- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpikatroka ampolony notanan'ny polisy nandritra ny famorian'ny antoko mpanohitra tany Azerbaijan vahoaka

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Azerbaijan, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

 

Lehilahy iray niantsoantso hoe “Fahalalahana” nosamborin'ny polisy tao an-toerana. Pikantsary avy amin'ny tatitra an-dahatsarin'ny [1] masoivohom-baovao Turan.

Tany Azerbaijan, nikasa hanao fihetsiketsehana teo ivelan'ny birao fitantanan-draharaha tao Baku renivohitra ny Antoko Mandam-Bahoaka avy amin'ny fanoherana tamin'ny 25 Oktobra. Iray amin'ireo fitakiana navoakan'ny antoko mpanohitra ny fanavaozana demaokratika. Talohan'ny famoriam-bahoaka nokasaina atao, nolavin'ny Birao Fitantanan-draharahan'ny Tanàndehiben'i Baku ny fahazoan-dàlana hanao ilay famoriam-bahoaka. Araka ny tatitry ny fampahalalam-baovao ao an-toerana [2], nanomboka nanodidina ireo mpikambana ao amin'ny antoko sy ireo mpanatrika hafa ny polisy ora maro mialoha ny fihetsiketsehana nokasaina atao. “Tokony ho tamin'ny 3:40 folakandro teo ho eo, nanomboka nisambotra ireo olona rehetra tonga teo, na ireo izay hita niresaka tamin'ny mpanao gazety ny polisy,” hoy ny tatitra [3] avy amin’ny masoivohom-baovao Turan tamin'ny 24 Oktobra.

Fihetsiketseham-panoherana teo anoloan'ny tranoben'ny Fahefana Fitantanan-draharaha ao Baku, nokarakarain'ny Antoko Mandam-Bahoakan'i Azerbaijan, araka ny torohay tsy ofisialy, olona miisa 100 teo ho eo no notanana.

Notanan’ny polisy ny mpikatroka iray nandritra ny famoriam-bahoaka nataon'ny antoko Mandam-Bahoaka tao afovoan-tanànan'i Baku tamin'ny 24 Oktobra 2022.

“Tsotra ny fitakianay. Zonay ny manao fihetsiketsehana. Zonay ihany koa ny fahalalahana hivory. Mitaky fahafahana ho an’ny gadra politika izahay. Takianay ihany koa ny tsy hisian'ny famoizana aina ho an'ny tafika lohalaharana eny an-kianja. Mila sisintany misokatra izahay. Fitakian'ny vahoaka ny fitakianay”, hoy ny vehivavy iray niresaka tamin'ny mpanao gazety nandritra ny famoriam-bahoaka, izay nentin’ny polisy avy hatrany.

Vehivavy zokiolona iray miresaka amin’ny mpanao gazety any an-toerana, mitaraina noho ny tsy fahampian’ny fisotroan-dronono. Pikantsary avy amin'ny tatitra an-dahatsarin'ny [11] masoivohom-baovao Turan.

“Nampianatra nandritra ny dimampolo taona ny vadiko. AZN 300 (176 USD) ny fisotroan-drononony. Ampiakaro ny fisotroan-dronono!” hoy ny vehivavy zokiolona iray hafa.

Hoy ny antsoantson’ireo mpandray anjara hafa tamin'ny famoriam-bahoaka hoe “Fahalalahana!” “Mialà!” “Tsy misy fahalalahana eto amin'ny firenena!” “Fahafahana ho an'ny gadra politika!”

Ho setrin'izany, nilaza ny Biraon'ny Fitantanan-draharaha ao an-tanàndehiben'i Baku fa nolavina [12] ny fahazoan-dàlana hanao famoriam-bahoaka noho ny antony lazaina fa manakaiky toeram-pampianarana, fidirana amin'ny metro ary ny be mpivezivezy ny toerana nokasaina hanaovana ny fihetsiketsehana.

Araka [13] ny tombantombana sy ny fanadihadiana nataon'ireo vondrona fiarahamonim-pirenena ao an-toerana, miisa 100 mahery ireo gadra politika nogadraina any Azerbaïdjan amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny volana May 2022 ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta farany [14] indrindra.