Mandritra ny COP27, miantso hetsika misimisy kokoa i Môzambika, firenena ao Afrika faran'izay marefo indrindra amin'ny resaka toetrandro

2019 no voamarika ho taona nanahirana indrindra tamin'ny tantaran'ny rivodoza tao Môzambika. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Miaraka amin'ilay Kaonferansa 2022 an'ny Firenena Mikambana iresahana ny Fiovàn'ny Toetrandro (COP27) izay atao ao Egipta ary marihan'ny fijazakazaky ny fiovàn'ny toetrandro, miha-tafiditra anaty toedraharaha saropady ireo firenena toa an'i Môzambika, izay ara-tantara dia kely monja no mba fandotoana nataony raha mitaha amin'ireo firenena hafa.

Môzambika dia heverina ho iray amin'ireo firenena tena mety hijaly indrindra vokatr'ireo zava-mitranga henjana ateraky ny fiovàn'ny toetrandro. Araka ny lazain'ny ONG Alemàna GermanWatch, izay mamoaka isantaona ny Tondro momba ireo tandindon-doza ara-toetrandro Erantany, Môzambika no mitàna ny laharana voalohany ao anatin'ny lisitr'ireo firenena tena marefo indrindra amin'ny fiovaovan'ny toetrandro tamin'ny 2021.

Zimbaboe, ireo nosy ao Bahamas, Japàna, ary Malaoi, no mifanesy mameno ireo dimy voalohany ao anatin'ny Tondro 2021, izay manome ny lisitr'ireo firenena tena marefo indrindra manoloana ireo loza voajanahary ateraky ny fiovan'ny toetrandro. Na izany aza, araka ny tatitry ny tombana erantany nomen'ny Firenena Mikambana momba ny Fihenan'ireo tandindon-doza voajanahary, i Môzambika no firenena fahatelo ao Afrika tena marefo indrindra amin'izany. Misy roa ireo tatitra izay samy mampiasa ny angondrakitr'izy ireo manokana avy, nefa koa samy mametraka ny toetra marefo misy an'i Môzambika.

Tsy ela akory izay, nihamafy hatrany sy lasa misy matetika ao Môzambika ny rivodoza. Tamin'ny 2019, rivodoza trôpikaly roa natanjaka no namely an'i Môzambika nandritra io vanimpotoana io — sambany hatrizay. Ny rivodoza trôpikaly Idai tamin'ny Martsa 2019 sy ny rivodoza trôpikaly Kenneth, volana iray taorian'izay, dia namoizana aina 600 mahery ary novinavinaina ho olona 2,5 tapitrisa no tra-pahasahiranana.

Ny Martsa 2022, rivodoza iray hafa indray no namely an'i Môzambika. Tamin'ity indray mandeha ity dia ny rivodoza trôpikaly Gombe, izay niditra tao amin'ny firenena niaraka tamina tafiotra 165 sy 230 km/ora. Voalaza fa nahafaty olona nihoatra ny 60 izy io.

Tsy fahampian'ny valin'ny hetsika momba ny toetrandro

Miandry hetsika goavana momba ny toetrandro i Môzambika mba hanampiana ilay firenena hiala amin'ny faharefoany. Noho ny tsy fisian'ny fanampiana iraisampirenena sasany, naharay fandrisika sy hafatra fanehoana firaisankina ilay firenena, toy ny tamin'ny 2019, tamin'ny alàlan'ny Sekretera Jeneralin'ny Firenena Mikambana:

Tena malahelo mafy tokoa ny Sekretera Jeneraly noho ireo famoizana aina, faharavàm-pananana ary famindràna toerana ny vahoaka vokatr'ireo orambe nikija sy ny tondradrano nateraky ny rivodoza trôpikaly Idai.
Ny Sekretera Jeneraly dia maneho ny fiarahany miory amin'ireo fianakavian'ny tra-doza sy ny vahoaka ary ny governemanta ao Môzambika. Ny Firenena Mikambana dia maneho ny firaisany hina amin'ireo manampahefana ao Môzambika ary vonona ny hiaraka hiasa aminy mba hamaliana ireo filàna amin'ny maha-olombelona naterak'io loza voajanahary io.

Tamin'ny 2021, nanatevina laharana ireo governemanta avy amin'ny firenena hafa i Môzambika nandritra ny COP26 kaonferansa faha-26 ho an'ny toetrandro, nokarakarain'ny Firenena Mikambana tamin'ny 2021. Raha nandray fitenenana nandritra ilay hetsika, ny praiministr'i Môzambika tamin'izany fotoana izany Carlos Agostinho do Rosário, dia nanolo-tena hanatratra ho 62 isanjato ny fampiasàna angovo azo havaozina hatramin'ny 2030, saingy ny tsy fahampian'ny tohana no napetraka ho toy ny fahasarotana voalohany:

Moçambique sozinho, tal como outros países em desenvolvimento, não conseguirá ter os recursos necessários para financiar acções estruturantes para fazer face aos impactos das mudanças climatéricas…

Môzambika fotsiny, toy ireo firenena hafa an-dalam-pandrosoana, dia tsy hanana izay ho enti-manana ilaina hamatsiana hetsika manara-drafitra ho entina hiatrehana ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro…

Iray tamin'ireo olana niadiana hevitra nandritra ny COP26 ny tetezamitan'ny angovo. Ao ambanin'ilay Fifanarahan'i Parisy momba ny Toetrandro, izay nolaniana nandritra ny COP21, tsy maintsy atsahatra alohan'ny 2050 ny fampiasàna ny arintany ho toy ny loharanon'angovo fandrehitra. Manana toeram-pitrandrahana goavana i Môzambika raha arintany no resahana, ary vao taompolo roa monja izay raha misy, dia milina goavan'ny fampandrosoana tao Môzambika ny arintany, araka izany dia tsy ato anatin'ny fotoana fohy no hialàn’ilay firenena amin'ny fampiasàna ny arintany.

