- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hety volon'ny mpianatra, niteraka fihetsiketsehana tany an-tsekoly tao Angôlà

Sokajy: Afrika Mainty, Angola, Fanabeazana, Fanoherana, Mediam-bahoaka

Araka ny nambaran'i Daniel Moço, mpianatra, tamin'ny Deutsche Welle, tsy raràn'ny lalàna angôley ny fampiasàna hety volo dokodoko na natoraly any amin'ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina. Sary: Giovana Fleck/Global Voices

Hatramin'ny faran'ny Septambra 2022, mandalo fotoan-tsarotra ireo sekoly angôley taorian'ny nivezivezen'ny vaovao hoe voarara ireo taovolo lazaina fa tsy mendrika. Araka ny ambaran [1]‘ny media sasantsasany, ny taovolo lava na “mihoatra ny tokony ho izy” dia antony tsy ahatongavan'ireo ankizy manatrika ny fampianarana any amin'ireo sekoly ao Loandà, izay mbola ny hety volo fohy no tsy maintsy arahana, mba “hiarovana ny fahadiovana”, no sady koa hisorohana ny lazaina fa “fihantsiana herisetra”.

Notanisain'ny [1] iray amin'ireo tale ao amin'ny Instituto Medio Industrial ao Loandà (IMIL), ilay ivon-toerana iantefan'ny resaka, ireo hety volo tsy azo atao ao amin'ny toeram-pianarana tantaniny:

Aqueles estudantes que se apresentarem na nossa instituição com cortes extravagantes, como, por exemplo, com cabelo despenteado ou com um corte com desenhos na cabeça, esses estudantes, logicamente, nós aconselhamos a irem para casa…

Izay mpianatra tonga ato amin'ny sekolinay miaraka amina hety volo mihoatra ny tokony ho izy, ohatra hoe volo misaritaka na feno haingonkaingo eny an-tampon-doha, araka ny lojika, dia iangavianay ry zareo hody any an-tranony…

Kanefa, ny fanehoankevitra dia tao anatin'ny hagagàna sy fanoherana nataon'ireo mpianatra, indrindra fa avy amin'ireo mpianatra nanao taovolo dokodoko na volo lava na ireo tovolahy nirandrana. Efa herinandro mahery io toedraharaha io, ary niteraka diabe fanoherana nataon'ireo mpianatra tamin'ny 8 Oktobra, saingy noporetin'ny pôlisy. Nisy  mihitsy aza ireo mpianatra nosamborina [2]. Nohamafisin [3]‘ireo nikarakara io diabe voalaza etsy ambony io fa fanitsakitsahana mibaribary ny zon-dry zareo ilay fihetsika:

Enquanto estudantes, foi com bastante insatisfação que tomamos conhecimento de que, um estabelecimento de ensino, havia impedido um estudante de assistir aulas, enquanto não cortasse o cabelo, pelo facto desse ser crespo, sendo que o mesmo não acontecia com os meninos que tinham cabelo liso e comprido, ou seja de pele branca…

Amin'ny maha-mpianatra anay, tamin'ny tsy fahafaliana tanteraka no nandrenesanay fa misy toeram-pianarana iray nandràra mpianatra iray tsy hiditra an-dakilasy raha tsy avy mihety volo satria taovolo dokodoko ny azy. Tsy toy izany anefa ho an'ireo tovolahy manana volo lava sy mitsotra, izany hoe ireo fotsy fihodirana…

Araka ny voalazan'ilay [4] mpianatra, Daniel Moço, tamin'ny Deutsche Welle, tsy raràn'ny lalàna angôley ny fanaovana hety volo dokodoko na natoraly any amin'ireo sekolim-panjakana sy tsy miankina:

Achamos um acto de descriminação pela qual condenados esse tipo de atitude porque não há bases para se proibir um aluno de entrar na escola com cabelo natural, grande seja em que estado estiver.

Heverinay fa fihetsika fanavakavahana izany, toherinay araka izany ireny fihetsika ireny satria tsy misy mihitsy, na iray aza, antony andraràna mpianatra iray manana ny volony natoraly tsy hiditra ao an'efitrano fianarana, na toy inona na toy inona endriny.

