Ampangain'ny mpikatroka ny fihenan'ny fahalalahana maneho hevitra ao Filipina

Activists call out President Ferdinand Marcos Jr. for his inaction on climate justice, intensified surveillance and human rights abuses, and his penchant for attending parties.

Miantso ny filoha Ferdinand Marcos Jr. ny mpikatroka manoloana ny tsy fandraisany andraikitra momba ny toetrandro, ny fanamafisana ny fanaraha-maso, ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ​​ary ny fitiavany manatrika lanonana. Sary avy amin'i Altermidya, nahazoana alalana

Nanamarika ny faha-100 andro nitondran'ny Filoha Ferdinand Marcos Jr. ny mpikatroka Filipiana tamin'ny alalan'ny fanaovana fihetsiketsehana teo akaikin'ny lapam-panjakana ao Manila.

Notsikerain'izy ireo ny tetibola 2023 natolotry ny governemanta, izay nampihena ny famatsiam-bola ho an'ny fandaharan'asa tolotra sosialy maromaro ary nanome vola bebe kokoa ho an'ny sampam-Piarovana sy ny fandoavana trosa any ivelany. Niampanga ny filoha vaovao izy ireo noho izy tsy nanao laharam-pahamehana ireo olana maika toy ny fisondrotry ny vidim-piainana, ny krizy ara-tsakafo ary ny fiharatsian'ny tsy fananan’asa.

Nanakiana ny “fihenan'ny sehatra sivika ho an'ny fahalalahana maneho hevitra” ihany koa ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona satria nandrisika ny governemanta izy ireo mba hanova ny politikan'ny famoretana napetraky ny filoha teo aloha Rodrigo Duterte, izay teo amin'ny fitondrana nanomboka tamin'ny taona 2016 ka hatramin'ny Jiona 2022.  Namintina ny fiharatsian'ny zon'olombelona teo ambanin'ny governemanta vaovao ny Hetsika Manohitra ny Tsirefesimandidy (MAT) :

We are disturbed by the shrinking civic space for freedom of expression. Over the past two weeks, we saw the cold-blooded murder of a radio broadcaster, the signing into law of the mandatory SIM card registration which could become a tool for mass surveillance, the brief detention of two labor advocates over trumped up charges, and now the court rejection of the appeal by Ressa and Santos Jr. over their cyber libel conviction.

Sahirana izahay noho ny fahavitsian'ny sehatra sivika ho an'ny fahalalahana maneho hevitra. Tao anatin'ny tapa-bolana lasa izay, nahita-maso izahay fa nisy ny famonoana olona mpampiely an'onjam-peo iray, ny fanaovan-tsonia lalàna tsy maintsy isoratana anarana amin'ny karatra SIM izay mety ho lasa fitaovana fanaraha-maso faobe, ny fitazonana fohy ireo kiady mpiaro ny mpiasa noho ny fiampangana namboamboarina, ary ankehitriny ny fandavan'ny fitsarana ny fangatahan'i Ressa sy Santos Jr. hampiakatra ny raharaham-pitsarana momba ny fanamelohana azy ireo amin'ny fanalam-baraka antserasera

Manondro ny famonoana mpanao gazety roa teo ambany fitondran'i Marcos Jr ny MAT . Nandrakitra fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety miisa 17 ny Sendika Nasionalin'ny mpanao gazety ao Filipina nanomboka tamin'ny volana Jolay.

[FANAMBARANA] MIANGONA NY FANITSAKITSAHANA NY FAHALALAHAN'NY ASA FANAOVAN-GAZETY EO NANDRITRA NY FITONDRANA MARCOS LATSAKY NY 3 VOLANA

Tsy noho ny famonoana fotsiny ihany no manery ny mpanao gazety hangina, toy ny tranga tamin'ny famonoana an'i Percival “Percy Lapid” Mabasa tamin'ny 3 Oktobra lasa teo.

Nanampy ny vondrona hoe: “Marihanay fa nivoady hiaro ny mpanao gazety i Ferdinand Marcos Jr. ary mihantsy ity fitondrana ity izahay hanameloka ny famonoana ny media, ary hamadika ny fampanantenany ho hetsika mivaingana.”

Niresaka momba ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana Ambony izay nanamafy ny fanamelohana ny fanalàm-baraka an-tserasera  an'i Rappler, Tale Jeneraly sy Maria Ressa, nahazo ny Loka Nobel Fandriampahalemana ary ilay mpikaroka Rappler taloha Reynaldo Santos Jr. ihany koa ny fanambaran'ny MAT

Nilaza i Ressa fa hampakatra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana Tampony ny ekipany. Nanampy izy hoe:

The ongoing campaign of harassment and intimidation against me and Rappler continues, and the Philippines legal system is not doing enough to stop it. I am disappointed by today’s ruling but sadly not surprised.

Mitohy ny fanentanana fanorisorenana sy fampitahorana ahy sy ny Rappler, ary tsy manao izay hampitsaharana izany ny rafitra ara-pitsarana ao Filipina. Diso fanantenana tamin'ny fanapahan-kevitra androany aho saingy indrisy fa tsy taitra.

Nasongadiny ihany koa ny lafiny mampiahiahy momba ny raharaha niampangana azy.

Ny fanontaniana: miaina ao anatin'ny Matrix ve isika sa misy fanjakana tan-dalàna eto? Tantara tsy nosoratako na nahitsiko na narahako maso ny famoahana azy tamin'ny fotoana mbola tsy nisian'ny lalàna izay noheverina ho voahitsakitsaka izy ity. Ny fitsongolongolohana toy izany no hahatonga antsika ho amin'izao toerana izao, fa izahay dia hanam-paharetana #HoldTheLine

Farany, niresaka ihany koa ny fanambaran'ny MAT fa ny lalàna voalohany nosoniavin'i Marcos Jr., sy ny Lalàna manery ny fisoratana anarana amin'ny karatra SIM dia mety azo ampiasaina amin'ny fomba tsy ara-drariny ahafahana manara-maso faobe sy manitsakitsaka ny fitana-tsiambaratelon'ny olom-pirenena. Tamin'ny resadresaka tao amin'ny Twitter, manazava ny fomba ahafahan'ny lalàna vaovao manohintohina ny fahalalahana sivily ny Sendikan'ny Matihanin'ny Solosaina:

Melohin'ny CPU ny fanasoniavan'i Prez Bongbong Marcos ny lalànan'ny fisoratana anarana SIM hanankery. Ao anatin'ny fiharatsian'ny krizy sy ny kolontsain'ny tsimatimanota eto amin'ny firenentsika, dia ataony laharam-pahamehana ny lalàna izay voaporofo fa tsy mahomby amin'ny famahana ny heloka bevava ary vao mainka mampidi-doza ny fampahalalam-baovaon'ny olona.

Raha dinihana ny 100 andro voalohany, dia nilaza i Marcos Jr. fa nahomby izy tamin'ny fitondrana manampahaizana manokana maro mba hampihodina ny toekarena sy hanao ny governemanta ho “afa-miasa” indray. Nanome toky ny Filankevitry ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona ihany koa ny Sekreterany misahana ny fitsarana fa manolo-tena amin'ny fampiroboroboana ny zon'olombelona sy ny fanavaozana ny rafi-pitsarana ihany koa ny governemanta.

Police blocked protesters from marching near the presidential palace in Manila.

Nosakanan'ny polisy ny mpanao fihetsiketsehana tsy hanao diabe teo akaikin'ny lapan'ny filoha ao Manila. Sary avy amin'i Altermidya, nahazoana alalana

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.