Fahafatesana tampok'ilay Haitiana mpihira ‘Mikaben’, mamela fahabangàna lehibe anatin'ny tontolon'ny mozika

Pikantsarin'ilay Haitiàna mozisiàna nodimandry, Michael ‘Mikaben’ Benjamin, nalaina avy amina lahatsary YouTube-n'ny iray amin'ireo hirany malaza ‘Ayiti Se'(Haiti Is).

Maty tampoka tamin'ny alin'ny 15 Oktôbra i Michael “Mikaben” Benjamin (na “Mika,” anarana niantsoana azy tamim-pitiavana, ilay haitiàna mozisiàna nolalaina, izay angamba fantatra tsara kokoa tamin'ilay hirany mampahery “Ayti Se” (Misy i Haiti) — hiram-paitiavana iray ho an'ny fireneny, navoaka taona roa taorian'ilay horohorontany tamin'ny 2010 nandravarava ny fireneny.

Nodimandry rehefa avy niaraka nanao fampisehoana tamin'ny tarika haitiàna konpa band CaRiMi nandritra ny kaonseritra iray tao Parisy, ilay mpihira 41 taona, eritreretina ho noho ny fijanonan'ny fony.

Tsy maintsy nitsahatra ny kaonseritra CARIMI natao tao Parisy. Taorian'ny fampisehoana teny an-tsehatra, nitambotsotra i Mokaben ary tsy nahatsiaro tena. Tonga nanao famelomana aina azy ny andiana mpitsabo. Nolazain'i Michael Guirand fa sarotra ny toedraharaha. Tsy maintsy navoaka ny efitrano daholo ny rehetra. #mikaben #carimi pic.twitter.com/6RO9lvGs6W

Vetivety foana ny dona sy ny alahelon'ireo mpankafy azy, izay nanomboka tamin'ireo mpandeha mijery kaonseritra, dia niparitaka tamin'ireo tambajotra sôsialy, nisy ny marik'ilay mpihira nitafy ny saina haitiàna izay tsy nandalo fotsiny tamin'ireo mpanaraka azy:

“Ou Pati” no hira farany nohirainao teo ambonin'ny iray amin'ireo sehatra goavana indrindra erantany nandritra ny fotoana iray tena niavaka indrindra teo amin'ny tantaran'ny mozika haitiàna. #Mikaben – nilaozanao teo ambonin'izany sehatra izany ny zavatra rehetra. Tsiky teny amin'ny endrikao sy ny sainam-pirenena haitiàna teny an-damosinao no nandaozanao anay. pic.twitter.com/SvCjLWUEpV

mifono mandrakizay ao anatin'i Haiti… 🕊💔🇭🇹 tomoera anatin'ny tanjaka ry Mpanjaka 👑 #mikaben #haiti #ayiticherie #haitian #king #hmi #music #legend pic.twitter.com/XxRh7zZkoO

Toy izao no nandikan'i Bertrhude Albert ny nihazonany ilay sainampirenena haitiàna:

Natolotr'i @mikaben ho an'i Haiti ny fiainany. Nobabeny teny an-damosiny hatramin'ny fara-fofonainy ny sainam-pirenentsika. Tamin'ny fotoana iray, talohan'ny nihiràny dia hitanao fa tanaty hirifiry lalina izy kanefa dia nitozo izy. Toy ny hoe ilay sainampirenena nitolomany no nanome hery azy hamarana izay natombony. ✊🏿🇭🇹 #Mikaben pic.twitter.com/uDeVeD3yr2

Sarotra ho an'ny maro ny nandray ilay vaovao, indrindra fa tena mbola tanora tokoa ary navitrika ilay mpihira. Olona iray mpampiasa Twitter aza no nanosoka hevitra hoe tokony hanaovana fandevenana nasiônaly i “Mika”.

Nibitsika i Giorgio LaGaffe, izay nanatrika ny fampisehoany:

Tsy mbola nahita mihitsy zavatra tena hafahafa aho teo amin'ny fiainako. Nihomehy izy teo am-panaovana veloma ary dia…. nitambotsitra fotsiny.

Tahaka izay fotsiny.

Toy ny hoe nibolisatra teo ambonin-javatra iray izy. Nanohy niandry izahay ny mba hiarenany hanao vazivazy. Ny stady iray manontolo. Saingy tsy nanao izany velively izy.#Carimi #MikaBen

Marobe ireo mpampiasa Twitter no nandefa hafatra “Ale an pè” — teny kiriolona haitiàna andikàna ny “Mandria am-piadanana,” raha ny hafa indray kosa nahatsiaro azy ho toy ny “olomalazan'ny mozika haitiàna” izay tsy “ho hay adinoina” ny fampisehoana farany nataony:

Tsy maty mandrakizay ny olomalaza. Ao am-po lalandava. Mandria am-piadanana 🌹 #Mikaben #mika @mikaben pic.twitter.com/1R3hl2YvoD

Hira farany. Fotoana farany. #ripmikaben #mikaben #carimi

Amin'ny maha-zanak'ilay haitiàna mpihira malaza Lionel Benjamin, ampahany tamin'ny fiainan'i Mika mandrakariva ny mozika. Tamin'ny fahatanorany izy no nanomboka namorona hira, ary nianatra nilalao zavamaneno marobe, isan'ireny ny piano, gitara, gitara bass, ary ny amponga. Nirotsaka voalohany tamin'ny fisehoana imasom-bahoaka izy tamin'ny alàlan'ny “Christmas Telemax,” fifaninanana talenta iray malaza, nahazoany ny laharana fahefatra tamin'ny alàlan'ilay hirany hoe“Nwel Tristes” (Noely Manjombona):