Ny sasany nampifangaro [4] ilay fanapahankevitr'ireo sekoly angôley tamin'ny fihetsika iray fanohizana ireo fomba fanaon'ny mpanjakana, toa an'i Isidro Fortunato, avy amin'ny Movimiento Ubuntu:

O comportamento destas instituições é um fardo pesado das políticas coloniais e de segregação que vigoraram nas províncias ultramarinas” de Portugal entre 1482 a 1975, altura em que Angola se tornou independente. Tens aqui uma herança de um determinado contexto histórico que foi reaproveitada na sociedade angolana da atualidade porque não houve uma ruptura com o passado histórico.

Fanavakavahana sy enta-mavesatra avy amin'ny pôlitikam-panjanahana ny fihetsik'ireny toeram-pianarana ireny, izay mbola nanan-kery tany amin'ireo faritany ampitan-dranomasina tao Pôrtiogaly, teo anelanelan'ny 1482 sy 1975, fotoana nahazoan'iAngôlà ny fahaleovantena. Lova navelan'ny toedraharaha ara-tantara iray izy io, izay naverina nampiasaina tao anivon'ny fiarahamonina angôley amin'izao fotoana izao satria tsy nisy ny fanapahana tadim-poitra tamin'ny lasany ara-tantara.

Ho setrin'ireo resabe, niditra an-tsehatra [5] nitondra teny miampita iray ny minisitra angôley misahana ny fampianarana, nanasàny ireo toeram-pianarana tsy miankina mba hiady amin'ny fanavakavahana. Ao anatin'ilay taratasy, ny minisitra Luísa Grilo dia nanentana ireo sekoly mba hametraka “tontolo  iray mirindra misy fanajàna ny fahasamihafàna amin'ny fomba samihafa mety hisehoan'ny taovolon'ny mpianatra tsirairay, rehefa tsy manitsakitsaka ny fitsipi-pitondrantena sy ny fitsipiky ny sekoly”.

…o Sistema de Educação e Ensino se rege pelos princípios da igualdade e da proteção da criança, previstos na Constituição da República, bem como pelo princípio da universalidade, previsto na Lei de Bases do Sistema de Educação e Ensino promovendo assim o combate contra todo o tipo de discriminação por razões da ascendência do indivíduo, sexo, raça, etnia, cor, deficiência, língua, local de nascimento, religião, convicções políticas, ideológicas ou filosóficas..

…misy fitsipika mifehy ny fitoviana sy ho fiarovana ny fahazazàna ao anatin'ny rafitry ny fanabeazana sy ny fampianarana, voalaza ao anatin'ny Lalam-panorenan'ny Repoblika, sy ny fotokevitry ny maha-an'izao rehetra izao azy, voalazan'ny lalàna fototry ny rafitra fanabeazana sy ny fampianarana, izay mampiroborobo ny ady hanoherana izay rehetra mety ho endrika fanavakavahana mifototra  amin'ny fiaviana, ny maha-lahy na vavy, ny foko sy firazànana, ny lokon-koditra, ny fahasembanana, ny fiteny, ny toerana nahaterahana, ny finoana, ny fironana pôlitika, fironana ara-potokevitra na filôzôfikan'ny isam-batanolona…

Ampahatsiahivin'ilay tenimita [2] ihany koa fa ireo mpitantana sekoly dia tsy maintsy manaraka ny lalàna sy miantoka ny fanatanterahana ireo fotokevitra ankapobeny mifehy ny rafitra fanabeazana, ary mampiroborobo “ireo paikady fifampiresahana eo amin'ireo mpisehatra ao anatin'ny vondrom-piarahamonin'ny fampianarana, mitodika mankany amin'ny fametrahana ireo fitsipiky ny firaisa-monina ao an-tsekoly izay miantoka ny fiarovana betsaka ireo tsy ampy taona manoloana ireo rehetra endrika fanavakavahana”.