- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Gazety tantanan'ireo mpianatra ao Thailandy, nampilendalendain'ny Shinoa iray volabe mba hampitsahatra ny asany

Sokajy: Azia Atsinanana, Thailandy, Fifandraisana iraisam-pirenena, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora
Some of the book titles by Chinese dissidents translated into Thai and published by Sam Yan Press. [1]

Ny sasany amin'ireo lohatenim-boky nosoratan'ireo Shinoa mpanohitra ary voadika ho amin'ny fiteny Thai sy natontan'ny Sam Yan Press.

Naboraky ny  [2]Sam Yan press, trano fanontana iray izay mpianatra no mitantana azy ao Thailandy, na nahazo tolotra avy amina orinasa tsy miankina miorina ao Bangkok izy mba hampiatoana ny asany, ka 2 tapitrisa baht na 52.770 dôlara amerikàna no takalon'izany.

Tamin'ny 2017 by Sam Yan no natsangan'ilay mpianatra sady mpikatroka, Netiwit Chotiphatphaisal [3], ho fampiroboroboana ireo boky momba ny demaokrasia. Rehefa nifandimby ny taona, nanonta ireo boky fantadaza an'ireo Shinoa mpanohitra izy io, toy ny an'ilay mpitarika ny hetsipanoheraa tao Hong Kong tamin'ny 2014, Joshua Wong, ilay  nahazo Loka Nobel 2010 momba ny fandriampahalemana, Liu Xiaobo ary ilay Uyghur manampahaizana naiditra am-ponja, Ilham Tohti. Notohanany ihany koa ny #MilkTeaAlliance mpandala ny demaokrasia, natombok'ireo mpikatroka tao Thailandy, Hong Kong, ary Taiwan.

Rehefa nahangona ireo porofo momba io olana io, dia ny fahalemanay no nampiasa loha anay ary nisalasala momba ny hamoahana azy. Saingy androany, nanapaka hevitra izahay ny hanandra-peo. Rahampitso no ho avoaka ny antsipirihany misimisy kokoa. Aza misaraka aminay mba hahazoanao vaovao.
— สำนักพิมพ์สำนักนิสิตสามย่าน | Sam Yan Press (@SamyanPress) 25 Oktôbra 2022

Nambaran'ny Sam Yan fa tamin'ny volana May no nikitika azy voalohany ilay orinasa. Naverina indray izany ny volana Septambra, niaraka tamina fanampim-baovao hoe Shinoa mpandraharaha ilay mpanjifa izay maniry ny hametraka fifandraisana tsara amin'ireo manampahefana ao Beijing amin'ny fanehoana fa manana ny dindony ao Thailandy izy.

Fandikàna ny antsipirihany tamin'ilay imailka tamin'ny 28 Septambra. (6/12)
— สำนักพิมพ์สำนักนิสิตสามย่าน | Sam Yan Press (@SamyanPress) 26 Oktôbra 2022

Fitakiana tao anatin'ilay tolotra ny tsy maintsy hamoahan'ny Sam Yan taratasy manamarina ny faharavàny alohan'ny kaongresy faha-20 an'ny antoko kaominista shinoa [8] amin'ny fiandohan'ity volana ity.

Nohakaikezina Shinoa iray mpandraharaha ny Sam Yan ary nilazàny fa fikasàn-dry zareo ny hametraka fifandraisana tsara miaraka amin'ny governemanta shinoa, ary nangatahany hakatona ny orinasa. Aseho manaraka etsy ambany ny antsipirihany sy ny porofo (fitohizana, 1/12)
— สำนักพิมพ์สำนักนิสิตสามย่าน | Sam Yan Press (@SamyanPress)

Nihaona mivantana tamin'ny solontenan'ilay orinasa ny Sam Yan ho fandavany amin'ny fomba ofisialy ilay tolotra. Nomarihany fa ilay tolotra ara-bola dia ahafahany mandoa ny karaman'ireo olona dimy miasa amin'ny ora feno ao amin'ny orinasany mandritra ny taona roa.

Tao anaty antsafa iray nataony ho an'ny Voice of America, nolazain'ny toniandahatsoratry ny Sam Yan, Jirapreeya Saeboo, hoe ninoany fa natao lasibatra ry zareo [11] noho ireo bokiny manohana ireo hetsika mpandala ny demaokrasia ao Hong Kong, Taiwan, ary Shina.

Heveriko fa noho izahay nanonta ireo boky ho amin'ny fiteny Thai mikasika ny pôlitika shinoa sy momba ireo mpanohitra, momba an'i Hong Kong,  Joshua Wong, momba ny famoretana ao Xinjiang ary tsy ela akory izay momba ny fahaleovantenan'i Taiwan.

Raha ny marina dia mahatsapa ho rahonana izahay, saingy tsy hiova izahay, hotohizanay ny fanontana sy fanavaozam-baovao momba ny pôlitika shinoa sy ireo olana hafa tahaka izay efa nataonay tany aloha. Nefa mila miofana mismisy kokoa izahay mba ho azo antoka  ny fiarovantenanay.

Namoaka fanambaràna iray ny filankevitry ny efitra fanoratana ao amin'ny Sam Yan mba hanazavany ny antony nandraisany fanapahankevitra hamboraka ho fanta-bahoaka ilay tolotra:

Tena mahatsapa feno fankasitrahana an'ireo manampahefana shinoa izahay amin'ny fanekena ny asanay sy ny nahitàn'izy ireo lanjan'ny fahamarinana izay notakianay hatrany hatrany. Tany am-piandohana, natahotra ny hiteny izahay noho ny amin'ny ainay sy ny  fiarovana anay. Na izany aza, io fikitikitihana ny zo  sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety io dia tsy azo odian-tsy hita intsony.

Na nisy iny tranga iny aza, hotohizanay hatrany ny asanay. Melohinay [12] izay rehetra fomba ataon'ny manampahefana hilàna vaniny sy hamiliviliana ny sain'ireo mpankahatra. Farany, entaninay ny gazety rehetra sy ireo anatin'ny sehatry ny fanontàna mba hijoro hanohitra ny sivana ataon'ny fitondràna sy ny “cooption [13]” any amin'ireo vondrona tsy miankina.

Tsy ahitàna soritra fifandraisana fantatra fa misy mihitsy  amin'ilay Shinoa mpandraharaha sy ireo masoivohom-panjakana ao Shina, nefa ilay tranga dia fitaratr'ireo [14] ezaka tsy mitsaha-mitombo atao hanindriana [15]ireo fitantaràna anaty media mpomba an'i Shina manerana izao tontolo izao.

Tsy velona aloha izao ny tranonkalan’ [16]ny Sam Yan hatramin'ny fotoana nanoratana ity lahatsoratra ity, ary efa misy fanadihadiana iray atao hahafantarana ny anton'izany.