- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

[Afaho ny Zanakay Vavy] mampitsahatra ny fandrimbinana (famoràna) fivaviana ao Nizeria

Sokajy: Afrika Mainty, Nizeria, Fahasalamàna, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta, Bodily autonomy around the world, Young Voices

“Azo atao, amin'ity taranaka ity, ny mampitsahatra ny fanao iray izay manam-piantraikany amin'ny tovovavy sy vehivavy eo amin'ny 130 tapitrisa any amin'ny firenena miisa 29”, hoy ny fanamafisan'ny Lehiben'ny Firenena Mikambana teo aloha Ban Ki-moon nandritra ny Andro Iraisampirenena 2014 Tsy Mila Fandeferana amin'ny Famoràna Fivaviana. Sary Wikimedia Commons avy amin'ny UNICEF / Olivier Asselin [1], 6 Febroary 2015, (CC BY-SA 2.0 [2])

When men are oppressed, it’s a tragedy. When women are oppressed, it's tradition – Letty Lottin Pogrebi.

Rehefa ampahoriana ny lehilahy dia loza izany. Rehefa ampahoriana ny vehivavy dia fomban-drazana izany – Letty Lottin Pogrebi.

Tombanana ho 200 tapitrisa ny tovovavy sy vehivavy [3] iharan'ny fomba famoràna Fivaviana (FGM- Female Genital Mutilation) any amin'ny firenena Afrikanina 30, Afovoany Atsinanana ary Azia. Mamoy ny ainy vokatr'izany ny roa ampahatelon'izy ireo isan'andro, izay mitaky fandraisana fepetra avy amin'ny fanjakana avy hatrany mba hampitsaharana ny fomba fanao toy izany, hoy ny Sampan'ny Firenena Mikambana Momba ny Fahasalamana (WHO [3]-OMS). Tombatombana [4] ho manana 19,9 tapitrisa tafavoaka velona, laharana fahatelo ahitana vehivavy sy tovovavy betsaka niharan'ny FGM maneran-tany i Nizeria.

Fanesorana ampahany na manontolo ny taovam-pananahana ivelany amin'ny tovovavy noho ny antony kolontsaina/tsy ara-pitsaboana ny Famoràna Fivaviana (FGM). Na dia marotava aza ny anton'izao fomba fanao izao, ny marina fototra iray dia mariky ny tsy fitoviana lalim-paka eo amin'ny lahy sy ny vavy  ny FGM, araka ny neken'ny [3] OMS. “Anton-javatra lehibe izay mandrisika ny fahatezàny ny kolontsaina sy ny fomban-drazana” hoy ny  [5]Dr. U. U. Epundu sy ny mpikaroka dimy hafa misahana ny fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Hopitaly Oniversiteran'i Nnamdi Azikiwe any Nizeria atsimo-atsinanana. Milaza ny [6] PubMed, tahirin-kevitra fitahàna sy famintinana ireo siansan'ny fiainana fa manohy “mifehy ny ara-nofon'ny vehivavy” ny FGM. Ny antony hafa, araka ny filazan'ny PubMed, dia ahitana ny “faniriana mba ho ekena eo anivon'ny fiarahamonina sy ny tahotra ahilika ara-tsosialy.”  “Heloka bevava manohitra ny maha-vehivavy” miampy “vesatra ara-pahasalamana sy ara-bola” ny  FGM izay matetika mety hitarika fahafatesana, hoy ny navoitran'i Epundu.

Ny voka-dratsin'ny [3] FGM dia ahitana ny fandehanan-drà mafy, olana rehefa mivalan-drano, kista any aoriana, aretina ary olana ara-tsaina. Misy ihany koa ny fahasarotana amin'ny fiterahana ary mitombo ny mety ho fahafatesan'ny zaza vao teraka. Manimba ny vatana ary manimba ny taovam-pananahana salama sy ara-dalàna izany. Lafo be [7] ny fitsaboana ny FGM ary maro amin'ireo vehivavy ireo no tsy mahavidy izany, ka mahatonga azy ireo ho mora voan'ny aretina.

Nanjary fandikan-dalàna azo saziana araka ny Lalàna Fandraràna ny Herisetra amin'ny Olona ao Nizeria tamin'ny taona 2015 [9] ny FGM sy ny endrika hafa amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy. Na dia izany aza, vitsy ny fanamelohana noho ny tsy fahampian'ny fanentanana ny vahoaka [10] sy ny tsy fankatoavan'ny fiadidiam-panjakana 17 amin'ny 36 ao Nizeria ity lalàna ity, izay any amin'ny faritra Avaratra ny ankamaroany, araka ny filazan'ny Nigerian Tribune [11].

“Niteraka holatra ny fomba fiasa mahatsiravina”

Afisy momba ny tsy fanekena ny famorana vehivavy ao amin'ny lamba'hosodoko! Sary avy amin'i Rufai Ajala [12], 27 Oktobra 2010, (CC BY 2.0 [13])

Lucy Osuizigbo, mpanao gazety ao amin'ny Premium Times, gazety anjotraa nitantara [14]ny zavatra mahavaky fo niainan'i Rosaline Nkwo (solon'anarana mba hiarovana ny fiainany manokana), tafavoaka velona tamin'ny FGM:

I am in my late 50s with shattered aspirations; no husband, no children or a family of my own due to the barbaric practice of female genital mutilation that was carried out on me when I was a two-year old. My mother told me that my case was a peculiar one because it was done without Anaesthesia and I struggled so hard when I could not stand the searing pain arising from the bad cut that had to be stitched. This barbaric act led to an irritating formation of Keloids and scar tissues around my genitals which scared men whenever they tried to get intimate with me. This crashed my two marriages and made me become lonely, angry, useless, lost, abandoned and hopeless.

