- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Te-hiteny handà ny ady ireo Rosiàna mpampiasa media sosialy ankehitriny saingy tsy tena milaza izany

Sokajy: Okraina, Rosia, Ady & Fifandirana, Fanoherana, Fiteny, Mediam-bahoaka, Politika, Akon'ny RuNet, Russia invades Ukraine

Pikantsary an'ny sarin'ny mpampiasa VKontakte mampiseho sary famantarana iray hoe “Tsia amin'ny Vobla” sy pikantsary iray avy amin'ny lahatsary YouTube [1] an'i Semyon Slepakov

Mpitsara iray tao amin'ny faritr'i Tioumen ao Siberia, Rosia, no nanafaka [2] an'i Alisa Klimentieva, 30 taona, tamin'ireo fiampangana azy ho nanao “fanavakavahana tamin'ny tafika Rosiana”. Ny 27 Septambra 2022, nosoratany tamin'ny tsaoka teo amin'ny sisin-dalana, toerana ho an'ny daholobe, ny teny hoe “Tsia ho an'ny W–” (“Нет В—Е” amin'ny fiteny Rosiàna) ary nasiany sary mitory fandriampahalemana. Nosamborin'ny polisy izy ny androtr'io ihany. Tany amin'ny tribonaly, nohazavainy tamin'ny mpitsara fa tsy midika hoe “Tsia ho an'ny ady” (“Нет Войне”) ilay famantarana nataony fa hoe “Tsia ho an'ny Vobla” (izay trondro iray mifampizara ny teny voalohany sy farany, ary ny halavany manontolo midika hoe “ady” amin'ny teny Rosiana). Ny sary famantarana noho izany, hoy izy dia manohitra ny trondro : “Нет ВОБЛЕ” fa tsy manohitra ny ady (Нет ВОЙНЕ). Tsapany ny fankahalàna lalina an'ity karazana trondro, hoy izy nanamafy, nanohana azy i Sergei Romanov mpitsara ka nanala ireo fiampangana. Namoaka didy ihany koa izy ny tsy maintsy hamerenana [3] aminy ny tsaoka manga nampiasainy.

Tranga iray tsy fahita firy izany,  nanafahana olona voampanga araka ny andinin-dalàna noho ny hetsika imasom-bahoka izany mikendry ny hanivaiva ny tafika Rosiana araka ny andininy faha-20.3.3, izay nampidirina tao amin'ny Fehezan-dalàna ho an'ny Fitondrantena [4] ao Rosia taorian'ny fananiham-bohitra Rosiana tao Okraina. Ny lalàna dia milaza onitra [5] mahatratra haramin'ny 100 000 RUB (1 612 USD) ho an'ny olon-tsotra, hatramin'ny 300 000 RUB (4 838) ho an'ireo mpiasam-panjakana ary hatramin'ny 1 tapitrisa RUB ( 16 126 USD) ho an'ireo fikambanana mijoro ara-dalàna.

Tamin'io fotoana io ihany, tamin'ny Martsa 2022, nankatoavina ny lalàna iray (andininy faha 280.3 a [6] amin'ny Fehezan-dalàna Heloka Bevava) “mikasika ny fanaparitahana ampahibemaso ny vaovao efa fantatra fa tsy marina mikasika ny fampiasana ny tafika Rosiana mba hiarovana ny tombontsoan'i Rosia sy ny olom-pireneny” . Noho ny fanitsakitsahana azy io, ny olom-pirenena dia mety hiharan'ny sazy onitra mahatratra 5 tapitrisa robla (80 645 USD) na famonjàna hatramin'ny 10 taona. Raha toa ny fanaparitahana “vaovao diso” mitarika “vokatra henjana”, dia mahatratra 10 hatramin'ny 15 taona ny famonjàna.

Tao anaty tafatafa nataony ho an'ny gazety Radio Liberty “Siberia. Realii” nilaza [2] i Alisa fa io no voalohany nisamborana azy, ary noheveriny ho tsy mahazatra ny zava-nanjo azy, ary resaka vintana ilay didy nivoaka, resaka olona sy toe-javatra.

Eny tokoa, hatramin'ny nampidirana ity lahatsoratra ity, dia nisy tranga miisa 4.644 [7] “fanalàm-baràka ny tafika Rosiana”, araka ny voalazan'ny media tsy miankina MediaZona.

Araka ny tetikasa fiarovana ny zon'olombelona OVD-Info [8], tafakatra ho 257 tapitrisa robla [9] (maherin'ny 4 tapitrisa dolara) ny fitambaran'ny onitra tsy maintsy nalohan'ireo olona voarohirohy tamin'ny fanitsakitsahana ity fehezan-dalàna ity sy noho ny fihetsiketsehana manohitra ny ady. Olona miisa iraika amby dimampolo amby zato sy enina arivo sy iray alina no voasambotra noho ny filazana ho nanohitra ny ady ary olona maherin'ny 250 no nampangaina ho nanao heloka bevava.

