- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ho tafitan'i Jamaika amim-pahombiazana ve ny tetezamita tena ilainy mankany amin'ny angovo azo havaozina?

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana
[1]

Sarin'ny [1] vala iray famokarana angovo avy amin'ny rivotra, nopihan'i OLC Fiber, ao amin'ny Flickr, CC BY 2.0 [2].

Nosoratan'i Fiona Daniels

Ity lahatsoratra ity dia nivoaka [3] voalohany tao amin'ny bilaogin'ny mpanoratra, niaraka tamin'ny fanohanan'ny “Caribbean Energy Transition Journalism Fellowship” (Vatsimpianarana ho an'ny asa fanaovana gazety momba ny tetezamita ara-angovo ao Karaiba) an'ny Climate Tracker [4], ary dika nasiam-panovàna no averina avoaka etoana miaraka amin'ny fanomezandàlany.

Ny ankamaroan'ny angovo ao Jamaika dia saika avy amin'ny arina, solika sy ireo vokatra nafarana hafa avy amin'ny solika. Raha ireo angovo azo havaozina sy ny fako ampiasaina mba hahazoana fanolo mora kokoa sy manaja ny tontolo iainana, ny biôgazy – dia zara raha manome isanjato manify dia manify [5] amin'ny famatsiana angovo ao amin'ny firenena, raha ny angovo azo avy amin'ny rano, masoandro sy rivotra kosa manome ny 11 %.

Noho ireny vokatra ireny mbola afarana dia misy fiantraikany amin'ny harinkarena faoben'ny firenena (PIB) sy ny vidin'ny herinaratra any amin'ny mpanjifa izany, izay marobe amin'izy ireo no avy amina fianakaviana kely fidirambola. Araka ny [6] lazain'ny Global Petrol Prices, hatramin'ny Martsa 2022, ny saran'ny herinaratra tao Jamaika dia avo enina heny (amina firenena miisa 148 ) manerana izao tontolo izao.

Tamin'ny fiandohan'ny Oktôbra, nifanaiky [7] ny sasany amin'ireo tena mpamokatra solika betsaka indrindra erantany hametra ny fatra vokarin'izy ireo, manaisotra roa tapitrisa barila isanandro amin'ny famokarana mba ho fanohanana manoloana ny fitontongan'ny vidin'ny solika – felaka mandrivorivo ho an'izao tontolo izao izay mitolona mba hiarina taorian'ny vokatry ny valanaretina COVID-19 [8] sy ny fiantraika tsy mijanona ateraky  ny fananiham-bohitra ataon'iRosia ao Okraina [9].

Araka izany, ahoana ny fivoaran’ “ilay tanin'ny hazo sy ny rano” [10] amin'ny resaka fialàna amin'ny herinaratra izay tsy azo havaozina amin'ny ampahany betsaka , ary inona no tokony hatao hiantohana ny fizoran'i Jamaika amin'ny làlana tsara mankany amin'ilay tanjony feno fahasahiana, dia ny fampitomboana ny fidiran'ny angovo azo havaozina ao aminy (masoandro, rivotra, rano) ho tonga 30 isanjato amin'ny 2030?

Na eo aza ny fananany toetrandro trôpikaly izay ahazoan'ny faritra avaratra-atsinanana ny rivotra alizay, roa monja no vala famokarana herinaratra ahodin-drivotra [11] ananan'i Jamaika, izay samy tsy dia mahatosika firy, satria tsy mamatsy afa-tsy ireo vondrompiarahamonina vitsivitsy manodidina azy. Tamin'ny 2020, 11 isanjato teo hoe eo monja tamin'ny filàny angovo no nomen [12]‘ny fampiasan'ny Jamaika ireo angovo azo havaozina: 6,5 isanjato avy amin'ny rivotra, ahodin-drano ny 3,5 ary 1 isanjato ny avy amin'ny masoandro.

