Fandripahana tao Nong Bua Lamphu, Thaïlande : miaiky ny hadisoana no sady miroso ihany

Police officers and other officials at Uthai Sawan Child Development Centre after the killing.

Pôlisy sy mpiasam-panjakana tonga tao amin'ny akaninjaza Uthai Sawan taorian'ilay fandripahana. Sary navoakan'ny Prachatai (Loharano: ny tarika mpanao gazetin'ny Pheu Thai Party)

Ny lahatsoratra eto ambany dia navoakan'ny Prachatai, media iray tsy miankina anaty tambajotra ao Thailandy. Ity dika nokiraina ity dia naverin'ny Global Voices navoaka ao anatin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.

Taorian'ilay tifitra tamin'ny 6 Oktôbra nahafatesana olona 37  tao amin'ny faritanin'i Nong Bua Lamphu, avaratra-atsinanan'i Thailandy, nanomboka nisaina ny hadisoana tamin'ny lasa sy mikaroka izay fomba hirosoana hatrany ireo manampahefana sy ny media.

Ny 12 Oktôbra, nodorana tany amina tempoly telo tao Nong Bua Lamphu ny razan'ireo niharam-boina. Araka ny nolazain'i Thai Post, teo ambany fiahian'ny mpanjaka ny fotoana rehetra, natrehan'ny Praiminisitra, ny Jeneraly Prayut Chan-o-cha, izay nisolo tena azy.

Namono tena rehefa avy namono ny vady aman-janany i Panya Kamrab, ilay nanao ny heloka, izay manamboninahitra fahiny tao amin'ny pôlisy. Tempoly iray tao amin'ny faritany Udon Thani akaiky teo no nandoroana ny fatiny. Araka ny nambaran'ny The Manager Online, nanaraka ny razana hatrany amin'ny toerana fandoroana faty ny renin'i Panya Kamrab.

Nandritra iny herinandro iny, nitohy nisarika ny sain'ny firenena manontolo ilay tanàna kely ao avaratra-atsinanana. Notohizan'ireo manampahefana ny fanadihadiany, ary nijanona teny an-toerana ireo mpanao gazety mba hanao fandrakofana mivantana avy eny an-kianja.

Rehefa tsy nahita dindona zavamahadomelina tao anatin'ny vatany, mbola karohan'ny pôlisy hatrany ny hahafantatra izay antony nanosika an'i Panya Kamrab hanao iny hetsika iny. Ao anaty lahatsoratra iray an'ny BBC Thailandy, mihevitra ny jeneraly Surachate Hakparn, lefitry ny fibaikoana ny pôlisim-pirenena, fa noho ny adin-tsaina naterak'ireo trosa be nitambesatra taminy sy ny fahaverezan'ny asany no nahavitan'i Panya Kamrab izany.

Noho ny baikon'i Surachate Hakparn, indray mandeha ihany ireo vavolombelona miisa 180 no azo nalaina am-bavany, mba tsy hitamberimberina amin'izy ireo ilay dona.

Hatezeran'ny vahoaka sy fahavononana hanivana

Ny media sy ireo manampahefana no voalohany indrindra voatondro molotra. Ny maraina taorian'ilay tranga, voaravaka ny toerana fidirana ao amin'ilay akaninjaza, toerana nahafaty ankizy niisa 23 sy mpampianatra roa. Nisy karipetra mena napetraka teo hiatrehana ny fotoana fanateram-boninkazo amin'ny anaran'ny printsesa Sirivannavari. Kanefa, notsarain'ny rehetra ho tsy mendrika ny zava-mitranga ilay karipetra ka dia nesorina talohan'ny fanombohan'ny fotoana notarihan'ny governora lefitra ao amin'ny faritany.

Fotoana ela ireo minisitra avy amin'ny governemanta vao tonga teny an-toerana,  voatery niandry ela ny fianakavian'ireo namoy ny ainy vao afaka nitondra ny vatana mangatsiaky ny havany ho any amin'ny tranompaty, sy nandray ireo vola fanampiana.

