Azerbaijan: Notanan'ny polisy ilay mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana mialoha ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fandriampahalemana

 

Sarin'i Patrick Fore. Nampiasana maimaim-poana tamin'ny Lisansa Unsplash.

Nosamborina tamin'ny fiampangana tsy marina tamin'ny 20 Septambra i Ahmed Mammadli, 21 taona, filohan'ny hetsika Democracy 1918 (D18), prô-demokrasia ao Azerbaijan, ary voasazy higadra 30 andro tany amin’ny fonja miaramila taty aoriana. Isan'ireo mpikatroka fiarahamonim-pirenena vitsivitsy nanao antso avo hanjakan'ny fandriampahalemana i Mammadli, manoloana ny fifandonana vao haingana teo amin'i Armenia sy i Azerbaijan. Nitranga iray andro mialoha ny fanamarihana ny Andro iraisam-pirenena ho an'ny fandriampahalemana 21 septambra lasa teo, izany hoe tamin'ny 20 septambra, ny fanamelohana azy. Araka ny tatitry ny polisy, nosamborina teny an-kianja i Mammadli noho ny fanoherana ny polisy, izay fiampangana mahazatra any Azerbaijan nampiasaina hikendrena ireo mpikatroka ara-politika sy sivily.

Ahmad Mammadli, izay nanakiana an'i Ilham Aliyev sy ny adin’i #Armenia-#Azerbaijan, nofatorana rojo vy sy nogadraina nandritra ny 30 andro.

Nilaza ny fanambarana navoaka tao amin'ny pejy Facebook D18 fa ny fihetseham-po manohitra ny ady nozarain'i Mammadli tao amin’ny Pejiny Facebook” no nahatonga ny ny fisamborana. Amin'ny maha Hetsika Demaokrasia 1918 anay, tsy ekenay ny rafitra izay ny lalàna metimety amin'ny fitondrana ihany no miasa, mitaky ny famotsorana tsy misy hatak'andro an'i Ahmed Mammadli izahay!” hoy ny fanambarana. Notanan’ny lehilahy nanao fitafiana sivily i Mammadli ny 20 septambra teo, araka ny filazan’ireo tatitra avy any an-toerana, talohan'ny namoahan'ny polisy ny fiampangana ofisialy.

Nosamborina androany nandritra ny 30 andro ny filohan’ny hetsiky ny mpanohitra @demokratiya1918 (D-18) Ahmad Mammadli noho ny fiampangana fa tsy nankatoa polisy. Nilaza izy raha tao anatin'ny fiaran'ny polisy, tamin'ny lahatsary nalain'ny mpikambana D-18 hafa, fa nosamborina izy noho ny fomba fijeriny mpomba ny fandriampahalemana. pic.twitter.com/ZO9kx2CLwP

Talohan'ny nisamborana azy, nanakiana ny fanjakana i Mammadli noho ny fifandonana farany teo, ary nilaza fa tokony ho tanana ho tompon'andraikitra ny manampahefana, anisan'izany ny filohan'i Azerbaijan, Ilham Aliyev. “Indray andro any i Ilham Aliyev dia hamaly eo anatrehan'ny fitsarana iraisampirenena ny heloka bevava nataony, tsy tamin'ny vahoaka Azerbaijani ihany, fa tamin'ny vahoaka Armeniana koa. Ny hanasazy ireo izay nampifanditra firenena ny asa voalohany hotanterahan'i Azerbaijan demaokratika,” hoy ny nosoratan’i Mammadli tamin'ny 15 Septambra. Tao amin’ny lahatsoratra iray hafa, niantso ny filoha ho “mpanao didy jadona” sy “mpadatsa-dra” i Mammadli:

Do not defend the monarch who oppresses you, takes away all your basic rights, and turns the country into a company. The more you defend him, the more he crushes you. Ilham Aliyev is a dictator with blood on his hands. It should not be difficult for us to understand this.

Aza miaro ny fanjakana mampahory anareo, manaisotra ny zonareo fototra rehetra, ary mamadika ny firenena ho orinasa. Arakaraka ny hiarovanareo azy no hanitsakitsahany anareo ihany koa. Mpanao didy jadona sady mpadatsa-drà i Ilham Aliyev. Tsy tokony ho sarotra ho antsika ny hahatakatra izany.

Mbola nisy indray ny fifandonana teo amin'i Armenia sy Azerbaijan tamin’ny 12 Septambra, niafara tamin’ny ady nahafatesan’olona betsaka indrindra hatramin'ny Ady Karabakh faharoa teo amin'ny firenena roa tonta tamin'ny taona 2020. Araka ny fanambaran'ny firenena roa tonta, miaramila maherin'ny 200 no maty tamin'ny fipoahana vao haingana. Ny 15 septambra, nanao sonia fampitsaharana ady ny firenena roa tonta, ary i Rosia no mpanelanelana. Taorian'ny fihaonana teo amin’ireo mpitondra fanjakana tany Bruxelles tamin’ny volana aogositra teo ambany fiahian’ny filohan’ny Filankevitra Eoropeana, Charles Michel, no niverenan’ny fihenjanana  .

Nandritra izany fotoana izany, tamin'ny 18 Septambra,  namoaka fanambarana mitaky ny fandriampahalemana any amin'ny faritra iray manontolo ny vondrona mpikatroka mpandala ny fandriampahalemana manerana ny Repoblika post-Sovietika:

Since the dissolution of the Soviet Union, we’ve lived through decades of violence. We continue to suffer through regularly recurring warfare on the territory of Ukraine, Russia, Armenia, Azerbaijan, Tajikistan, and Kyrgyzstan.

If we stay on the current trajectory, it is only a matter of time until the ongoing and recurring warfare in different regions of Eurasia will synergize with one another and with wars in other parts of this world, turning into a bigger regional or global war and sacrificing more and more people from numerous countries.

We cannot afford this! We do not call for peace – we demand peace! We demand that governments commit to non-use of force, to engage in genuine search for diplomatic solutions that prioritize human security, and to stop interfering with, and better yet, support people-to-people contacts and peace-building.

Hatramin'ny nandravana ny Firaisana Sovietika, niaina tao anatin'ny herisetra am-polony taona maro isika. Mbola mijaly isika noho ny ady miverimberina any amin’ny faritanin’i Okraina, Rosia, Armenia, Azerbaijan, Tadjikistan, ary Kyrgyzstan.

Raha mbola izao lalana izao no hizorantsika, fotoana sisa no isaina dia hivadika ho adim-paritra lehibe kokoa na ho ady maneran-tany ny ady mitohy sy miverimberina amin’izao fotoana izao any amin'ny faritra samihafa ao Eorazia izay hitambabe miaraka amin'ny ady any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao ary hanao sorona bebe kokoa ny olona any amin'ny firenena maro.

Tsy zakantsika izany! Tsy miantso fandriampahalemana isika – fa mitaky fandriampahalemana! Takiantsika ny governemanta hanolo-tena tsy hanao fampiasan-kery, hirotsaka amin'ny tena fitadiavana vahaolana ara-diplaomatika izay manao ho laharam-pahamehana ny fiarovana ny olombelona, ary tsy hitsabaka, ary tsara kokoa, hanohana ny fifandraisan'ny samy olona sy hanangana fandriampahalemana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.