Araka ny nambaran'ny [13] mpitondratenin'ny mpanohitra, Phillip Paulwell, izay sarintsarina minisitry misahana ny angovo ao Jamaika, dia tamin'ny  2014 no nisy farany ny tsenam-panjakana ho an'ny angovo azo havaozina, fony teo am-pametrahana ireo tetikasa amin'izao fotoana izao mifamatotra amin'ny angovo azo havaozina. Na nisy aza fandrosoana tamin'ny resaka fampihenana ny fandefasana entona miteraka hafanana, 15 isanjato monja no isan'ny fitomboan'ireo angovo azo havaozina, tsy mifanaraka amin'ny tanjon'ny fanjakàna. Niantso ny fanjakàna izy hanafaingana ireo fepetra fahazoana mividy ary hamoaka drafitra momba ny hoavin'ny angovo azo havaozina satria, na efa nisy aza tamin'ny 2015 ny fanadihadiana momba ny fahafaha-manatanteraka tetikasa iray momba ny angovo avy amin'ny rano, vatsian'ny Banky Iraisampirenena, tsy nisy fivoarana mazava hatramin'izay.

Izany akory tsy milaza hoe tsy mbola nisy hetsika hafa mendrika mba efa vita. Tamin'ny 2018 dia 80 isanjato amin'ireo jiro an-dalambe ao amin'ny firenena no navadika ho LED,  ary nambaran [14]‘ny Petroleum Corporation of Jamaica (PCJ) ny fisian'ny hetsika santatra iray ho entina mamatsy fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro ho an'ireo vondrom-piarahamonina kely fidirambola tsy mbola ao anatin'ny tambajotra. Tokantrano 2.000 any amin'ireny vondrom-piarahamonina ireny no tanjon'ilay tetikasa hovatsiana herinaratra vokarina avy amin'ireo loharano azo havaozina, saingy hatramin'ny nanombohana azy, tsy notrandrahana tsara araka izay tokony ho izy io.

Mandritra izany fotoana izany,  lazain'ny Loholona Sophia Frazer-Binns, izay sarintsarinà minisitra misahana ny tany, tontolo iainana ary ny fiovàn'ny toetrandro, fa tsy ampy ny zavatra atao ho fanangonana ny rano sy hitrandrahana [15] ireo loharano hafa, toy ny masoandro. Mino izy fa ilaina ny mampitombo ireo fomba hafa ho famatsiana herinaratra ary hanamoràna ny fahafahana miditra amin'ny angovo azo amin'ny masoandro ho an'ny Jamaikàna rehetra, nampiany hoe ny fanaisorana ireo haba amin'ilay hetsika dia mety ho fandrisihana goavana.

Amin'ny lafiny maro, ireo tanora no mitarika ny fanentanana [16] mankany amin'ny tontolo iainana sy ny angovo maharitra ao Jamaika. Eleanor Terrelonge [17], filohan'y ONG Jamaica Climate Change Youth Council [18] (JCCYC), dia nanosoka hevitra hoe fisian'ny fifaninanana bebe kokoa eo amin'ny sehatry ny famatsiana  angovo dia mety hampihena ny vidiny any amin'ireo mpanjifa. Amin'izao fotoana izao ilay mpamatsy herinaratra [19] ao Jamaika dia misitraka ny fanaovana ampihimamba. Inoan'i [20] Terrelonge fa raha tsy terena ny orinasa Jamaica Public Service (JPS) hampidina ny vidiny, tsy hisy zavatra ho vita. Mahita ihany koa izy fa raha manandrana manamaro karazana ireo loharanon'angovo i Jamaika, dia toy ny mifototra amina fahataitairana na tetikasa fotsiny ihany izany, fa tsy amin'ny sehatra nasiônaly.

