Nahazo sehatra tao amin'ny YouTube ny vondrona neo-Nazi Zeorziana iray

Pika avy amin'ny lahatsary nivoaka tao amin'ny fantsona YouTube-n'ny hetsika tamin'ny 12 Septambra 2022.

Navoaka voalohany tao amin'ny OC Media ity lahatsoratra ity. Navoaka eto araka ny fifanarahana fiaraha-miasa ara-botoaty ny endrika nasiam-panovana. Fanamarihana momba ny votoatiny: Ahitana fitahàna momba ny fanavakavaham-pirazanana, ny anti-Semitisma ary ny fanandratam-piambonian'ny fotsy hoditra izay mety hanelingelina ny mpamaky sasany ity lahatsoratra ity .

Nipoitra anjotra indray ny vondrona neo-Nazi Zeorziana malaza, Georgian National Unity, volana maromaro taorian'ny nivoahan'ny fanoritsoritan-dry zareo azy ihany ho “komandà”, Giga Chelidze, ny fonja. Nigadra telo taona sy tapany i Chelidze noho ny fividianana sy fitahirizana ary fitondrana basy tamin'ny fomba tsy ara-dalàna. Nosamborina izy tamin'ny Septambra 2018, taorian'ny fitabatabam-bahoaka momba ireo lahatsary navoakan'ny vondrona anjotra ahitana ireo mpikambana ao amin'ny National Unity nampiofanina hitifitra any anaty ala.

Voarara tsy ho ao amin'ny Facebook sady tafasaraka tamin'ny mpitarika azy ireo noho ny raharaha 2018, nampiasa ny YouTube sy Telegram ny Georgian National Unity handray mpikambana vaovao sy hamoaka filazana anti-semitika sady manandratra fanavakavaham-pirazanana. Tao anatin'ny volana vitsivitsy izay, afaka nanao seho YouTube “Resaka Fasista” indroa isan-kerinandro ny mpitarika ny National Unity. Tamin'ny seho nataony, nampangain'i Chelidze ny Marxisma sy ny liberalisma ho “viriosin-jiosy iraisampirenena”, nanomboka ny ady tany Okraina.

Nilaza ihany koa i Chelidze fa mitady hameno an'i Zeorzia miaraka amin'ny “taim-bazaha” mba ivadian'ny vehivavy zeorziana amin'izy ireny ny “glôbalista” sy “Masônika”, sy ireo mainty hoditra mihodikodina eto ka mihalany tamingana ny firenena Zeorziana. Taloha i Chelidze efa nilaza ihany koa fa “fasista hatrany anaty torimasony.”

Fantatra ny mpitarika ny National Unity fa mandray anjara amin'ny adihevitra Fanontaniana sy Valiny YouTube momba ny “tsy fetezan'ny fampifangaroam-poko.” “Eny, mpanavakava-pirazanana aho. Tiako ny firazanako,” hoy izy.

Na dia manitsakitsaka ny adidin'ny YouTube hiady amin'ny kabarim-pankahalana anjotra aza ireo horonantsary, dia tsy mbola nandray fepetra hanesorana ny fantson'ny vondrona neo-Nazi ny sehatra hatramin'izao. Manodidina ny 500 mahery kely mpanjohiny, nanatevin-daharana ny sehatra tamin'ny Febroary 2022 ary nizara horonantsary 90 teo ho eo nanomboka tamin'izany. Nahazo mpijery mihoatra ny 5000 ny lahatsary malaza indrindra.

Mbola mila mamaly ny fangatahan'ny famoaham-baovao Zeorziana amin'ny fanehoana hevitra manoloana ny ataon'ny Georgian National Unity ao amin'ny sehany ny Google, orinasa havan'ny YouTube.

Milaza ankarihary ho neo-Nazi hatramin'ny nanombohany

Niorina tamin'ny taona 2016 ny Georgian National Unity ary nisongadina tamin'ny taona 2018 rehefa nampiseho basy an-karihary tao anatin'ny lahatsariny ireo mpikambana ao aminy sy nanao famoriam-bahoaka. Tafiditra ao anatin'ny hetsika havanana hiringiriny any Zeorzia izay tohanan'ny Eglizy Ortodoksa Zeorziana izy io, araka ny tatitry ny Freedom House. “Na dia tsy manohana ankarihary ny hetsika toy izany aza ny fiangonana, ny hetsika ataon'izy ireo sy ny mpitondra fivavahana nanome fanohanana tsy ofisialy, indrindra amin'ny ezaka ataon'ireo vondrona havanana amin'ny fanenjehana ny vondrom-piarahamonina LGBT +,” hoy ny tatitra.