Tsy ireo fepetra tsy misy ilàna azy anaty fotoana iainana hazakazaka ihany no fanelingelenana nisy. Nisy mpanao gazety iray avy amin'ny CNN, narahan'ny mpakasariny, azo sary nihanika ny fefy napetraky ny pôlisy ka nandeha haka sary ny ati-tranon'ilay akaninjaza, niteraka hatezeran'ny vahoaka sy ireo media ao an-toerana izany. Ho an'ny maro, tsy hoe fotsiny tsy firaharahiana sy mifanohitra amin'ny etika ny fidirana haka sary ny tao anatin'ilay akany, fa mitovy ihany koa amin'ny fikitikitihana (fanimbàna ireo porofo) eo amin'ny toerana nisian'ny heloka.

Ho valin'ireo fiampangàna nataon'ny Klioban'ireo Solontena Vahiny ao Thailandy (FCCT) sy ny fikambanan'ireo thailandey mpanao gazety (TJA), nanambara ny CNN fa ireo olona teny an-toerana no nanome alàlana ny ekipa hiditra ary tsy nisy mihitsy fefin'ny pôlisy nipetraka tamin'izay fotoana izay. 15 minitra teo izy roa ireo no nanao ny fakàna sary, dia lasa nony avy eo.

Tao anaty fanambaràna iray taty aorian'izay, ny lefitry ny filoha mpanatanteraka sy ny tale jeneralin'ny CNN International, Mike McCarthy, dia nanitrikitrika tamin'ny filazana fa nangataka fahazoandàlana hiditra ireo mpanao gazetin'ny CNN, saingy « ankehitriny dia fantany fa tsy olona nanana fahefana hanome fahazoandàlana ireny olona ireny », ary nampiany fa « tsy tao an-tsain'izy ireo velively ny hanitsakitsaka ny fitsipika, na inona izay na inona. »

Notsipihany fa natsahatry ny CNN ny fandefasana ilay fanadihadiana ary efa nesorina tao amin'ny tranonkalany ilay lahatsary. Ny ekipa CNN tonga teny an-toerana, ilay vehivavy mpanao gazety efa nahazo loka, Anna Coren, sy ilay mpakasary Daniel Hodge, dia nandeha ihany koa nihaona tamin'ny jeneraly Surachate Hakparn mba hiala tsiny. Samy nahazo sazy tsirairay avy ry zareo handoa onitra 5 000 bahts (133 dôlara), ary niangaviana hiala ao amin'ny firenena rehefa hita fa fahazoandàlana hanao fizahantany no nentin'izy ireo niasa.

Sariitatra nataon'i Stephff : Mandingana ny tsipika https://t.co/2ucEz8VTAo pic.twitter.com/ieT0KdBTy5

Tao anaty antsafa nataony ho an'ny Inside Thailand tamin'ny 10 Oktôbra, nambaran'i Surachate Hakparn fa niditra nandritra ny fanomanana ny toerana hanatanterahana ny fotoana natao hanaterana voninkazo ireo olon'ny CNN. Tamin'izay fotoana izay, efa nesorina ny fefin'ny pôlisy ary nisokatra ny vavahady. Maro olona hafa ihany koa niditra tao amin'ilay trano tamin'io fotoana io.

Ankoatry ny CNN, dia media valo avy ao an-toerana ihany koa no nisarika manokana ny saina noho ny fandrakofana « tsy mendrika » nataon-dry zareo momba ilay tranga. Ny 11 Oktôbra, nandefasan'ny Kaomisiôna Nasiônaly miandraikitra ny haino-vaky-jery sy ny fifandraisandavitra (NBTC) taratasy fampiantsoana ny Channel 3HD, Thairath TV, Amarin TV HD, Channel 8, Nation TV, WorkPoint, National Broadcasting Services of Thailand (NBT) sy ny ONE Channel mba hifampiresaka momba ireo fanadihadiana misy ny antsafa nifanaovana tamin'ireo fianakavian'ny namoy ny ainy sy ireo naratra, ary ireo sary manahirana sy maneho ilay vono-olona. Nokianina noho ny lazaina fa tsy fitserana nananan-dry zareo manoloana ireny vaovao manahiran-tsaina ireny ireo media ireo, namerina indray ilay adihevitra efa hatry ny ela momba ny fomba tokony hataon'ireo mpanao gazety rehefa mandrakotra zava-doza tahàka ireny.