Efa eo amin'ny famaraparanana ny faha-50s taonako aho, rava ny fikasako; tsy misy vady, tsy manan-janaka na fianakaviako manokana noho ny fomba fanao mahatsiravina amin'ny famorana taovam-pananaham-behivavy nihatra tamiko fony aho roa taona. Nolazain'ny reniko tamiko fa hafahafa ny nitranga tamiko satria natao tsy nisy Anestezia izany ary nitolona mafy aho rehefa tsy zakako ny fanaintainan'ny ratra mafy tsy maintsy nozairina. Niteraka fiforonan'ny Keloids sy holatry ny fery manodidina ny taovam-panananahako izany fihetsika feno habibiana izany izay nampatahotra ny lehilahy isaky ny miezaka manao firaisana amiko. Nandrava ny fanambadiako indroa izany ary nahatonga ahy ho manirery, malahelo, tsy misy ilana azy, very, nilaozana ary tsy manana fanantenana.

Nahatsapa ny havesaran'ny toerany  i Nkwo, 57 taona tamin'ny fotoana namoahana lahatsoratra tamin'ny taona 2016, rehefa nisaraka taminy ny vadiny raha nahita ny taovam-pananahany tamin'ny alin'ny fampakaram-badin'izy ireo. Nambarany fa tsy nahazaka ny saram-pandidiana fanitsiana izy satria tsy ho voaloany ny faktiora. Nanomboka teo dia niaina tao anatin’ny hatezerana sy ny fahoriana ary ny alahelo izy. Nanimba tanteraka ny fiainany sy izay hirika tokony ho azony izany teknika izany. Iray amin'ireo vehivavy maro nanana traikefa tahaka izany vokatry ny FGM i Nkwo. Tsy vitan’izay izany fa anisan’ireo olona an-tapitrisany any Nizeria izay namoy ny zava-drehetra izy.

Osuizigbo amin'ny fiaraha-miasa amin'ny News Agency of Nigeria, dia mitantara ihany koa ny tantarana vehivavy iray hafa, Nneoma, 36 taona, renim-pianakaviana manan-janaka roa rehefa miresaka momba ny zava-niainany sy ny fomba nanimban'ny FGM ny fianakaviany sy ny andraikiny amin'ny maha-vady azy. Noraisin'i Nneoma ho tompon'andraikitra tamin'ny olana ara-panambadiany ny reniny ary nizara tao anatin'ny fanozonana sy ny famelana azy izy:

I had my two children through caesarean section; the doctor said it was due to FGM, my vagina opening is so narrow. It made intercourse painful that I try to avoid sex as much as possible; and I cannot satisfy my husband sexually. When I hear people talk about sex as a pleasurable act, I still cannot understand it because my experience has been a painful one. I feel different and uncomfortable among other women. It has not been easy, but I have to accept and live with my husband’s extramarital affairs.

Niteraka ny zanako roa tamin’ny alalan'ny fandidiana aho; nilaza ny dokotera fa vokatry ny FGM izany, tery be ny fivaviako. Nampanaintaina ny firaisana ara-nofo ka niezaka ny tsy hanao firaisana araka izay azo atao aho; ary tsy afaka manome fahafaham-po ara-nofo ny vadiko aho. Rehefa maheno olona miresaka momba ny firaisana ara-nofo ho toy zava-mahafinaritra aho, dia mbola tsy azoko ilay izy satria nampahory ny zavatra niainako. Mahatsiaro ho hafa aho ary tsy mahazo aina miaraka amin'ny vehivavy hafa. Tsy mora izany, saingy tsy maintsy manaiky sy miara-miaina amin’ny [fampirafesan’ny] vadiko aho.

Manoloana ny hamafin'ny FGM amin'ny fiainan'ireo zazavavy tsy manan-tsiny maro, nampitombo ny firotsahana an-tsehatra any amin'ny firenena maro, tahaka an'i Nizeria ny UNICEF, izay miara-miasa amin'ny Tahirim-bolan'ny Firenena Mikambana momba ny Mponina (UNFPA). Ity fandaharan'asa, [15] izay ao anatin'ny dingana fahatelo amin'izao fotoana izao ity, no mandrisika ireo vondrom-piarahamonina samihafa hanova ny fomba fisainana sy hanova ny fenitra ara-tsosialy. Firotsahan'ny UNICEF-UNFPA an-tsehatra ihany koa ny miaraka amin'ny governemanta Nizeriana miasa hanohanana sy handrisihana ireo lalàna mandràra ny FGM, sady manome antoka ny hahazoan'ny zatovovavy fahafahana hahazo tolotra ara-pahasalamana avo lenta momba ny fiarovana ny zaza.