‘Tsy haintany fa fandrobàna,’ hoy ireo mpikatroka lazaina ho jiolahy amin'ny lalàna vaovao ao Querétaro, Meksika

Saripika avy amin'i Enrique Rasta, 10 Jona, Av. 5 de febrero Querétaro. Nahazoana alalana.

Miatrika krizin-drano lehibe izay manampy trotraka ny fitantanan-drano tsy ara-rariny ny fanjakana meksikana iray antsoina hoe Querétaro — izay manana fahamaroana ara-javamananaina sy ara-kolontsaina goavana izay ivelaran'ny andian'afotroa (volokano) sy tangoron-tendrombohitra maro — ary miala adiny telo avy ao an-tanànan'i Mexico ao afovoan'ny firenena. Notoherin'ny vahoaka ny lalàna vaovao mifehy ny servisin-drano. Misy amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona ihany koa no nenjehin'ny fitsarana tamin'ny ady heloka bevava.

Ny ankamaroan'ny fahapotehana ara-tontolo iainana dia vokatra mivantana avy ny fahaverezan'ny faritra fitsihan'ny rano ambanin'ny tany sady famahanan-drano [fitehirizan-drano], noho ny fanitarana tafahoatra ny faritry ny tanandehibe. Niteraka hantsana eo amin'ny fahazoana rano izany, fahalafosan'ny servisy fitsinjaran-[drano], ny fampihenana tsy voafehy ary ny fitomboan'ny fahatapahan-drano.

Olana amin'ny rano: Namela marika teo amin'ny tantara vao haingana ny fifandirana hydro-social. Ankoatra ny rarintsaina vokatry ny [tsy fisian-d]rano sy ny hain-tany manambana ny fomba fiainantsika,  niteraka fifandirana ara-tsosialy sy ara-tontolo iainana miisa 14 koa farafahakeliny ny rano.
Aza adinoina izany.

Nandritra ny telo volana mahery, ireo fikambanana sivily, mpiaro ny tontolo iainana, mpiasan'ny fampianarana ambony, ary vondrom-piarahamonina eo an-toerana no nanao hetsika manohitra ilay antsoina hoe Lalànan'ny fifanarahana[mg] nankatoavina tamin'ny volana mey tamin'ity taona ity ary voatsikera ho manome vahana ireo mpandraharaha tsy miankina hanaovana fifanarahana servisy. Ao anatin'ny fiarovana ny ampihimamban'ireo mpanangan-trano goavana, tsy noraharahian-dry zareo ny rohivoarin'ny rano sy ny fiantohana ahafahan'ny olona manovo izany. Vokatr'io fifanarahana io dia faritra tsy mety amin'izany no lasa ananganan-trano maro ary noferana ho an'ireo fonenana ahazoan-dry zareo tombombarotra manokana ny fitsinjaran-drano.

fandravahana ny haintany ao Meksika tamin'ny fanombohan'ny volana aogositra 2022, novolavolain'ny sampan-draharahan'ny toetrandro sy ny fianarana momba ny toetrandro ao Meksika. Haintany maozatra sy antonontonony no zakain'i Querétaro.

Nohamafisin'ireo mpiaro fa mifanohitra amin'ny tolo-kevitry ny Iraka Manokan'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona hahazo rano ity fitsipika vaovao ity. Tsy nohenoina ihany koa ny fampitandremana amin’ireo trangan-tsy fetezan‘ity maodely ity amin'ny famatsiana araka ny hitsiny ny rano manerana izao tontolo izao.

#PeriodismoCN 💧Inona no ifandraisan'ny firoboroboan'ny fananganan-trano sy ny hain-tany eto #Queretaro?

Niresaka tamin'ireo mpikatroka sy manampahaizana ara-tsiantifika manokana izay manaiky ny Lalànan'ny servisin'ny rano fisotro, servisin'ny fanarian-drano maloto ary ny fidiovana izay nankatoavin'ny Kongresy izahay.

https://t.co/xV1umgDXpF pic.twitter.com/pbZcWDlk82

Teo anelanelan'ny volana Mey ka hatramin'ny Aogositra, tafiditra tao anaty ezaka fanoheran'ny Tambajotra miaro ny rano sy ny aina (REDAVI) sy ireo fikambanana hafa mpiara-miombon'antoka, ny fihetsiketsehana an-dalambe, fetiben'olom-pirenena, vondrom-pifampidinihana, tsanganasa kanto, ary valan-kevitra ho an'ny mpanao gazety eo an-toerana, nasionaly ary iraisampirenena. Nametraka fitoriana ao amin'ny fitsarana izay mbola mandeha amin’izao fotoana izao ihany koa ry zareo, toy ny fepetra fampiatoana vonjimaika izay nanamafisan'ny fitsarana ny ambana aterak'ity lalàna ity amin'ireo zo manokana. Vahaolana vonjimaika ihany anefa izany fa tsy mahavaha ny olana fototra.