Ao anaty antsafa nomeny ho an'ny PPTV, milaza i Teeranai Charuvastra, filoha lefitry ny fikambanan'ireo thaylandey mpanao gazety, manara-maso ny sampana fanavaozana ny media sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra, fa singa telo no tsy maintsy hajain'ny medias rehefa mitatitra votoaty iray saropady ry zareo : ilain'ny besinimaro ve ilay fanadihadiana, mety hitera-pahavoazana ve ary mety ho vita ve ny hitantana izay mety ho tora-bato miverina?

There is no concrete rule. Despite how we draft it, despite how stringent it appears, there is no clear rule. The media and its audience are the only ones who can answer.

Tsy misy fitsipika mazava. Na eo aza ny fomba ataontsika handrafetana azy, na eo aza ny toa fahenjanana, dia tsy misy fitsipika mazava. Ny media sy ny daholobe ihany no afaka mahavaly  izany.

Ao anatin'io fandaharana io ihany, mizara ny fomba fijeriny i Sakulsri Srisaracam, profesora lefitra mampianatra asa fanaovana gazety ao amin'ny oniversite Chulalongkorn : ny  fandrakofana vaovao dia tokony hifantoka amina votoaty iray manontany izay tena antony fototra tamin'ny loza mahatsiravina iray, hitondra ny olona hanalavitra ny alahelony sy hanampy azy ireny hijery tsara kokoa ireo olana amin'ny hoavy.

Dingana iray mandroso ve?

Nisy magazay iray mpivarotra akanjo ho an'ny ankizy ao amin'ny faritanin'i  Lampang namokatra maimaimpoana fanamiana manokana ho an'ny fandevenana ireo zaza 24 maty tamin'ilay tranga. Hita amin'ireo fanamiana ireo ny nofinofin'ireo ankizy ho asa saika hataony any aoriana, nolazain'ireo ray aman-dreny : mpanamory sambon-danitra, infirmiera, mpanamory fiaramanidina, miaramila, mpamono afo, dokotera ary pôlisy.

Nosokajiana ho iray amin'ireo famonoana ankizy namoizana aina betsaka indrindra teto amin'izao tontolo izao sy  nanozongozona ny firenena io tranga io, ary nahatonga antso hisian'ny fandraisana fepetra mba tsy hiverenan'ny toy izany intsony.

Ny 12 Oktôbra, nambaran'ny Praiminisitra ireo fepetra efatra ikendrena ny hiatrehana ireo heverin'ny maro ho toy ny antony lalina niteraka ilay zava-doza : ny fiparitahan'ny zavamahadomelina sy ny fitaovam-piadiana, ary ny tsy fahampian'ny fandaharanasa fanarenana ho an'ireo mpidoroka, ary ny fikorontanan'ny fahasalaman'ny saina.

Tafiditra ao anatin'ireo fepetra ireo ny famoretana ireo tambajotran'ny mpivaro-drongony, ny fampihenana ny isan'ny zavamahadomelina azon'ny tsirairay tazonina, raha tsy izany dia ho henjehina araka ny lalàna sy terena hiatrika fitsaboana fanalàna amin'ny fiankinan-doha, fanamafisana ny fanomezana fahazoandàlana hitazona fitaovampiadiana, fanafoanana ilay fahazoandàlana ho an'ireo efa fantatra fa miankin-doha amin'ny zava-mahadomelina sy ireo tsy salama ara-tsaina ary olona sokajiana ho toy ny loza mitatao ho an'ny fiarahamonina, famoretana atao amin'ireo tsena mivarotra tsy ara-dalàna fitaovam-piadiana.

Suwit Chantaworn, lefitry ny governoran'ny faritany Nong Bua Lamphu, dia nanambara fa nisy drafitra natsangana mba hanomezana tolotra mandritra ny fotoana fohy ezaka, salasalany ary lavitra ezaka ho an'ireo fianakavian'ny tra-doza.

