- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ao Trinite & Tobago, mbola fetibe ankafizin'ny olona avy amin'ny finoana samihafa hatrany ny Divali

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Fivavahana, Mediam-bahoaka
[1]

Fandrehetana ny deya amin'ny Divali tao Trinite. Saripika [1] an'i Georgia Popplewell tao amin'ny  Flickr, CC BY-NC-ND 2.0 [2].

Divali, ilay fetibe Hindoa ho an'ny hazavana, izay mankalaza [3] an'ohatra amin'ny alàlan'ny jiro deyas [4] ny fandresen'ny tsara nanoloana ny ratsy, dia iray amin'ireo fankalazana tena ankafizina indrindra ao Trinite sy Tobago.  Satria ity firenena ao Karaiba ity manana vahoaka mpiavy marobe [5] avy amin'ny ilany atsinanan'i India — izay ny finoana Hindo no manana isanjato be indrindra — dia fety nasiônaly hajaina sy sitrahan'ny ankamaroan'ny mponina ny Divali, tsy ijerena izay finoana misy azy. Anatina fiarahamonina manana kolontsaina marolafy tahàka izany, azo ambara ny fialantsasatra mitovitovy amin'izany ho an'ireo finoana goavana hafa, toy ny Noely sy ny Eid-ul-Fitr.

Satria izay no fenitra ho an'ny fankalazàna tahaka izany, miomana hankalaza ilay andro lehibe ry zareo Hindoa, amin'ny fanadiovana sy fanaingoana ny tranony amin'ny deyas — tavy tanimanga kely miaty diloilo nasiana lahiny, ary arehitra rehefa alin'ny Divali. Mitafy [6] izay akanjony tsara indrindra, manolotra vavaka ireo Hindo ary manolotra fiderana ho an'i Reny Lakshmi [7], ary marobe ireo vondrom-piarahamonina no mitàna ilay fombandrazana [8] mametaka deyas an-jatony maro eny ambonina volotara (bambou) nafolaka hanana endrika isankazarany [9] — zava-mahafinaritra ny maso!

Amporisihina ihany koa ao amin'ny toerana misy ny Divali Nagar [10]  ao afovoan'i Trinite, ny fanahin'ny firaisa-monina, toerana iray azon'ireo olona avy amin'ny karazam-pinoana rehetra aleha mba hankalaza ireo [11] fotokevitra vohizin'ny Divali, hihainoana tantara ary hijerena fampisehoana milaza ny amin'ny fiverenan'i Lord Ram tamim-pandresena nandray ny fanjakany indray taorian'ny 14 taona niainany an-tsesitany, ary hitetezana ireo talantalana mivarotra akanjo ho an'ny Divali, taokanto sy zavatra momba ny fivavahana,  ireo hanim-py sy ny maro hafa. Saika mifototra amin'ny zavamaniry ny sakafom-pianakaviana rehefa alin'ny Divali, izay ny faratampony amin'izany dia ny tsindrin-tsakafo ahitàna ireo zavamamy nentindrazana [12] toy ny kurma sy barfi.

Hatramin'ny taloha ny Divali no efa nanana hery nampitambatra ireo vahoaka miaina kolontsaina marolafy ao Trinite sy Tobago, tamin'ny fakàna ireo fotokevitra toy ny fanekena, fa tsy ny fanaovana zinona, saingy ny saonjo iray lohasaha tsy ilaozan'izay izay hamaràra. Tamin'ity taona ity, bitsika iray manokana, no nisarika ny sain'ny olona:

Tonga mba hividy baiboly ho an'ny renibeko..nandrehitra deyas ho an'ny Divali ilay toeram-pivarotana. Hoy ilay lehilahy nivarotra ny baiboly tamiko “Tsy maintsy alefako ny mozika ara-pilazantsarako amin'ity zavatra ‘jumbie’ narehitry ry zareo eo ivelany ho an'ny Divali ity”
Izaho: omeo ny volako hiverina🙃

Tsy niandry ela ny valin-kafatra, marobe ny olona no tsy nino hoe mbola misy  ny toetsaina tahaka izany [14] ao anatina fiarahamonina iray marolafy sy feno fandeferana amin'ny ankapobeny:

Maninona ny olona “kristianina” sasany no maharikoriko e? Rehefa tsy vitanao ny manova ny fomba mahazatra anao, dia raiso ny safidy hanakombona ny vavanao

Tillahwillah, mpampiasa Twitter, nandeha lavidavitra kokoa tamin'ny fametrahana ilay toetsaina ho ao anatin'ny sahankevitra nitrangàny:

ny dona ara-tsaina mampalahelo sy mahatsiravina manjo ireo voazanaka, tena mifamatotra tanteraka amin'ny fivavahan'ireo nanjanaka an-dry zareo ka tsy hitany intsony ny làlana hombàna. https://t.co/SxojsK2Wy0

Olona iray naneho hevitra tamin'ilay fitohizan-dresaka no momba tanteraka ny fomba fijery hoe “miaina sy mamela hiaina”:

Sento. Nahoana isika no tsy afaka mamela ny olona hiaina? Nahoana isika no tsy maintsy manameloka ny fivavahan'ny hafa? Ataovy amin'ny hafa izay tianao hataony aminao.

Tsy nandalo fotsiny ho an'ity mpampisa Twitter iray ity ny mahatsikaiky nateraky ny fanehoankevitr'ilay mpivarotra:

Mahamonamonaina, Izaho mihevitra fa tokony hanokatra ny baiboly ry zareo dia manopy maso matetika izay teny voasoratra ao

Marobe [21] ireo mpampisa media sôsialy no nanohana [22] ny fanapahankevitr'i Greenidge nitaky ny hamerenana ny volany ka nandeha nividy baiboly tany an-toerana hafa:

Tsy haiko mihitsy hoe nahoana no tsy izay momba azy no isahiranan'ireo “kristianina” sasany. Amin-dry zareo dia tsy araka ny sitrapon'Andrimanitra daholo ny zavatra rehetra & dia mandehandeha eny ry zareo mitsara ny zavatra rehetra sy ny tsirairay. Notakiako haverina ihany koa ny $$-ko

Ny tsindrimpeo eny anatin'ny tontolon'ny bilaogy ao an-toerana, anefa, dia feno fanajàna [24] sy firavoravoana [8], manaporofo hoe hatraiza ny fiakon'ilay fetibe Divali eny anivon'ireo Trinibagoniàna avy amin'ny antokom-pinonana sy foko samihafa. Na aiza na aiza, tsy misy mivoy azy io tsara mihoatra noho ny fampisehoana nataon'ilay mpitendry piano avy ao an-toerana, Johanna Chuckaree [25], tao amin'ilay toerana sarobidy ao Trinite, ilay Tempoly anaty Ranomasina [26]:

Shubh Divali!