- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tolona hitazonana feo rosiàna tsy miankina ao Môldavia

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Moldavia, Ady & Fifandirana, Fahalalahàna miteny, Fiteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Russia invades Ukraine

Pikantsary avy amin'ny tranonkalan'ny Newsmaker mampiseho ny firafitry ny ao amin'ny efitranom-baovaon-dry zareo.

Ao Môldavia, ny fiteny Rômaniàna sy ny Rosiana izay fiteny ôfisialy, dia samy fitaovana tsy azo ihodiviran'ny fampitam-baovao — indrindra fa ho an'ireo media ao an-toerana. Nitafàn'ny Global Voices i Gala Vasilieva, lehiben'ny toniandahatsoratry ny Newsmaker, [1] sehatra media iray amin'ny fiteny Rosiàna, naompana voalohany indrindra ho an'ireo vahoaka miteny sy mampiasa ny fiteny rosiàna ao amin'ilay firenena, mba hamantarana ny fiantraikan'ilay adin'i Rosia ao Okraina [2] amin'ny fanjifàna ireo media ao Môldavia. Tafa tamin'ny fiteny rosiàna natao tany Chișinău.

Global Voices (GV): Ahoana no fiantraikan'ilay ady tamin'ny pôlitika sy ny tontolon'ny media?

Gala Vasilieva: Sambany tao anatin'ny taona marobe no nanananay governemanta mpomba ny Eorôpeàna, mpandala ny pôlitika mirona amin'ny havanana ary tsy iaraha-mitantana [3] izay nanambara mazava ny fironany: Melohiny ny fananiham-bohitra ataon'i Rosia ao Okraina, ary ataony izay rehetra azony atao amin'ny maha-firenena kely azy voaporitra eo anelanelan'i Romania, Okraina, sy sisintany iray iraisana amin'i Transnistria [4] [repoblika iray nanambara samirery ny fisiany, izay mifehy ny 12 isanjaton'i Môldavia, ary tohanan'i Maosko, saingy tsy ankatoavin'ny manerana izao tontolo izao]. Rehefa nanomboka ny ady tao Okraina tamin'ny Febroary, nisy fitobahana mpitsoa-ponenana marobe ary hitan'ny masonay ny firaisankina tsy mbola nisy toa azy : ireo Môldavy manolotra trano hialofana, sakafo ary fitaovam-pitaterana. Nisy ihany koa fahalinana goavana tamin'ireo vaovao mahakasika an'i Okraina. Taty aoriana kely, hitanay ihany koa teny anaty tambajotra sôsialy ny fisiana kabary fankahalàna ireo mpitsoa-ponenana, izay ny niafarany dia tafiditra tany anatin'ireo lahateny ankapoben'ny media. Raha ny marina, nanao fanadihadiana izahay momba ireo lahatsary niampangàna ireo Okrainiàna mpitsoa-ponenana ho toy ny olona tsy misy fankasitrahana, ary hitanay fa ny olona sasany nanatontosa ireny lahatsary ireny dia tsy tena mponina avy ao Môldavia. Ny nahafantaranay izany dia avy amin'ireo fiteny manokana nampiasain-dry zareo amin'ny fiteny rosiàna ao anatin'ireny lahatsary ireny, izay tsy fampiasanay aty. Tsy maintsy ambarako fa tena nahomby tamin'ny ankapobeny io fanentanana io, indrindra fa tany amin'ireo faritra izay ahitàna olona mirona amin'ny fanjifàna ireo media avy any Rosia.

