- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fiatrehana ny fipelipelehan'ny efijery fikirana lahatsoratra ao amin'ny WordPress

Sokajy: Mediam-bahoaka, Taridàlana, Blaogim-Piarahamonina GV, gv-torolàlana

Aseho anatin'ny lahatsary eto ambony ny “bug” iray manorisory ao anatin'ny efijery fikiràna lahatsoratra ao amin'ny  WordPress (text/HTML) izay marobe mpampiasa ato amintsika no nitaraina mikasika izany. Toy ny hoe mitranga izy io rehefa manao dika / petaka andalana marobe ho toy ny HTML ianao, saingy raha ny marina dia rehefa manindry ny “Enter” eo ampamoahana lahatsoratra ianao no miseho izay tranga izay.

Manazava tsara ny fisehon'izy io ilay lahatsary, ary ny fomba azonao iasàna amin'ny fandinganana izay sakana izay, toy ny fikorisàna miakatra mba ‘hitady’ ny “cursor” rehefa “tsy hita” iny izy .

Raha toa sahirantsaina ianao fa nihetsiketsika tampoka ny fikiranao lahatsoratra HTML ao amin'ny WordPress ka tsy hitanao izay nisy anao, dia izay jerena!