Sarin-tsaka goavana amin'ny rindrina: Arabe ara-javakanto ao Odesa nahazoana aingam-panahy avy amin'ny ady, saingy tsy izay ihany

 

Fiara Sovietika taloha ao afovoan'i Odesa, nolokoana tamin'ny sarina saka malaza LBWS. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Inoana fa zatra amin'ny endriky ny rindrina, ny manoloana ny trano, ny kioska izay tsy manam-paharoa ao Odesa sy any amin’ny tanàndehibe hafa ny olona rehetra monina na mitsidika any an-toerana: saka goavana mitsiky misy sonia LBWS. Iza anefa ity maherifon'ny zavakanto an-dalambe ity?

Saka mitsilailay mitanin'andro eny an’araben'i Pushkinskaya, iray amin'ireo toerana lehibe ao afovoan-tanànan'i Odesa. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

Nifandraisan'ny Global Voices (GV) ilay mpanakanto izay nampahafantatra ny momba azy ireo sy ny tetikasany ao amin'ny kaonty Instagram-ny amin'ireo litera efatra mifono mistery ary nilaza fa ny renisoratra voalohany amin'ny teny Rosiana izay midika hoe: Лучше (tsara kokoa), быстрее (haingana kokoa), выше (ambony kokoa), сильнее (matanjaka kokoa) no dikan'ilay fanafohezan-teny. Nampian’ny LBWS fa “manondro ny fotoana nanaovan’izy ireo fanatanjahantena” izany.

Raha nanontaniana tamin'ny fisafidianana saka goavambe i LBWS, avy any Odesa, dia nanazava fa tamin'ny taona 2017 no nanombohan’izy ireo, tamin'ny alalan'ny tenirohy #animalbws, mba hanehoana ireo biby ao anaty lisitry ny tandindonin-doza, ary nampiditra ny sakadia Eoropeana izay lasa malaza indrindra teo amin'ny vahoaka. “Ankoatra izany, iray amin'ireo mari-pamantarana tsy ofisialy manondro an'i Odesa ny saka”, hoy ihany ilay mpanakanto. Fantatra tokoa i Odesa amin'ny maha-tanàndehibe feno saka ny tokotany (kianja) sy arabe tranainy ao aminy izay omen'ny mponina sakafo sy karakarainy.

Seranan-tsambo sady toeram-pitsangatsanganana ihany koa ny tanàndehibe, izay hivarotan’ny olona sy anjifàny trondro, ary matetika izy ireo no mankeny amoron-dranomasina sy eny amorontsiraka mba hanjono.

Ao Odesa, goavana ny graffiti mampiseho saka — matetika mihoatra ny roa metatra — ary tsikaritra noho ny lokony marevaka, nefa koa misy hafatra mahery vaika miaraka amin'ireo sary. Araka ny fanazavan'i LBWS, tsy ao Odesa ihany no misy ny zavakanton'izy ireo fa any amin'ny faritra miisa dimy hafa ao Okraina ihany koa — ary any amin'ny toerana iray any Bosnia sy Herzegovina izay mizara ny loko manga sy mavo mitovy amin'ny saina Okrainiana.

Manazava i LBWS fa ampahany kely amin'ny zavakanto an-dalambe ihany no natokana ho an'ny ady ao Okraina, kanefa:

Но так как эта тема сейчас на слуху , не удивительно что наибольший отклик имеют именно военные рисунки.

Koa satria misarika ny sain'ny besinimaro ankehitriny ity lohahevitra ity, dia tsy mahagaga raha ny kisarisary misy lohahevitra ara-miaramila no mahazo fanehoan-kevitra betsaka indrindra.

Ity misy rakitsary fohy manambatra ny sary nalaina teny an'araben'i Odesa sy ny hafa avy amin'ny kaonty Instagram LBWS.

Sarin-tsaka nataon’i LBWS ao afovoan-tanànan'i Odesa miaraka amin’ny teny hoe “Бути добру” izay midika hoe “tsara fanahy.” Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

 

Natao hosodoko amin'ny fiara sovietika tranainy iray ao afovoan-tanànan'i Odesa eto ny saka malazan’i LBWS. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

 

Ny sakan’i LBWS mankafy dite mafana iray kaopy, toa izany mihitsy. Sary avy amin'i Filip Noubel, nahazoana alalana.

 

Manana soratra milaza hoe Azovstal ity sakan’i LBWS ity, manondro ny Orinasa fandrendreham-by Okrainiana izay nahatohitra ny fananiham-bohitra nataon’ny Rosiana ary nanjary mariky ny fifaharan'i Okraina tamin'ny ady.

Manondro ny lasopy betiravy izay ataony hoe “anay” ity iray ity, satria io no iray amin'ireo sakafo malaza indrindra any Okraina.

Misy zavakanto maro kokoa hita ao amin'ny kaonty Instagram LBWS.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.