Araka ny anazavan'i Vasilieva azy, iray amin'ireo tena zava-manahirana ny fiarahamonina môldavy ny sondro-bidim-piainana:

Vasilieva: 40 isanjato eo ho eo amin'ireo vahoaka ao Môldavia no mankasitraka, amina haavo samihafa, ilay setrasetran'i Rosia. Iray amin'ireo antony mahatonga ny tarehimarika tahaka izany ny fanamby ara-tsôsialy sy ara-toekarena atrehan'ny vahoaka eto miaraka amin'ny sondro-bidim-piainana mahatratra 30 isanjato ary ny fidangan'ny vidin'ny angovo. Ny governemanta môldavy amin'izao fotoana no omen'ny vahoaka tsiny amin'io tahan'ny sondro-bidim-piainana io, ary tondroiny mivantana ny fandaharam-potoanan'i Chișinău hiditra ho ao anatin'ny Fiombonambe Eorôpeàna. Nefa raha ny marina, ilay ady no tena niteraka ilay sondro-bidim-piainana, zavatra izay lavin'ny sain'ny maro ny hanaiky azy, na ny hisaintsaina azy fotsiny aza. Mijery an'i Okraina ny olona, firenena izay ny governemanta ao aminy no nametra ny vidiny ambony indrindra amin'ny entona, ary raha lafo ny entona any Môldavia, dia hadisoan'ny governemantany izany, araka izany dia tsara kokoa ny manao ho laharam-pahamehana ny fifandraisana amin'ny Rosia amin'ny hoavy.

Tsipika iray mampivaky koa, araka ny fanazavàny, ny fivakisana ara-pitenenana. Ny Newsmaker dia noforonina hameno io fahabangàna ara-pitenenena io:

Vasilieva: Misy olona tsy mahazo izay lazaina amin'ny fiteny romaniàna ao Môldavia, ho azy ireo dia ny fiteny rosiàna no vavahady misokatra mankamin'ny fahafahana manjifa ireo vaovao, indrindra fa amin'ny alàlan'ny fahitalavitra sy ny aterineto. Ny foko vitsy an'isa indrindra ao aminay dia ny rosiàna no tena fiteny ampiasainy, tsy misy hafa amin'ireo olona ao Transnistria, kanefa ny governemantanay tsy mbola manana pôlitika sahaza ho entina mampiaty azy ireny sy hanomezana fampianarana tsara kalitao ny fiteny romaniàna. Tafiditra anaty toedraharaha adaladala isika rehefa avy amin'ireo famatsiambola ataon'ireo vahiny malala-tànana fa tsy avy amin'ny governemantantsika ny fanohanana ny fampianarana ny fiteny romaniàna, ohatra ny ao Gagauzia [faritra ao Môldavia izay ny maro an'isa mipetraka any dia ry zareo Gagauz, [5] foko tiorka ary mazàna mampiasa sy miteny rosiàna]!

Io no antony nametrahana ny Newsmaker, izay tamin'ny fiteny Rosiàna ihany aloha tany am-piandohana, satria notadiavinay ny hanana tena loharano tsy miankina amin'ny fiteny rosiàna tsy hiditra hanao fampielezankevitra. Ny mahaliana, nanao fanadihadiana izahay ary nahatsikaritra fa ny antsasak'ireo vahoaka no manana ny fiteny  romaniàna ho tenindrenin-dry zareo, saingy mamaky anay ry zareo noho izahay manolotra zavatra somary tsy dia fahita firy ao Môldavia: votoaty fandalinana. Niainga tamin'io, nanapaka hevitra izahay ny hamorona dika amin'ny fiteny romaniàna, kanefa mbola ilay amin'ny fiteny rosiàna no mbola mijanona ho be mpamaky indrindra. Tsy ny tsy fisian'ny fahalalahana maneho hevitra no olana ao Môldavia, mifanohitra amin'izay mitranga ao Rosia, fa ny tsy fahampian'ny fanabeazana momba ny media. Sampandraharaha maro avy amin'ny fanjakana no manara-maso ny votoatin'ny fahitalavitra, ary voasazy izay fantsom-pahitalavitra mandika lalàna, saingy malalaka kosa ny aterineto hamokatra sy hanaparitaka izao zavatra rehetra izao.