Nandritra ny fandaharana, nandeha tsy ela akory izay, tao amin'ny Thairath TV, Yongyut Wongpiromsant, mpanolotsaina ao amin'ny departemanta misahana ny fahasalamana ara-tsaina, dia niresaka momba ireo olan'ny fahasalamana ara-tsaina manjo ireo mpanao heloka bevava. Raha nitanisa ny fikarohana momba ireo fitifirana hafa, 5% eo ho eo ihany tamin'ireo mpamono no nanana aretin-tsaina. Ny an'ny sasany dia natosiky ny fahaketrahana, ny toaka na ny olany manokana.

Araka ny nolazain'i Yongyut Wongpiromsant dia matetika ireo olona tratry ny aretin-tsaina no mijaly amin'ny resaka fiankinan-doha tsy voatsabo sy ireo fikorontanana mampahita zavatra. Nampiany hoe mampihena betsaka ny mety hisehoan'ny fitondrantena mahery setra ny fanarahana fitsaboana, ary manosoka hevitra izy ny mba hanaovana ezaka hanarenana ireo mpiakin-doha amin'ny zava-mahadomelina.

Momba ireo nahavita heloka bevava ampiasaina any anatin'ny sehatry ny filaminana, heverin'i Yongyut Wongpiromsant fa tsy ampy hamahàna ny olana ny fanesorana ireny olona ireny.  Sosokevitr'ilay mpanolotsaina ny hoe fametrahana  ny fanarahana fitsaboana saina ho tsy maintsy atao, mirazotra amin'ireo fepetra ara-pitsipika ho fanenàna ny ambana haha-lasa mahery setra ireo manamboninahitra fahiny tsy ho lasa mivadika manohitra ny fiarahamonina.

Tena notsinontsinoavina tanteraka kosa anefa ny iray tamin'ireo niharam-pahavoazana tamin'ilay tranga: ny renin'ilay nanao heloka bevava, velona ary misaona, miomana ny handao ny trano fonenany handeha hiaraka hipetraka amin'ny iray amin'ireo zanany, mba hanamaivanany ny rarintsainy sy hanekeny ny toe-draharaha misy.

Nisy fotoana, izy no niantefan'ny fiampangàna sy ny hatezeran'ny olona, saingy nitony ny toedraharaha rehefa navoakan‘ny sampana mpitsabo aretin-tsaina ny fialantsininy noho ny tsy nanatrehany ilay fotoana fandevenana niarahana tamin'ny mpanjaka. Nohazavainy fa faniriany ny haneho fialantsiny, izy tenany mihitsy, amin'ny olona rehetra rehefa mba mihatsara izy.

Ny olona sasany manontany tena hoe nahoana ny reny iray no hizaka ny fanakianana noho ny heloka bevava tsy nataony akory. Tao amin'ny pejiny Facebook, Decha Piyawatkul, mpitsabo aretin-tsaina ao amin'ny hôpitaly Thai Nakarin, manakiana ny zavamisy hoe « fampidirana ny fanaikena ho meloka » atodika any amin'ireo olona izay tsy tomponandraikitra akory tamin'ny zava-tsy nety, nampiany hoe tokony ho ny pôlisim-pirenena aza no hanao fialantsiny :

Claiming [the killer] was no longer a police officer is hideous. He used to be an employee under your affiliation. He had problems all along and when you didn’t have any way to take care of him, you turned him out. That doesn’t mean that you can brush off responsibility.

You’re a public organisation with a public responsibility; you don’t have the rights to brush off the burden.

Mahatsiravina ilay filazana hoe  tsy manamboninahitra ao amin'ny pôlisy intsony  [ilay mpamono]. Mpiasa teo ambany fiahianao izy taloha. Efa hatrany am-piandohana izy no nanana olana ka rehefa tsy nananareo intsony ny ho enti-manana hikarakaràna azy, noroahanareo izy. Tsy midika izany fa hoe afaka manilika ny andraikitra rehetra ianareo.

Sampan-draharaham-panjakana ianareo, mitàna andraiki-panjakana ; tsy zonareo mihitsy ny mandositra io enta-mavesatra io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.