- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny fifandraisana am-pitiavana sy anaty fanakahalàna misy amin'ny Facebook sy ny antoko Fidesz mitondra ao Hôngria

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Hongria, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, GV Mpisolovava, Unfreedom Monitor

Sary tao amin'ny Alto [1]. Fampiasàna nahazoana alàlana

Nandritra ny fifidianana solombavambahoaka 2022 tao Hôngria, nitàna anjara toerana goavana be tamin'ny fanakaikezana ireo mpifidy ny Facebook. Azo amindràna fo ihany raha misy mihevitra hoe tena nilaina ho an'ny mpanohitra ilay sehatra satria nanome tombony ho an'ny antoko eo amin'ny fitondràna [2], Fidesz, ny tontolon'ny haino-vaky-jery. Nefa ny marina dia niantehitra betsaka [3] tamin'ny Facebook ny Fidesz nandritra ny fampielezankevitra.

Nivakivaky [2] nanaraka ny an'ny pôlitika ny tontolon'ny haino-vaky-jery hôngroà, no sady miasa ao anatina tontolon'ny tsena tena miha-mivangongo [2] amina toerana iray hatrany. [2] Hatrizay dia nifantoka manokana [4] tamin'ny haino-vaky-jery hatrany ny Fidesz, ary nanamafy ny [4] Orbán fa ny faharesena tamin'ny lasa dia noho ny tsy firaharahiana ny gazety. Noho io antony io, tao anatin'ny folo taona farany, nampihatra fomba isankarazany [4] ilay antoko mba hakàna ny fifehezana ny tontolon'ny haino-vaky-jery ao Hôngria sy hanaparitahana tsy misy fetra ny hafatra avy aminy.

Tamin'ny 2020, ireo mpandraharaha tànan-kavanan'ny praiminisitra [5]no nifehy ny ampahany betsaka tamin'ireo haino-vaky-jery. Ireo mpiara-dàlana amin'ny Fidesz ihany koa dia namorona toerana vaovao fivarotana ny vaovao [6] (ohatra ny 888.hu, Ripost, Magyar Idok) mba hanapariahana ireo hafatra fombàna ny governemanta, ary nisy fifehezana ara-pôlitika nataon'ny antoko tamin'ny haino-vaky-jerim-panjakana [7]. Anatina tontolon'ny haino-vaky-jery tahàka izany, tena niaina fatiantoka goavana tokoa ny mpanohitra rehefa te-hanakaiky ireo tokony ho mpifidy.  Hitan'ireo [8]mpanaramaso avy amin'ny OSCE fa tena voasamantsamaka tokoa ao anatina tsena iray tena mivangongo amina toerana iray ireo media hôngroà. Ao anatin'ny hazakazaka mankany amin'ny fifidianana solombavambahoaka 2022, endrika mampiavaka manokana ny mediam-panjakana sy ireo media tsy miankina marobe ny fandrakofana vaovao amin'ny fomba mitanila sy tsy mifandanja, ny ankamaroany dia mpomba ny antoko eo amin'ny fitondràna avokoa. Voafetran'izany ny fahafahan'ireo mpifidy haneho safidy voasaina tsara, sy noho ny tsy fisian'ny adihevitra ifanaovan'ireo mpifaninana fototra.

Kanefa, taona roa tany aloha, tao anatin'ireo fifidianana ifotony tamin'ny 2020, kely fotsiny  no nandresen'ny mpanohitra ny antoko Fidesz. Nandresy tany amin'ny ankamaroan'ireo fari-piadidiana ihany anefa ny Fidesz, saingy vitan'ny mpanohitra ihany koa ny nandresy tany amina kaominina maro. Voalaza ho [6] tratry ny tsy nampoiziny ihany ny antoko teo amin'ny fitondràna nanoloana ny fomba tsara [9] nampiasàn'ny mpanohitra ny media sôsialy nandritra ireny fifidianana ireny. Nifantoka loatra tamin'ny fananganana ampiran'ny fampahalalambaovao nahazatra hatrizay ny Fidesz ka taraiky tany aorian'ireo mpifanandrina taminy raha resaka fanakaikezana ireo fari-pifidianana tamin'ny alàlan'ny media sôsialy no resahana. Taorian'izay ny Fidesz dia nanomboka nametraka fampivondronana [10] tao amin'ny media sôsialy, nitovitovy amin'ny fomba namondronany ireo media tranainy ihany.

Ny iray isan'ireo andrana voalohany nataony dia nahitàna ny fametrahana sehatra iray vaovao, ny HunDub [11], satria nambara fa ny Facebook dia  “sehatra mitanila, liberaly” izay manivana ireo feo avy amin'ny elatra havanana. Dia nipongatra ny HunDub ho toy ny valinkafatra [12] ho an'ireo fifidianana amerikàna sy ny fanalàna tsy ho anaty sehatra nataon'i Trump. Natahoran'ilay antoko  hoe sao hanjo ireo pôlitisiàna ao anatiny koa ny tahàka izany mandritra ny fampielezankevitra ho an'ny fifidianana 2022. Kanefa, taorian'ny enimbolana dia nitsahatra tsy nisy intsony  [13] ilay “toerana azo antoka” nifikitra tamin'ny nentindrazana ho an'ireo mpanohana ny Fidesz. Vokatr'izany, ny tarika misahana ny fifandraisana ao amin'ny Fidesz dia tsy maintsy nanomana drafitra iray izay afaka niasa tao amin'ny Facebook, ilay sehatra malaza indrindra ao Hôngria ao amin'ny media sôsialy.