Nilaza i Chelidze fotoana fohy taorian'izay fa nanana fitaovam-piadiana ireo mpikambana ao aminy, anisan'izany ny basy fihazana, basilava Winchester, poleta ary fitaovam-piadiana semi-automatique.

Tamin’izany no nilazan’ny sampana mpanao famotorana fa basy mahaankona ihany no hita tao aminy.

Tamin'ny Mey 2018, nanambara fananganana ny “Mpiambim-Bahoaka” na “rantsana maintilamba” ny National Unity ho apariaka hanoherana ireo hetsika anti-governemanta tarihan'ireo vondrona liberaly ao Tbilisi, ary nanamarika ny Andro Fahadiovam-Pitondrantenam-Pianakaviana tamin'ny fiarahabana Nazi tao afovoan'i Tbilisi.

Araka ny tatitry ny Eurasianet:

Georgian National Unity borrows its insignia from a World War II battalion of Georgian émigrés and prisoners of war who fought with the Nazis against the Soviets, and it is officially registered as a non-profit group. The group even has its own militia, appearing to number two dozen young men and women at most, who call themselves “blackshirts” in an allusion to Benito Mussolini’s shock troops.

Ny Georgian National Unity dia mindrana ny mari-pamantarana avy amin'ny andian-tafika mpifindramonina Zeorziana sy gadra an'ady tamin'ny Ady Lehibe II izay niara-niady tamin'ny Nazis manohitra ny Sovietika, ary voasoratra amin'ny fomba ofisialy ho vondrona tsy mitady tombombarotra. Manana ny milisiny manokana ny vondrona, toa tanoralahy sy vavy 20 eo ho eo raha be indrindra, izay miantso ny tenany ho “maintilamba” milaza sompirana ireo besandrin'i Benito Mussolini.

Fety noforonin'ny Eglizy Ortodoksa Zeorziana tamin'ny taona 2014 ny Androm-Pahadiovam-Pitondratenan'ny Fianakaviana. Mifanitsy amin'ny Andron'ny 17 Mey Iraisampirenena iadiana amin'ny Homophobia izany.

Notazonina vetivety i Chelidze tamin'ny Oktobra 2017 teo ivelan'ny biraon'ny Federasionan'ny Baolina Fandaka Zeorziana raha nanao fihetsiketsehana manohitra ilay mpilalao baolina kitra Zeorziana Guram Kashia ireo mpikambana ao amin'ny vondrona misy azy, sy ireo vondrona tendrony havanana hafa. Lasa lasibatry ny vondrona tendrony havanana i Kashia taorian'ny nanaovany fehin-tànana miloko avana tamin'ny lalao baolina kitra ho fanehoana fanohanana ny zon'ireo hafahafa.

Nihambo ho mpanambara fanohanana ny antoko mitondra Georgian Dream Party i Chalidze ary nanoratra ny maha-fikambanana tsy mitady tombombarotra ny Fiaraha-Mientana Nasionalista-Sosialista [Nazi] — Georgian National Unity tamin'ny taona 2016. .

Tany am-boalohany, dia nandray anjara tamin'ny fandikana ny literatiora fasista ho amin'ny teny géorgien ny vondrona. Tamin'ny voalohany ny vondrona nirotsaka tamin'ny fandikana ny literatiora fasista ho amin'ny fiteny Zeorziana. Ny fanentanana ampahibemaso voalohany nataon'izy ireo dia fanangonan-tsonia anjotra mitaky ny fandraràna ny Open Society Georgia Foundation an'i George Soros — ampahany amin'ny Open Society Foundations, izay manolo-tanana amin'ny fanohanana ireo fiarahamonim-pirenena.

Na izany aza, tsy toa ireo vondrona tendrony havanana hafa any Zeorzia, ny Georgian National Unity fa miseho ankarihary ho fasista ary mampiasa ireo marika sy fihetsika neo-Nazi.

Nandrara an-kitsirano ny mpikambana ao aminy tsy hifoka sigara, tsy hisotro toaka tafahoatra, tsy hiray samy lehilahy na samy vehivavy, ary “hampifangaro firazanana” ity vondrona farany havanana ity.

Tamin'ny Aprily 2017, niarahaba ny praiminisitra Hongroà Viktor Orbán izy ireo tao Tbilisi ary nidera azy noho ny ady nataony tamin'i Soros sy ny liberalisma. Raha niely ny vaovao fitsidihan'i Orbán, nanangana lanonana Facebook hanaovana fihetsiketsehana ireo maintimolaly sy mpanohana ny Central European University (Anjerimanontolo Eoropeana Afovoany) (miorina ao Budapest hatramin'ny 2019), raha nikarakara ny azy manokana, hanoherana ny lanonana, ny vondrona mpandala ny nentin-drazana, tendrony havanana, nasionalista hiringiriny, ary ireo vondrona neo-Nazi.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.