ary nifarana ny volana Novambra [11], araka ny voalazan'ireo manampahefana avy amin'ny governemanta Rosiana. Na izany aza, koa satria tsy nisy ny didim-pitondràna vita sonia,  dia mety hitohy hatrany [12]amin'ny fotoana rehetra ilay fomba. Nandritra izany, lehilahy an'arivony no nandao an'i Rosia [13] teo anelanelan'ny volana Septambra sy Oktobra 2022 [14] mba hialàna amin'ilay fandraofana ho miaramila.