‘Antsoy amin'ny anarany ry zareo': Tantaran'ireo Rosiana mpanohitra ady, nogadraina noho ny resaka pôlitika

 Pikantsarin'ny tranonkala Black February. Fampiasana ara-drariny.

Ny Black February dia tranonkala iray natokana ho an'ireo gadra noho ny politika ao Rosia ka ny heloka bevava nataony dia ny nijoroany nanohitra ny ady napoakan'i Rosia tamin'i Okraina tamin'ny 24 Febroary 2022. Tamin'ny Martsa 2022, nankatoavin'ny parlemanta Rosiana ny fanitsiana ny Fehezan-dalàna manome alalana ny fanagadrana tena izy ho an'ny fanoherana ny ady. Ireo fanitsiana lalàna roa mifandraika amin'izany dia ny andininy faha- 207.3 sy ny 280 : samy milaza sazy ho an'ny “fanaparitahana imasom-bahoaka vaovao diso mikasika ny hetsikaataon'ireo Tafika Mitam-piadina avy ao amin'ny Federasiona Rosiana”. Helohina higadra hatramin'ny 10 taona ireo olona voarohirohy araka itsy lalàna farany.

Artista sy mpikatroka manohitra ny ady no olona ao ambadiky ny tetikasa Black february ; araka ny voalazan'ny fampahalalam-baovao Proekt, ny iray amin'izy ireo dia i Sasha Starost, mpikatroka iray sady artista ihany koa.

Misy ireo tantara tsirairay momba ireo izay sahy nanohitra ny fihetsiky ny filoha Poutine, ireo mpiara-dia aminy ary firenena iray izay, noho ny fambaboan'ny fampielezankevitra mafonja sy ny faniriana ny “mba tsy ho voarohirohy”, dia manakimpy ny maso, ny sofina ary ny vava. Firenena iray io izay nandresean'ny fahitalavitrananoloanany vatafampangatsiahana — ‘ fanoharana iray matetika ampiasaina ao Rosia io entina hilazana ny fomba atao mandritra ny propagandyalefaamin'ny fahitalavitra hanasana atidoha tsy handinika ny zavatra rehetra, ao anatin'izany ny toekarena – ary mbola mitohy mahazo ny vata fampangatsiahana, izay anatobiana ny vata mangatsiakan'ireo miaramila vao nahetsika vao haingana.

Ankoatra ireo tantara fanta-daza momba ireo mpanao politika mpanohitra farany namita ny sazy famonjana azy ireo “ho antsika rehetra”, dia misy koa ireo tantara mikasika ny famoretana mandeha an-jambany. Misy araka izany ireo olo-malaza, tahaka an'i Ilya Yashin izay niteny ny fanoherany ny ady teo amin'ny fantsony malaza YouTube sy Telegram. Efa nigadra izy teo aloha noho ny hetsika fanoherana saingy nandà tsy handao an'i Rosia, na dia fantany aza izay mety hanjo azy. Migadra izy ankehitriny miandry ny fitsaràna hanonona ny saziny figadrana 10 taona noho ny “fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tafika Rosiana”. Tranga iray hafa fanta-daza ny an'ilay solombavambahoakan'i Maosko ao an-toerana Alexey Gorinov. Voaheloka higadra fito taona an-tranomaizina izy noho ny “fanaparitahana vaovao diso”. Mitatitra ny Black February fa tamin'ny Martsa 2022, nandritra ny fivoriana nataon'ireo solombavambahoaka ao an-toerana tao amin'ny faritr'i Maosko, nilaza teny masiaka vitsivitsy i Gorinov mikasika ilay “hetsika manokana” ary nanosoka hevitra hanokanana iray minitra fahanginana ho fahatsiarovana ireo Okraniana maty nandritra ny ady. Izy no voampanga voalohany tamin'ny “fitsipika manohitra ny ady” sy nohelohina higadra marina.

Misy koa tranga hafa an'ireo olona tsotra. Voasambotra i Sasha Skolichenko mpanakantona ao St Petersburg raha iny nanova ny etikety misy vidin'entana tao amin'ny trano fivarotana lehibe iray iny ho teny filamatra fanoherana ny ady. Ny pretran'ny fiangonana Ortodoksa Rosiana teo aloha, Ioann Kurmoyarov, izay nanambara fa ireo izay hiady mandritra ilay ady dia hiafara any amin'ny afobe. Ny mpampianatra, Irina Gen, avy ao Penza, dia ireo mpianany no nitoroka azy mikasika ny fanoherany ilay ady. Arkeology iray avy ao Omsk, Yevgeny Kruglov, izay namoaka ireo lahatsary an'i Bucha tao amin'ny VKontakte. Mpianatra iray eny amin'ny Lisea, Yevgeny Fokon, avy ao Novosibirsk, ihany koa noho ny famereenana nandefa indray saingy teo amin'ny Telegram tamin'ity indray mitoraka ity. Mitohy ny lisitra.

Irina Bystrova dia artista sady mpampianatra zavakanto ho an'ny ankizy avy ao Petrozavodsk. Fiampagàna voalohany natao azy ny hoe “nanaparitaka vaovao diso mikasika ny tafika Rosiana”, noho ny famoahana teo amin'ny pejiny VKontakte sary iray misy an'i Poutine milaza fa ho may any amin'ny afobe izy (noho ilay fananiham-bohitra ao Okraina). Saingy, taty aoriana, raharaha iray hafa indray no nanamelohan'ny Fampanoavana azy, mikasika ny lahatsorany teo amin'ny pejiny milaza fa “avereno ny basinareo!” ary nanakilasiany azy ho toy ny miantso fampihorohoroana,izay mety hitondra azy higadra hatramin'ny 10 taona. Tao anaty tafatafa iray niaraka tamin'ny MediaZona, Irina dia nilaza fa izy irery no mikarakara ny reniny 83 taona ary tsy fantany izay hanjo azy io raha vao tsy eo i Irina. Ny fitsaràna ao Petrozavodsk dia nandefa azy tsymaintsy nanao fitsiriham-pahasalamana ara-tsaina, tamin'ny volana Jona 2022. Mety higadra hatramin'ny fito taona izy na tsy maintsy ho tsaboina ara-tsaina.

Azo atao ny manampy ireo voafonja (sy ireo hafa) amin'ny alalan'ny fanoratana taratasy ho azy ireo, fanaovana sonia ny fanangonan-tsonia iray na fanohanana ireo fikambanana mpiaro zon'olombelona izay mbola miasa ao Rosia : ohatra, OVD-info, na ny tranonkala Black February mihitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.