#Territorios [Lafintany] | Satria voahitsakitsaka ny zon'ny Vazimba teratany, nahazo fampiatoana vonjimaika ny [Lalànan'ny Rano] ao Querétaro ny vondrom-piarahamonina Santiago Mexquititlan, izay manome ho an'olona tsy miankina ny fitantanana ny rano.
💧
✍️Avy amin'i @A_Ruiz9https://t.co/42J1yKZTqP

Any amin'ireo vava ady maro, heverin'ny fiarahamonim-pirenena ho maizimaizina sady ahitana endrika fanenjehana ara-politika ny setriny mahazo ireo mpiaro ny rano ao Querétaro. Nandritra ny fihetsiketsehana am-pilaminana notanterahana tamin'ny 10 Jona, nosamborin'ny polisim-panjakana ireo mpanao fihetsiketsehana, anisan'izany ny vehivavy, ny ankizy ary ny zokiolona. Tanora mpiaro telo no naondrana ho ao anaty fiara tamin’ny fampiasana hery tafahoatra ka notanana am-ponja. Noho ny fanerena ara-tsosialy eo an-toerana sy manerana ny firenena, dia navotsotra izy ireo ora vitsivitsy taty aoriana saingy tsy noafahana madiodio tamin'ny famotorana ady heloka famaizana. Manoloana izany sy noho ireo zava-nitranga hafa, nanameloka ity fanalam-baraka, fanorisorenana, ary fametrahana ho jiolahy ny fiarovana rano teo amin’ny sehatra nasionaly ity ny fiaraha-monina ao an-toerana .

Comunicado [Fanambaràna] | 🗣️📢🌎

Amin'ny alàlan'ny Festival Agua que Corre [Fetin'ny Rano Mandeha], izahay no mampahafantatra ny olom-pirenena eo an-toerana, nasionaly ary iraisampirenena ny toerana misy anay amin'ny fanamelohana ny fiarovana ny rano eto amin'ny firenena.
#Querétaro.

¡#AguasConLaLeyDeAguas! [Rano amin'ny Lalànan'ny rano]⚠️
Tsy ilaina ny #LeyConcesiones [Lalànan'ny Fifanarahana]⛔ pic.twitter.com/hx3ayVSLSl

Mbola hadihadiana ady heloka famaizana hatrany ireto mpiaro ny rano ireto roa volana taorian’ny nisamborana azy ireo. Izany no antony itakian'ny fiarahamonina ny famotsorana azy ireo tsy misy fepetra, nampaharitra ity olana ity amin'ny fampiasana ny farangoteny #AguasConLaLeyDeAgua. Tsy io ihany no tranga nisy famelezana ireo mpiaro ny tany, izay nanintona ny sain'ny Biraon'ny Kaomisera Ambony ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Zon'olombelona ao Meksika sy ny Tambajotran'ny Zon'Olombelona Iraisampirenena, tato anatin'ny taona vitsivitsy.

[Ny Herisetran'ny Fanjakana] manoloana ny fiarovana ny rano ao #Querétaro dia nialohavan'ny fampitandremana hamely ireo mpanao gazety, mpiaro ny tontolo iainana ary mpiaro ny tany. Izany no nahatonga @FrontLineHRD nandefa fanambaràna ho an'i @gobqro indray https://t.co/lSyQBYgqo3 #AguasConLaLeyDeAguas⚠️💧 pic.twitter.com/ALav9f3CRs

Miantso ny firaisankina iraisampirenena ireo mpikatroka mba hanery ny hanakatonana ny raharahan-keloka bevava sy hampahafantatra ny herisetra ataon'ny fanjakana amin'ireo mpiaro ny rano, satria io no loharanon'ny aina eto an-tany. Tena iankinan'ny aina io fiarovana io amin'ny fotoan'ny hamehana ara-toetr'andro.

Ao #Querétaro mbola tohintohinina, enjehina ary ampangain'ny manampahefana ho jiolahy ireo mpiaro ny rano. Henoy ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety maneran-tany 🌎🎙️ momba ny zava-nitranga nandritra ny 3 volana niadiana hahazoana ny rano tao amin'ny FB an'i @RIDH_INHR

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.