Fony aho tao Haiti, tsy mbola Noely raha tsy mandre ny hiran'i @mikaben alefa amin'ny onjampeo. Tsy vitako ny hino. 🙏😢😢💔💔 #Mikaben pic.twitter.com/SDdUEyFntV

Hanohy hanoratra sy handrakitra amin'ny maha-artista mandeha irery azy i Mika, ary hitohy hahazo laza ireo hirany, tsy hoe ao Haity ihany, fa manerana ny Karaiba frantsay, Eorôpa ary Etazonia :

Maro amintsika no nitombo tao anatin'ny fihainoana an'i #Mikaben ary izy no iray tamin'ireo artista afaka nihira tamin'ny fiteny rehetra “Kiriolona, Frantsay, Espaniôla ary Anglisy” Nahita fafiny tsy hay faritana ianareo. Mbola misaotra hatrany ry Mikaben. Ho eo mandrakariva ireo kantonao 🎼✍🏽 #carimi #haiti #kompa pic.twitter.com/mmiXnxOB4e

Taona iray taorian'ny nivoahan'ilay rakikirany malaza tamin'ny 2004, noforoniny ny tarika konpa Krezi Mizik, izay niarahany nandrakitra feo sy nitety faritra hatramin'ny 2009, fotoana izay niverenany nandeha irery indray. Na izany aza, notohizany ny fitrandrahana ireo fiarahana miasa tamin'ireo artista hafa, isan'ireny ireo talenta tany amin'ny faritra, toa an'i Elephant Man avy amin'ny dancehall jamaikàna sy ilay Vincentian, kintan'ny soca, Kevin Lyttle.

Tao anatin'ny alahelo nateraky ny famoizan'izao tontolo izao ny mpanatalenta ara-mozika iray, anefa, ny sasany tamin'ireo mpampiasa media sôsialy dia nihevitra ny hoe hatraiza no dona ara-tsaina zakain'ny fianakaviany noho ny fahalasanan'i Mika. Tokony hiteraka ny zanaka faharoa iraisan‘izy ireo amin'ity Desambra ity i Vanessa, vadin'ilay mpihira. Efa nanana zanaka ray tamina tokantrano iray talohan'io koa izy:

Tsy hoe fotsiny artista nankafizina sy manana talenta i  #Mikaben, fa zanak'olona koa, vady, ray, namana akaiky, sns… . Tena manainga anareo aho mba tsy hizara ireo lahatsarin'ny fotoana farany niainan'io lehilahy io. Samy tohina daholo isika rehetra ARY tsy maintsy eritreretintsika ny momba ireo akaiky azy. Mendrika ny ho hajaina izy/ry zareo.

Tena heverin'ny olona fa afaka idikidirany amin'ny fotoana rehetra ny aminao. Mihoatra lavitra noho ny maha-mpiangaly mozika iny lehilahy iny, vady izy, ray, zanakalahy, sns… Mba omeo toerana hakàny aina sy  ny fahatoniana ilainy mba hisaonany azy ny fianakaviany. Tsy voatery hiteny izany aminareo akory ny vadiny… #Mikaben

Raha azo notsapain-tànana ny alahelo, ny fahatsapàna tena nanototra sy nahery vaika kosa momba ny fiainan'i Mika sy ny mozika, anefa, dia fahatsapàna feno fankasitrahana, ka nisy iray mpampiasa Twitter nanosoka ny hoe maty nanao ny zavatra tiany izy :

Artista iray tsy manampaharoa. Lehilahy tsara kokoa mihitsy aza. Misaotra anao tamin'ireo hira mahafinaritra rehetra nohirainao, amin'ny anaran'ireo olona rehetra naka aingampanahy taminao, noho ireo zavatra mahagaga rehetra nataonao sy noho ny  nitondranao ny sainampirenentsika hisidina ambony, hatrany! Ho tsaroanay foana ianao. 💔
RIP #MikaBen pic.twitter.com/bhfO65CqP1

Raha mahatsiaro ani Mikaben isika, aoka tsy ho ireo hiram-pitiavana nataony fotsiny (na dia tomponandraikitra tamin'ny sasany amin'ireo hiram-pitiavana nankafiziko aza izy), fa koa ireo hirany niresaka ireo olan'ny vahoakantsika eto #Haiti sy ny  #BlackPower rehetra io.

Mandria am-piadanana ao Uhuru, Mikaben.#UhuruMeansFreedom #MikabenNihetsi-po i

Nihetsip-po i Sandy Lizaire-Duff raha nilaza hoe:

Mika, hitsilo ny dianao hihaona amin'ireo razambenao anie ny gadon'ny amponga. Mivavaka ho an'ny fianakavianao sy ireo rehetra tia anao #Mikaben #Carimi https://t.co/tmEHAS8y8j

Jean Webens Jecrois, anefa, niezaka ny hitahiry fanantenana ao anatin'ilay zavatra mampalahelo:

Tokony ho anaty kajintsika mandrakariva ny hoe mampahonena ny fiainana. Segondra iray azo havaozina no faharetan'ny fiainan'olombelona. Misy olona tsy mba mety maty, isan'ireny i #Mikaben.

Mety tsy hanana Mikaben intsony i Haiti — sy ny hafa eto amin'izao tontolo izao — saingy ho eo amin-dry zareo mandrakariva kosa ny mozikany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.