Tatitra Unfreedom Monitor: Fitantanana Torohay

Sarin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fitantanana torohay ity. Vakio ato ny tatitra feno.

Lafiny iray manan-danja amin'ny tsirefesimandidy nomerika ny fitantanana torohay satria hita ao ny karazana fanaraha-maso, fahefana, ary ny fanodinkodinana torohay. Ao anatin'ny tontolon'ny tsirefesimandidy nomerika, ny fitantanana torohay dia mety ahitana mpisehatra ara-panjakana sy tsy miankina izay miara-miasa amin'ny fanjakana mba hanamorana ny fifehezana ireo loharanon-drakitra. Vokatr'izany, zava-dehibe ny miasa miaraka amin'ny fanjakana sy ny fifandraisany amin'ireo mpisehatra tsy miankina amin’ny tanjona hanamafisana ny fahefany amin'ny alàlan'ny fitaovana teknolojika.

Ivon'ny fahefam-panjakana sy ny fifehezana ny fanaraha-maso hatramin'ny nananganana ny rafi-panjakana maoderina. Tany aloha, nampiasa ny fanaraha-maso ny fanjakana tamin'ny alàlan'ny fitaovana sy rafitra nentim-paharazana, toy ny sekoly sy ny fonja. Taorian'ny fivoaran'ny rafitra torohay maoderina sy nomerika, nanomboka nampiasa fitaovana teknolojika vaovao ny fanjakana mba hanaraha-maso ny zavatra ataon'ny olom-pireneny an-tserasera. Manana torohay betsaka momba ny olom-pireneny ankehitriny ny fanjakana manomboka hatrany amin'ny fotoana any amin’ny dokotera ka hatramin'ny fizotran’ny fiantsenana, izay azo idirana mora foana sy ampiasaina amin'ny tanjona politika.

Toetra fototry ny fitondrana tsirefesimandidy nomerika ny fanaraha-maso tohanan’ny teknolojia. Manamora ny fandinihana, fanaraha-maso ary fanasaziana ny olona amin'ny zavatra tsy mendrika ataony amin'ny fitondrana mpampahory.

Olana amin'ny demokrasia ny fampiasana ny teknolojian'ny fanaraha-maso ho amin'ny tanjona tsirefesimandidy ratsy firaketana momba ny zon'olombelona sady koa tsy demaokraty. Noho izany antony izany, mety hahatratra 68 tapitrisa dolara amin'ny taona 2027 ny haben'ny tsenan'ny fanaraha-maso.

Mila miatrika ny fampiasana amin’ny fomba feno famoretana ny teknolojian'ny fanaraha-maso isika mba hiadiana amin'ny tsirefesimandidy nomerika. Ny fitazonana ireo firenena sy orinasa tsy miankina ho tompon'andraikitra amin'ny fanararaotan'izy ireo fitaovana fanaraha-maso no paikadintsika voalohany. Mba hahatratrarana io tanjona io, mila lalàna ara-teknolojia voaomana tsara sy fitsipika ara-politika isika. Mivoatra haingana ny teknolojia, saingy milona kokoa ny fanomanana ny politika sy ny lalàna fa tsy araka ny nantenaina. Vokany, manararaotra tokoa ny fitondrana jadona amin'ny fahabangan'ny lalàna ankehitriny. Afaka misoroka ny mety hisian'ny fanitsakitsahana amin'ny ho avy isika amin'ny alalan'ny fananganana fitsipika ara-politika sy ara-dalàna kokoa. Amin'izany fomba izany, na dia tsy afaka manafoana avy hatrany ny torohain’ny fanjanahantany aza isika, dia mampihena ny heriny ary manampy ireo vondrompiarahamonina lasibatry ny fanjakan'olontokana nomerika.

Vakio ato ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).     Vakio ato ny tatitra feno.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.