Ankehitriny, mamaky betsaka anay ny vahoaka ao Transnistria satria ny ankamaroan-dry zareo no tsy miteny romaniàna, etsy andaniny koa dia manana fifantohana manokana amin'io faritra io sy ny ao Gagauzia ny Newsmaker, araka izany dia lasa fotsiny ho toy ny hoe izahay no loharanom-baovao voalohany momba an'i Môldavia amin'ny fiteny rosiàna amin'ny ankapobeny. Fantatray ihany koa fa adikan'ireo vahoaka ao Transnistria ireo fitaovana ato aminay ary zarain-dry zareo any anatin'ireo vondrona Viber, fandefasana hafatra tena malaza ao amin'io faritra io. Ao anatin'i  Rosia, voabahana ny tranonkalanay raha toa ianao ka tsy manana VPN, ary ao Transnistria dia ambany fanarahamason'ny governemanta daholo ireo media.

Nefa na tena ilaina fatratra aza, miatrika fotoan-tsarotra ny Newsmaker vokatry ny ady, hoy ny fanamarihan'ilay lehiben'ny toniandahatsorany

Vasilieva: Media mitodika amin'ny resaka varotra izahay ary arantinay eo amin'ny pejin'ny  tranonkalanay ny anaran'ireo izay manohana anay: tolotra izay avy amin'ireo Môldavy sy fikambanana vahiny no betsaka. Tany aloha dia ny dokambarotra no nanome ny 20% tamin'ny tetibolanay, saingy hatramin'ny nanombohan'ny ady, nidina ho 10 isanjato io ampahany io. Izahay  tsy mamoaka votoaty izay miendrika dokambarotra na fanaovana adisisika ankolaka, mifanohitra amin'ny zavatra tena fanaon'ireo media môldavy hafa. Etsy ankilany, ny Sputnik rosiàna [6] [media mampiasa fiteny maro ary mpomba an'i Kremlin, miasa miainga avy ao Maosko, efa voasakana hatramin'ny Febroary  2022] no mpifaninana taminay, izay nanana tetibola goavana raha mitaha amin'izay mba azonay takarina, ary afaka mandoa karama tsara, sy manana fidirana amin'ireo teknôlôjia raitra.

Vasilieva dia mampitandrina hoe mbola manjavozavo ny hoavy ara-pôlitika sy sôsialy:

Manana izahay hetsika tarihan'ilay pôlitisiàna sady mpandraharaha fantadaza, Ilan Shor, [7] izay nanambara ampahibemaso fa handoa ny fitaterana mankany an-drenivohitra sy ny sakafo ho an'ireo izay manaiky hanao hetsi-panoherana eo ambanin'ny fanevany eny anoloan'ny biraon'ny governemanta. Raha ny marina, ireny hetsi-panoherana ireny dia mampiharihary ny fitaran'ny fahantrana ao Môldavia: marobe ireo olona no zara raha mandray 200 dôlara amerikàna isambolana, ary mety hahazo 20 dôlara amerikàna isanandro anefa raha mandray anjara amin'ilay hetsi-panoherana. Efa tena very fanantenana ry zareo matoa manao an'io.

Tany am-piandohan'ny ady, efa nanomana ny entan-keliny tanaty valizy ny olona raha toa ka tonga ny fotoana tsy maintsy handosirana. Marobe no mbola miaraka amin'ireny valizy efa vonona ireny, ary efa nanolo ny fitafy mafana ho fitafy amin'ny andro ririnina raha sanatria ka mihamafy sy tonga hatrany Môldavia ny ady ao Okraina. Ny sasany koa miandrandra ny fahatongavan'i Rosia ho toy ny “mpanafaka”. Raha fintinina, miankina amin'izay ho fizotry ny ady ao Okraina ny zavatra rehetra. Reraka ny vahoaka: iainanay ny valanaretina, izao indray ny ady any an-tsisintany, ary ny vidin'ny entona miakatra. Raha misy fahatapahana herinaratra mitranga amin'ny ririnina, tsy haintsika izay mety ho fihetsiky ny vahoaka.

Fihetsiketsehana mpomba an'i Ilan Shor manohitra ny governemanta am-perinasa.  Sary an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana ny fampiasàna azy.