Pelaka mpisipa nanomo tena nahabe resaka tao Armenia

Saripika avy amin'i Stanley Dai. Malalaka ny fampiasana azy araka ny Unsplash license.

Niteraka resabe sy fanamelohana ny fankahalana pelaka mieli-patrana ao Armenia ny famonoan-tena nataona pelaka mpisipa tamin'ny 20 oktobra.

Niharan‘ny antsojay anjotra ireto mpisipa izay nolazain‘ny tati-baovao ao an-toerana fa nitsambikina avy eny ambony tetezana iray ireto. Nisy aza moa ny sasany lasa lavitra nanamarina ny fahafatesany noho ny fironana ara-nofo.

Nilaza toa izao ny PINK Armenia, vondrona iray malaza mpiaro ny zon'ny LGBTQ+: “Heverinay fa tsy azo ekena ny manamarina famoizana ain'olona. Mbola nanana taona maro miandry eo alohany ireo tovolahy ireo, saingy noho ny tsy fileferana manoloana azy ireo no nandraisany izao dingana mampalahelo izao. Fantatry ny LGBT tsara ny fahatsapana ho mitoka-monina, izay tsy takatry ny fianakaviana sy ny fiaraha-monina izao. Porofoin'ity tranga mampalahelo ity indray fa sady tsy mahazo antoka ny ainy no tsy arovan'ny fiarahamonina sy ny fanjakana LGBT ao Armenia.”

Tbilisi Pride, fikambanana hafa mpiaro zon'olona hafa fironana, ​​nisioka hafatra fanohanana:

Malahelo izahay mandre vaovao mandravarava toy izany avy amin’ny firenena mifanolo-bodirindrina aminay. Ny fiaraha-miory sy ny firaisankinay indrindra dia mirotsaka ho an'ny vondrom-piarahamonina #LGBT ao #Armenia.

Tsy manana toerana eo amin'ny fiaraha-monina na aiza na aiza ny fankahalana pelaka, ny fankahalana & ny herisetra!

Araka ny tatitry ny Epress.am dia nizara ny sarin'izy ireo tao amin'ny Instagram izy roa ary nahitana hafatra hoe: “Fiafarana mahafaly. Samy noraisinay roa ny fanapahan-kevitra hizara sary sy ny dingana manaraka nataonay.” Ao amin'ny  sary iray, nampiseho fifamatoram-panambadiana izy roa, ao amin'ny iray hafa, nanao saron-tava ry zareo.

Mampanahy ny habetsahan'ny fankahalana azon'ny vondrom-piarahamonina LGBT sy ireo mpiara-dia aminy noho ny fironany sy noho ny firesahana fankahalana pelaka ao Armenia. Ampanginin'ny mpankahala pelaka izay adihevitra rehetra momba ny fankahalana pelaka. Tsy firenena azo antoka hiresahana momba ireo lohahevitra ireo i Armenia, fa avelao hivoaka ho azy!

Tsipalotra vao haingana tao amin'ny Tondro sy sarintany Avana Eoropa ny faharatsian-toeran'i Armenia momba ny zon'ny LGBTQ+. Araka ny Tondro, akaikin'ny gisitra i Armenia, laharana faha-47 amin'ireo firenena 49 ao anaty lisitra.

Teo am-pisaintsainana momba ilay voina nanoratra tao amin'ny bilaoginy GayArmenia sy Unzipped i Mika Artyan hoe: “Tsy izao no fotoana mety…’ – mandre na miteny amintsika isika. Tsy mifidy fotoana mety ny iresahana hatrany ny zon'olombelona. fa raha tsy izany tsy ho tonga mihitsy io ‘fotoana tsara’ io”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.