Kanefa, ny JPS, izay hany mpisehatra amin'ny angovo azo avy amin'ny rano ao amin'ny firenena no sady mitantana toeram-pamokarana roa, dia manamaivana ny anjara andraikiny ao anatin'ny ezaka ataon'i Jamaika ho fanatanterahana ny tanjony momba ny angovo azo havaozina ho tonga 30 isanjato amin'ny 2030. Ny tomponandraikitry ny serasera ao amin'ilay orinasa, Audrey Williams, dia nanamafy [20] fa io andraikitra io dia miankina [21]amin'ny Government Procurement Entity (GPE) (sampandraharaha misahana ny tsenam-panjakana), izay mitantana ny fividianana ireo fahafahana mamokatra herinaratra vaovao. Nampiany fa ny JPS dia hanohana ny ezaky ny GPE ary hiasa mifanaraka amin'ny Integrated Resource Plan [22] (IRP), izay tondrozotra iray ho fanohanana sy fampanjariana ny hoavin'ny herinaratra ao Jamaika.

Tamin'ny 2018, ny JPS dia nanorina toby “hybride” afaka mitahiry angovo 24MW, izay nahafahan'ilay orinasa nitantana tsara kokoa ny fiantraikan'ny fiovaovan'ireo angovo azo havaozina sy, nandritra ny dimy taona farany, nampiasa ihany koa 80 tapitrisa dolara amerikàna tamina tetikasa fampiasambola ho fitantanana ny vidiny sy mba hahatonga ny tambajotra ho afaka miaritra kokoa no sady mahomby. Misy fanamby hafa, anefa, dia ny hoe misitraka fanampiana ara-bola avy amin'ny fanjakana ny sasany amin'ireo sampandraharaham-panjakana, raha ny hafa kosa “tsy tafiditra manontolo ao anatiny,” midika izany fa tsy mitrandraka ireo tolotra famokarana, fitaterana sy fitsinjarana izy ireny.

Nolazain'i [20] Williams fa raha toa ny mpanjifa ka te-hivadika hampiasa angovo azo havaozina, tena zavadehibe ny fanovàna fomba fiaina mba hiantohana ny tahiry. Ny fotokevitry ny famindràna vesatra — izany hoe fanisahana izay hetsika rehetra tena mpitroka angovo betsaka mba hankany amin'izay andro famokarana angovo — no iray amin'ireo dingana tokony hataon'ny mpanjifa. Afaka mitondra fiovàna goavana ihany koa ireo fitaovana mitsitsy angovo sy ireo fomba fitahirizana.

Zavatra iray hafa azo atao ny mandrisika [20] mpampiasa maromaro kokoa hamokatra ny herinaratra ilain'izy ireo manokana amin'ny fampiasàna ireo fomba azo havaozina, ary mampiditra izany ho ao anatin'ny tambajotran'ny JPS sy mivarotra izany.

Tsy isalasalàna fa miroso mankany amin'ny tanjony hampihena ny famoahana entona miteraka hafanàna sy ny fanjifàna angovo vokarina avy amin'ny solika mavesatra i Jamaika, saingy mihisatra loatra tsy araka izay noheverin'ny maro ny fandehany. Nalefa araka izany ny antso ho an'ny governemanta mba hametrahany misimisy kokoa tetikady fanamaivanana, sy fampiasàna misimisy kokoa ireo loharano tropikaly azo havaozina ananantsika, ary ho an'ireo mpanjifa dia amporisihana izy ireo hahay mitsitsy angovo kokoa sy hifindra any amin'ny angovo azo havaozina.

Tany am-piandohan'ity taona ity, nanambara [23] ny ministeran'ny siansa, ny angovo ary ny teknôlôljia fa miditra anatin'ny dingana izy amin'ny fandrafetana ny dika faharoa amin'ny IRP ao Jamaika, izay mamaritra ireo drafitra ho fampihenana ny vidin'ny herinaratra ary tokony ho vita hatramin'ny faran'ny 2022.

Jamaikàna mpanao gazety mahay fitenim-pirenena roa i Fiona Daniels (Anglisy sy  Espaniôla), im-betsaka no efa nahazo loka tamin'ny fanoratana tao an-toerana ary mafana fo amin'ny firotsahana an-tsitrapo .