- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Coca-Cola, ilay mpandoto be indrindra amin'ny fako plastika, manohana ny COP27. Indro ny maha-olana an'izay

Sokajy: Afrika Mainty, Azia Atsinanana, Ejipta, Indonezia, Kenyà, Oganda, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Ny Tetezana - The Bridge

Tavoahangy plastika Coca-Cola ao anaty renirano iray. Sary tao amin'ny  Wikipedia [1] (CC BY-SA 4.0 [2])

Ao anatina asa fanesoesoana goavana, ny Coca-Cola, ilay goavana indrindra mpandoto amin'ny plastika, no mpanohana ny COP27 [3], ilay kaonferansa lehibe indrindra erantany ho  an'ny tontolo iainana, izay hatao ao Sharm El Sheikh, Ejipta, ny 6 hatramin'ny 18 Novambra. 

Na dia maro aza no azo tsikeraina mikasika ny fihaonamben'ny COP27 amin'ity taona ity (tahaka ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Ejipta sy ny famoretana ny fiarahamonina sivily), dia tena zava-manahirana tokoa ny fanohanan'ny Coca-Cola ary mety hampihemotra ireo fihetsiketsehana ara-tontolo iainana sy fanoherana ny plastika mihitsy aza.

Ny faran'ny volana Septambra , nambaran'i Ejipta ny fanekeny ilay fanohanana ary avy hatrany di noraisin'ny Coke ho dokambarotra miabo izany. Nambaran'ny filoha lefitry erantanin'ny Coca-Cola, tomponandraikitry ny Politika ho an'ny daholobe sy ny Fanohanana, Michael Goltzman, fa : “Noho ny fiarahamiasa amin'ny COP27, ny rafitra Coca-Cola dia mikendry ny hanohana ny hetsika iombonana hanoherana ny fiovan'ny toetrandro.”

Saingy ara-drariny ny fanoheran'ireo mpikatroka – ary mitombo ny fanoherana.

Mahamenatra. Ilay tena goavana mpandoto amin'ny plastika ,@CocaCola, no mpanohana ny @COP27P [7] 😡
99% n'ireo plastika dia vita avy amin'ny solika fôsily. Manimba ny tena tanjon'ilay hetsika tadiaviny ho tohanana ity fiarahamiasa ity.

Ny fikambanan'ny fiarahamonina sivily, Clean up Kenya, dia miantso ity hetsika ity ho “maharikoriko [10]” ary nanamarika fa efa ho ny antsasak'ireo fako-na tavoahangy plastika hita ao Kenia dia avy amin'ny Coke avokoa.

Ilay Ogandey mpikatroka momba ny Toetrandro sady masoivohon'ny UNOCHA, Nyombi Morris, niteny teo amin'ny BBC fa [11] : “Rehefa ny mpandoto no manjaka amin'ny fifandresen-dahatra mikasika ny toetrandro, dia tsy hahazo vokatra tsara isika. Amin'ny maha-Afrikana mpikatroka ahy, matahotra aho fa mbola ho be lavitra ireo farihinay no ho feno plastika indray.”

Ireo mponina amin'ny firenena kely fidiram-bola dia manana rariny ho tezitra amin'ny Coke. Nandany vola an'arivony tapitrisa dolara ilay orinasa goavam-be tamin'ny famoahana ny vokatra [12] avy aminy ho any amin'ireo firenena kely fidiram-bola sy antonontonony, nefa zara raha manao ezaka hahazoana fotodrafitrasa sahaza hitantanana ireo fako miditra.

Niaina izany mivantana i Indonezia, firenena iray malaza [13] amin'ny fahalotoana entin'ny plastika. Araka ny voalazan'i Nina van Toulon, mpanorina sady filohan'ny Indonesian Waste Platform [14]. “Mandehana any amin'ny tanàna izay farany lavitra indrindra eto ianao, amina ora maro miainga na aiza na aiza, ary misy rano amin'ny tavoahangy sy Coke. Fa avy eo, doran'ireo mponina ao amin'io tanàna io izany. Manao ezaka amin'ny fanaterana ny vokany mankany amin'ireo tanàna ireo ilay orinasa saingy tsy manao ezaka akory amin'ny fanesorana ireo fako plastika tsy ho ao an-tanàna.”