Moçambique prefere uma transição energética para energias mais limpas e amigas do ambiente que seja gradual e faseada, a fim de minimizar o impacto no processo de desenvolvimento económico do nosso país.

Omen'i Môzambika toerana kokoa ny fikisahana mizotra miandàlana mankany amin'ny angovo madio kokoa sy manaja kokoa ny tontolo iainana, mba hanamaivanana ny fiantraikany amin'ny zotran'ny fampandrosoana ara-toekaren'ny firenenay.

Tamin'ny 2021, Môzambika no lasa firenena voalohany nahazo fanampiana ara-bola avy amin'ny Banky Iraisampirenena mba hampihenana ny fandefasana entona manafàna ny tany vokatr'ireo fanapahana sy fahasimban'ny ala — ilay antsoin'ny rehetra hoe REDD+.

Ny Forest Carbon Partnership Facility (FCPF) dia nandoa 6,4 tapitrisa dôlara amerikàna tamin'i Môzambika noho ny fampihenàny ho 1.,8 tapitrisa taonina ny fandefasana entona karbôna tamin'ny 2021. Ireo vola nomena dia valisoa ho an'ireo ezaka fampihenana ny famoahana entona karbôna amin'ny alàlan'ny ady amin'ny fanapahana sy faharavàn'ny ala.

Ny 5 Jona no nankalazaina ny Andro Erantany ho an'ny Tontolo Iainana tamin'ity taona ity, teo ambanin'ny teny faneva hoe, “One Earth for Climate Resilience” (Tany Iray ho an'ny Fizakàna ny Toetrandro), nefa folo taona mahery ilay firenena no niandry ny famatsiambola maitso avy amin'ny Green Climate Fund. Hetsika santatra iray izy io, izay ho an'ireo manampahefana môzambikàna, lasa sarotra notantanina tanaty birao:

Moçambique está num processo há quase mais de 10 anos de candidatura do Fundo Nacional do Desenvolvimento Sustentável para aceder aos financiamentos do Fundo Climático Verde, um processo que nós consideramos como muito burocrático, mas pelas últimas informações tudo indica que estamos a passos largos de chegar ao fim…

Efa ho 10 taona i Môzambika no tao anatin'ny dingana fangatahana hahazo ilay Famatsiambolam-Pirenena ho an'ny Fampandrosoana Lovainjafy avy amin'ny Green Climate Fund, dingana iray heverinay ho diso biraokratika loatra, saingy araka ireo vaovao farany, ny zavatra rehetra dia toy ny manondro hoe mbola lavitra ny làlana halehantsika mandra-pahita ny farany…

Nanoloana io zavamisy io, nolanjalanjain'i Môzambika izay azony tanterahana hiatrehana ireo fiantraika ratsin'ny krizin'ny toetrandro atrehan'ny firenena. Tsy ela akory izay, tamin'ny Oktôbra 2022, nambara ny fananganana ilay tahirimbola maitso ho fanampiana amin'ny fampihenàna ny voka-dratsin'ireo tranga henjana ateraky ny fiovàn'ny toetrandro.

Tamin'ny Oktôbra 2022, ny filoha môzambikàna Filipe Nyusi dia niantso ny firenena manerana ny tany, indrindra fa ireo ao amin'ny tanibe afrikàna, mba hihetsika avy hatrany ho fampitsaharana ireo loza mahatsiravina vokatry ny ataon'ny olombelona. Nandritra ireo fankalazàna ny Andro Erantany ho fampihenàna ny tandindon-doza, Nyusi nanao ny kabariny tamin'ny maha-“Tompondakan'ny Firaisambe Afrikàna azy amin'ny Fitantanana ireo Tandindon-doza ao amin'ny tanibe”

Araka ny voalazan'ireo gazety ao an-toerana, ny Vovonamben'ny Firenena Mikambana ho an'ny Fiovàn'ny Toetrandro (COP27) dia hisy fiantraikany amin'ilay Môzambika firenena marefo nefa tsy dia mpandoto akory. Raha nandray fitenenana nandritra ireo hetsika fanomanana nikendrena ny handraisana fepetra iombonana ho arovana ao amin'ny COP27, ny minisitry ny tany sy ny tontolo iainana ao Môzambika, Ivete Maibaze, dia nanitrikitrika fa ny tena sehatra fototra mahaliana ilay firenena dia: ny famatsiana vola mifanaraka amin'izay zavamisy momba ny fiovàn'ny toetrandro; ny Nationally Determined Contribution (NDC)-fandraisana anjara voafaritra eo amin'ny sehatra nasiônaly; ny angovo azo havaozina; ny fampihenana ny entona manafàna ny tany vokatry ny fanapahana sy faharavàn'ny ala, ny fahaizana mifandrindra amin'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fampihenana ny tandindon-doza, ary hatramin'ny olan'ny Miralenta sy ny Fiovàn'ny Toetrandro.

Ny governemanta ao Môzambika dia mihevitra ny COP27 ho toy ny dingana iray fanararaotra hahazoana famatsiambola ho an'ny resaka toetrandro, hahafahana manatratra ny fikisahana mankamin'ny zara fa fandefasana entona karbôna, mifanaraka amin'ny taridàlana NDC.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.