Tambajotra sôsialy mpitarikevitra avy amin'ny elatra havanana sy mpifikitra amin'ny nentindrazana ao amin'ny Facebook “liberaly” sy “mpanivana”

Tamin'ny 2021, hita teny anatin'ireo sehatra tambajotra sôsialy vaventy ny votoaty nofandrihan'ny Fidesz, hatrany amin'ny TikTok sy Instagram. Tsy dingana ara-dalàna io saingy tena iray isan'ny nahazo famatsiambola be tokoa [14]. Megafon Center [15] no tena isan'ny sehatra hita be ho an'ireo mpitarikevitra mpomba ny Fidesz. Tolo-tànana no mampihodina azy ary, tamin'ny 2021, nahavita nanangona HUF 557 million (manodidina ny 1,3 tapitrisa dolara amerikàna), nefa, araka ny navoakan'ny mpizohy ireo doka ao amin'ny Facebook, nandany HUF 1 lavitrisa [16] izy io tamin'ny fanaovana doka. Ahitàna mpanao gazety marobe tsy zoviana amin'ny rehetra mpomba ny fanjakàna ao anatin'ilay tambajotra, izay lasa tena navitrika kokoa tety anaty media sôsialy ho ampahany amin'ny fandraisany anjara amin'ny fananganana ny marika Megafon, saingy afaka nahita ihany koa isika, ireo feo tanora tsy dia fantatry ny olona loatra.

Fa tsy ireo mpisehatra mifandray amin'ny Megafona irery ihany no lasa navitrika tao amin'ny Facebook. Araka ny notsipihan'ny tarika Atlo [10] tao anatin'ny fandalinana ifotony nataony, ‘metaverse’ iray manontolo avy amin'ny Fidesz no manao izay hahatontosa ny fanapariahana ireo hafatra izay miparitaka amin'ny fomba hafa tsy manaraka rafitra. Ny fijerena ireo angondrakitra eto ambany dia mampiseho ny fomba famerenan'ireo pejy kely, mpomba ny fanjakàna ao amin'ny Facebook, manaparitaka ireo hafatra alefan'ireo mpitarikevitra ery amin'ny lohalaharana mba hanohanana ny fivezivezen'ilay votoaty. Ny teboka lehibe indrindra dia ireo dingana narahan'ireo votoaty niandohana, ary ireo madinika dia zara raha manana zavatra ‘orizinaly’ avy aminy ho zaraina; ny anjara asan-dry zareo dia ny mamerina mizara ireo tena hafatra.

Loharano: NER METAVERZUM — 2021 [10]. Fampiasàna nahazoana alàlana.

Fanelezana fandisoana vaovao tao amin'ny Facebook nandritra ny fampielezankevitra tamin'ny fifidianana parlemantera 2022

Ny vanimpotoana nitondra ho any amin'ny fifidianana parlemantera 2022 dia ny fitomboana be ny fisian'ireo mpitarikevitra Fidesz tao amin'ny media sôsialy no tena nibahan-toerana tao, araka ny  notsindrian'ny [17] Political Capital, vondrona iray mpandini-draharaha hôngroà malaza. Ohatra,ilay mpitarikevitra mpanentana mafy, Philip Rakay [18], dia nizara fitantarana isankarazany fandisoana vaovao tao amin'ny Facebook, andro vitsy nialoha ny fifidianana, toy ny hoe “tambajotra iraisampirenena mitodika amin'ny fanatontoloana mikendry ny hanisaka an'i Orbàn no mifehy ny elatra Havia.” Olona mihoatra ny 1 tapitrisa no tratr'ilay lahatsarin'i Rakay noho ny dokambarotra malala-tànana napetraky ny Megafon Center tao aminy. Nilaza [19]ireo mpandinika ara-pôlitika fa ny faharesen'ny mpanohitra dia vokatry ny fahombiazan'ny Fidesz tamin'ny fitarihana ireo mpifidy hino hoe miaro ny tombontsoa avy any ivelany ny mpanohitra ary mikasa hitondra an'i Hongria ho any amin'ny ady.

Pikantsary avy amina lahatsoratra Facebook. Fampiasàna ara-drariny

Midika fampitomboana ny fahitàna ny Facebook ny fampihenana ireo media nahazatra hatrizay

Nandany folo taona sy volabe tokoa ny Fidesz nananganana sy nanohanana ny ampira media navangongony mba hitazonana ny fahefana. Saingy tato ho ato, lasa nazava kokoa fa tsy ny làlana mahomby indrindra ny fikolokoloana io ampira io mba hanapariahana ny hafatra avy aminy. 90 isanjaton'ny Hôngroà [20] dia mampiasa Facebook, ary asehon'ny fikarohana fa ny ankamaroan-dry zareo dia ao amin'y Facebook no mandray voalohany ny vaovao [6], ary angamba amin'ny vaovao harivan'ny fahitalavitra mahazatra.

Marobe ireo gazety an-tsoratra mpomba ny fanjakana no miala aina ao [6] Hôngria, nakatona [21] tamin'ity lohataona ity ny iray tamin'ireo fantsona fahitalavitra mpanohana ny fanjakàna, ary an-dàlana izao ny fampihenana bebe kokoa ireo media tranainy. Ho an'ny Fidesz, ny media sôsialy no làlana mahomby kokoa amin'ny fanakaikezana olona maro kokoa tsy andaniana vola be miohatra amin'ireo media nentindrazana. Araka izany, mba hanosehana ireo tanjony ara-pôlitika dia aleony tsy miady na mankahala ny Facebook sy Big Tech, fa ao no toa ho afantoky ny Fidesz bebe kokoa ireo loharano goavana ananany amin'ny resaka fifandraisana.

Azafady, tsidiho ny pejin'ny tetikasa mba hahazoana tantara mismisy kokoa avy amin'ny Unfreedom Monitor [22].