Tamin'ny Oktôbra, niforona ny angon-tsonia iray ao amin'ny  change.org [15] nangataka ny ONU mba hanala ny Coca-Cola amin'ny maha-mpanohana ara-bola azy,  ary nahangona sonia maherin'ny 236.000 hatramin'ny fotoana nanoratana ny lahatsoratra. Navoakan'ny mpikarakara ity fanambaràna manaraka ity, miaraka amin'ilay fanangonan-tsonia :

Solontena tamin'ny COP26 tany Glasgow aho. Nahatsiaro ho diso fanantenana aho matetika – nisy fotoana aho nitomany. Mahavaky fo ny fitsofohan'ireo orinasa ao anatin'ilay fihaonambe – ireo Mpitantana Jeneralin'ny notsongaina avy amin'ireo mpandoto goavana indrindra eran-tany, tsy menatra akory mitaona ireo mpanao politika mba hiaro ny tombontsoany sy hanabontsinana ny tombontsoany, miteny amintsika ny fomba ahafahantsika mamonjy ny planeta raha toa isika mividy betsaka ny entany.

Heverina ho fivorian'ireo mpitondra nasionaly ireny kaonferansa COP ireny, manolo-tena ho ao anatin'ireo fifandresen-dahatra maika mba hisorohana ny fiovan'ny toetrandro, fa tsy ho sakafo andaniana dôlara an-tapitrisa ho an'ireo orinasa mpandoto sy ireo mpanao adisisika avy amin'izy ireo.

Tokony atsahatry ny UNFCCC  androany ny fandraisana fanohanana avy amin'ireo orinasa – atomboka amin'ny fanilihana ny Coca-Cola amin'ny maha-mpanohana ara-bola ny COP27 azy.

Trangana boky mikasika ny fanadiovana ho maitso ataona vondron'orinasa io – afaka manamafy ny marikany ny Coca-Cola ary mampivady azy amin'ny hetsika ara-tontolo iainana, toy ny manome fahatsapàna hoe anisany vahaolana izy fa tsy iray amin'ireo tomponandraikitra goavana nahatonga ny olana.

Raha ny marina, ny tatitray ny fitsirihana ho fanamarinana nataon'ny NGO Break Free From Plastic [16] tamin'ny taona 2021 no nampahatsiahy fa ny Coca-Cola no tena goavana indrindra mpandoto amin'ny plastika indrindra eran-tany nandritra ny efatra taona nifanesy. Ary na dia mbola miandry ireo vokatra ho an'ny taona 2022 aza dia azo heverina fa mbola handresy hatrany izy ami'ity taona ity.

Tamin'ny taona 2019, niaiky [17] ny orinasa fa nampiasa fonosana plastika 3 tapitrisa taonina tao anatin'ny taona iray. Isantaona dia mamokatra ihany koa izy 120 lavitrisa  amin'ireo tavoahangy plastika izay tsy ampiasaina afa-tsy indray mandeha monja.

Mpikatroka mafana fo mpiaro ny tontolo iainana, John Hocevar, lehiben'ny Greenpeace USA Oceans Campaign, no nilaza fa ilay fanohanany dia “manohintohina ny tena tanjon'ny hetsika izay tadiaviny ho tohanana”. Nampiany fa “mamokatra tavoahangy plastika ariana avy hatrany miisa 120 lavitrisa isan-taona ny Coca-Cola – ary vita avy amin'ny solika fôsily ny 99% amin'izany,  vao mainka manaratsy ny krizy entin'ny plastika sy ny krizin'ny toetrandro”.

Ny olana amin'ny plastikan'ny Coca-Cola

Tamin'ny volana Febroary tamin'ity taona ity, nampanantena betsaka mikasika ny toetrandro ny Coca-Cola fa hampihena hatramin'ny 25 isanjato ny famokarany plastika [18] mandrapahatongan'ny taona 2030 ; na izany aza, tsy namoaka drafitra mazava izy hanaovana izany ary, hatreto dia toa mirona kokoa amin'ny famotsiana ny marikany izy fa tsy amin'ny fitadiavana vahaolana tena izy.