Trangana areti-mifindra lazaina fa “manala baràka ny tafika”

Somary mampihomehy ny antsipirihan'ireo tranga izay maha-voasambotra olona iray noho ny “fanalàm-baràka ny tafika” . Nisy ireo olona nosamborina satria nitondra soratra tsy niteny afatsy hoe “Fandriampahalemana ho an'izao tontolo izao” [10], na nihira hira iray efa tamin'ny vanimpotoana sovietika [11] mikasika ny masoandro sy ny lanitra tony, eny fa hatramin'ny hoe nitazona afisy [11] tsy misy soratra mihitsy aza eo aminy. Betsaka ny tranga ary hofaritan'ny Global Voices ao anatin'ny tatitra fanjohianay izy ireny.

Ny tranga manokana nanjo an'i Alisa Klimentieva dia toy ny  nitondra aingam-panahy ho an'ireo mpampiasa media sosialy, izay angamba nahita fa indraindray ny fomba tsy mendrika ataon'ny Fanjakana dia mety ho azo atao tsinontsinona noho ny hadalan'ny tohan-kevitra manokan'ny tena, ary afaka hitohy ny fanoherana.

Noho izany, na ireo mpampiasa ny VKontakte na VK aza (vovonana media sosialy Rosiana mifandray akaiky [12] amin'ny Fanjakana saingy ihany koa iray amin'ireo tena malaza ao Rosia) aza dia nanomboka nampiasa ny trondro ho toy ny meme iray [13], mampiseho ny hadalan'ny tsindry ataon'ny Fanjakana. Ny lahatsarin'ny hiran'i Semyon Slepakov [14] no famerenana malaza iray ao amin'ny VK, artista iray mpanao  sariitatra malaza ao Rosia monina ao Israely ankehitriny. Nandefa lahatsary iray izy natokana ho an'ny tranga nanjo an'i Alisa [1], ary ao anatin'ny hira dia mihira izy hoe :

“Raha fintinina dia io Vobla io no niavian'ny faharatsiana rehetra eto an-tany. Misaratsaraka ny fianakaviana, mijaly ireo ankizy tsy manan-tsiny. Ary araraotina ny fisian'ny demokrasia eto amin'ny firenentsika, andao holazaintsika miaraka ry rahalahy sy ranabavy hoe : tsy misy vobla, tsy misy vobla, tsy misy vobla misy poizina”.

Nahazo “tiako” maherin'ny 50 000 ilay hira teo amin'ny YouTube, ary namerina namoaka azy indray ireo mpampiasa ny VK miaraka amin'ny filazàna fa “Tsia ho an'ny ady, tay, tsia, tsia ho an'ny vobla!”

Indreto vitsivitsy amin'izy ireo. Mba ho fiarovana ireo mpampiasa dia tsy namoaka ny solonanarana sy ny sarin'izy ireo ny Global Voices.

Milaza ny sary famantarana hoe “Tsia amin'ny vobla!” ary ampiana ny tenifototra mitovy aminy

Hoy ity iray ity hoe “Tsia amin'ny ady, tay, tsia, tsia, tsia amin'ny vobla!”

Fantatr'ireo mpampiasa VKontakte fa mila mitandrina izy ireo. Nanoratra mikasika ny fiarahamiasan'ilay tambajotra amin'ny sampana miafina Rosiana [15] sy ny polisy ireo media tsy miankina. Marobe ny tranga mikasika ny fandoavana onitra noho ny fanalàm-baràka ny tafika [16] ary koa ireo heloka bevava nanenjehana ireo mpampiasa ny VK [17]. Ohatra, mpampiasa iray tao Maosko no nosamborina tamin'ny Martsa noho ny fanaparitahana vaovao diso mikasika ny tafika Rosiana (lalàna iray vaovao hafa amin'ny fehezandalana mikasika ny heloka bevava nankatoavina tamin'ny Martsa 2022) ary angamba mety higadra hatramin'ny 10 taona an-tranomaizina [18].

Amin'ity meme ity, na izany aza, tsy andrin'ireo mpampiasa izay hilazàny ny heviny. Ohatra, ireo sampana mpilaza vaovao eo an-toerana dia namerina namoaka azy ireny ihany koa. Ity ny fanambantambarana sary avy amin'ny mpilaza vaovao iray ao Magnitogorsk , tanàna kely iray ao Oural (fanambantambarana memes avy amin'ny an'ireo mpampiasa hafa io).

Ny sary dia mampiseho ny fononboky  “Ady sy Fandriampahalemana” an'i Leo Tolstoy, nefa hoy ny voasoratra hoe “Vobla sy Fandriampahalemana”. Misy koa ny fonomboky “Ny Adin'izao tontolo izao” an'i H. G. Wells, saingy ity iray ity milaza hoe “Ny Vobla an'izao tontolo izao”.

Farany, efa misy sahady ny T-shirt iray amidy ao amin'ny Vkontakte :

Fandikana : T-shirt “Tsia amin'ny Vobla”. 2000 RUB (manodidina ny 33 USD).

Tsy vaovao ao Rosia ny sarin-teny. Ny resaka an-dakozia [19] sy ny fanoharana an-kolaka ho an'ireo izay sahy maneho hevitra tsy mitovy nampiasaina tao amin'ny Firaisana Sovietika dia manana tantara lava sy vao haingana. Ny olana dia tsy maintsy miverina amin'izany indray ny Rosiana, ary maharary izany.