- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Tatitra Unfreedom Monitor: Maraoka

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Maraoka, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Zon'olombelona, Unfreedom Monitor

Sarin'i Ameya Nagarajan

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. Ny Unfreedom Monitor [1] dia fisantaran'andraikitry ny fikarohana ato amin'ny Global Voices Advox mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly). Nalaina avy amin'ireo andiana tatitra nivoaka tamin'ny fikarohan'ny Unfreedom Monitor ity fanatsoahan-kevitra momba ny fanarahamaso sy ny sivana ataon’i  Zimbaboe amin'ny aterineto ity. Vakio ato [2] ny tatitra feno.

Nanomboka tamin'ny taona 2011, nanjary fitaovana farany ho an'ny vahoaka ao Maraoka ny fihetsiketsehana faobe mba hanoherana ny fanilikilihana ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny kolikoly ary ny herisetran'ny polisy, ary mba hisarihana ny saina momba ny manjo azy ireo rehefa mikasa ny hanova ny zava-misy. Na dia eo aza ny politikan'ny fifehezana ataon’ny fanjakana sy ny fanafoanana mahery vaika ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2011 notarihan'ny Hetsika malaza tamin'ny 20 Febroary ho amin'ny fanavaozana ara-politika demaokratika, dia nitohy tao amin'ny firenena ny hetsi-panoherana ara-tsosialy sy ara-toekarena, nahatratra ny fara tampony tamin'ny faran'ny taona 2016 sy 2017 tamin'ny hetsika Hirak tany amin'ny faritra avaratr'i Rif izay voahilikilika. Ny Hirak dia vokatry ny fahafatesan'i Mouhcine Fikri [3], ilay mpivarotra trondro maty nohitsahin'ny masinina famotehana fako ho faty raha iny izy nikasa hanavotra ny trondrony iny. Manamarina ny fampiasan-kery amin'ny mpanao fihetsiketsehana ny manampahefana ao Maraoka [4], miampanga azy ireo ho mandray anjara amin'ny hetsi-panoherana Islamista, ary tsipahiny ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Maraoka,” ary manamafy ny maha-zava-dehibe ny fanavahana ny “fahafahana maneho hevitra” sy ny “fandikan-dalàna azon’ ny lalàna saziana.”

Miakatra fitsarana sy enjehina amin'ny fiampangana henjana izay mahatratra hatramin’ny 20 taona an-tranomaizina araka ny fehezan-dalàna famaizana ireo mpanao gazety sy ny gazety tsy miankina, fa tsy amin'ny fehezan-dalàna momba ny asa fanaovan-gazety tamin'ny taona 2016, izay nanafoana ny fanagadrana noho ny fitsikerana ny mpanjaka. Mifehy sy manara-maso akaiky ny votoatin'ny media ny governemanta amin'ny alalan'ny famatsiam-bola, famatsiana dokam-barotra, ary fitsipika henjana sy ny dingana arahana amin’ny fahazoana lisansa. Nogadraina noho ny fiampangana mampiahiahy ireo mpanao gazety mpanohitra, ary niharan'ny fanendrikendrehana tsy tapaka sy ny fanaratsiana tao amin'ny sehatra media sosialy izay nataon'ireo fampahalalam-baovao mpomba ny mpanjaka ary tena anjakazakan'ny fitondrana na manaraka ny fotokevitra ofisialin'ny manampahefana Maraokana. Ny tena nifantohan'ny fanentanana indrindra dia ny hamotehana ny laza sy endrika ahafantarana ireo mpikatroka, ny hampihenana ny firaisankina amin'ny fotokevitry ry zareo, ary ny hanimbana ny fitokisana azy ireo eo amin'ny fiarahamonina maraokana, ka nahatonga ny fanivanan-tena (tsy hiteny). Noho izany rivo-piainana mahakivy sy mampanahy izany dia mpanao gazety maromaro no nisafidy ny hanao sesitany ny tenany. Mampanantena tsy tapaka fanavaozana vaovao sy fivoarana ara-demokratika ny manampahefana, kanefa mamaly ny hetsi-panoherana amin'ny famoretana izy ireo, anisan'izany ny famerana ny fidirana amin'ny vaovao sy ny fitaovana manakiana, ny fandidiana fanakatonana ny aterineto sy ny fanakendana ny maridrefim-pifandraisana [5] nandritra ny fihetsiketsehana malaza izay nitranga tamin'ny hetsika Hirak Al Rif.

Nanafaingana ny fampiasana ny teknolojia nomerika ao Maraoka ny valan’aretina, amin'ny fametrahan’ny governemanta fepetra isankarazany hifehezana ny fihanaky ny COVID-19 tamin'ny alàlan'ny fametrahana sy fitsapana ireo teknolojia nomerika vao misondrotra sy ny rafitra biometrika toy ny fiiziana nomerika, ny fanjohiana fifampikasohana amin'ny COVID-19, ny pasipaoron’ny vakisiny, ary ny fametrahana miely patrana ny rindrambaiko famantarana endrika amin'ny fakantsary fanaraha-maso. Nilaza ny manampahefana fa ny hampiroborobo ny fitomboana ara-toekarena, ny fampitomboana ny fampiasana fitaovana nomerika ary ny fanamafisana ny fanavaozana ny tontolo iainana ao amin'ny firenena amin'ny alàlan'ny paikady vaovao Maroc Digital 2020 sy ny fananganana ny Sampan-draharaha ho an’ny Fampandrosoana Nomerika [6] no tanjon'izy ireo. Manimba ny zon'olombelona any Maraoka mihoatra lavitra noho ny fampandrosoana ara-toekarena ampiroboroboin’izy ireo, ary manohintohina ny fiarovana, ny fampiroboroboana ary ny fisitrahana ny zon'olombelona anefa ireo teknolojia vao misondrotra ireo, sy ny fahabetsahan'ny miaramila sy ny vesatra politika matanjaka eo amin'ny fiainam-bahoaka.

Naraha-maso tamin'ny fampiasana ny fitsikilovana finday Pegasus novolavolain'ny Isiraeliana ireo mpanao gazety ao Maraoka sy Sahara Andrefana mba hanangonana ny mombamomba azy ireo manokana, hamoronan-javatra manodidina ny fiainany manokana, ary avy eo dia hiampangana azy ireo amin'ny vesatra manalasala. Amin'izao fotoana izao, tena miteraka ahiahy amin'ny zo hanangana fikambanana ankalalahana, ny fitanan-tsiambaratelo, ny fahalalaham-pitenenana ary ny fahalalahan'ny olom-pirenena an-tapitrisany hafa ao amin'ny firenena ny fitaovana fanaraha-maso any amin'ny sehatra anjotra sy ivelan-jotra.

Vakio ato [2] ny tatitra feno.

The Unfreedom Monitor

Efa ela no saro-dazaina ny fifandraisana eo amin'ny fampitam-baovao sy ny teknolojian'ny serasera amin'ny fitondrana tsy refesi-mandidy. The Unfreedom Monitor fisantaran'andraikitry ny fikarohana ao amin'ny Advox [7] Global Voices mandinika ny firongatry ny fitondrana jadona voatambajotra na tsirefesi-mandidy ankihy (nomerika/dizitaly).

Vakio ato [2] ny tatitra feno.