Tao anatin'ny tatitra 2021 navoakany, nomarihan'ny Break Free From Plastic fa tamin'y taona 2019, nampiasa vola 4,24 miliara dolara amerikàna ny Coca-Cola ho an'ny dokam-barotra sy ny varotra ary 11 tapitrisa dolara monja no ho an'ny fandaharanasany momba ny tontolo iainana tamin'io taona io : fandaharanasa fanadiovana renirano. Toa mitovitovy amin'ny fanaovana dokam-barotra ilay izy fa tsy tena faolorantena ho amin'ny fanadiovana ireo vondrom-piarahamonina iharan'ny fandotoana plastika akory. Hoy ny tatitra hoe :

Ny fomba tsara indrindra ho an'ny Coca-Cola hampihenana ny dian-tànany plastika dia manomboka amin'ny fanenana ny fampihenana ny famokarana azy io voalohany indrindra, fa tsy hoe  fanadiovana azy rehefa tonga eny anatin'ny tontolo iainana. Ireo tena mpandoto amin'ny plastika, toy ny Coca Cola, dia mankamamy ny fandaniana vola amin'ny fanadiovana ny marika ho maitso, fa tsy ny fieritreretana izay fanovàna ny fonon'ny vokany na ny rafitra fanaterany ny vokatr'izy ireo hanakaiky ny mpanjifany. Amin'ny tsy fandraisana fepetra tena izy hamahana ny olana ifotony dia afindran'ireo orinasa mpandoto ireo any amin'izay tsy dia tomponantoka loatra amin'ny krizin'ny toetrandro sy plastika ny enta-mavesatra, anisan'izany ireo tanora, ny vondrom-piarahamonina kely fidiram-bola sy ireo firenena tatsimo.

Ary ny porofo dia tsy manao afatsy ny manamarina ny filazan'ny Break Free From Plastic. Tatitra fanadihadiana iray sy fandraketana an-tsoratra iray tafaporitsaka navoakan'ny The Intercept [19] no nilaza fa nandritra ny ampolon-taona maro, nanohitra ny politikan'ny fanaraha-maso ny plastika tao Etazonia ny Coca-Cola, izay mametraka ireo orinasa ho tomponandraikitra amin'ny fako plastika izay vokarin'izy ireo. Vola an-tapitrisany no nafafiny hanoherana ilay volavolan-dalàna manohitra ny fanodinana indray ny plastika sy nanaovany adisisika mafy ny tsy haha-tomponandraikitra. Mampihoron-koditra ireo firaketana ary manome fomba fijery ratsy amin'ny fomba izay iasan'ny fanaovana adisisika any anaty sehatr'ireo orinasa goavana be – amin'ny filaza hafa, ny vola no fahefana ary ny fahefana dia ny hery mitaona.

Raha tiantsika ny hitondra fiovàna lovainjafy  / maharitra dia tsy maintsy ovàna io rafitra io. Tsy tokony ho afaka hividy ny lalàna hialàny andraikitra amin'ny fandefasana entona miteraka hafanàna ireo orinasa. Raha marina ny tombatomban'ny toetrandro, mba hialàna amin'ny loza ateraky ny toetrandro dia manana sivy taona [20] eo ho eo isika (amim-panantenana ny tsara). Mba hanaovana izany, tokony hanova hatrany amin'ny fotony ny maodeliny ara-barotra ireo orinasa mpandoto – na isika, amin'ny maha-olompirenena antsika, dia tokony hanova izany ho azy ireo ary handà ireo orinasa izay mihevitra fotsiny ny fanolorantena ho an'ny tontolo iainana ho toy ny fitaovana ara-barotra ho an'ny orinasa.

Mandra-pahatongan'ny Coca-Cola ho eo amin'ny latabatry ny tsy fihatsarana velatsihy, miaraka amin'ny tena drafitra fampandrosoana maharitra, tsy tokony handray azy ho matotra isika amin'ny maha-mpamatsy vahaolana azy ho an'ny toetrandro – ary tsy tokony hanohana ny fivoriam-be goavana  indrindra iresahana ny tontolo iainana amin'ity taona ity. Hatreto, dia tsy hafa fa orinasa iray io manandrana mandresy lahatra ireo mpanjifa amin'ny ankosotra loko maitso manjelatra.

Raha toa ireo mpikarakara ny COP27 sy ny tomponandraikitra amin'ny ONU maniry marina ny hitondra fiovàna amin'ny ady amin'ny fiovan'ny toetrandro, dia handray fepetra matotra izy ireo ary handà ny fanohanana ataon'ny Coca-Cola.