Mandefa hafatra i ‘Explainer,’ ‘mpitondratenin'ny calypso’ ao Trinidad & Tobago

Pikantsary maneho an'i Winston Henry, ilay Trinbagôniàna mpiangaly calypso ‘Explainer,’ nalaina tao amin'ny lahatsary YouTube  ‘Explainer The Calypso Messenger’ (Explainer, ilay mpitondra hafatry ny Calypso) an'ny CITV Caribbean Insight Television.

Namoy iray hafa goavan'ny calypso indray i Trinidad sy  Tobago. Nodimandry ny 7 Oktôbra teo amin'ny faha-74 taonany i Winston Henry, mpamorona hira, mpihira ary mpamokatra nalaza izay fantatra tao anatin'ny tontolon'ny calypso tamin'ny anarana hoe “Explainer“. Tao amin'ny pejiny Facebook ny  Trinbago Unified Calypsonians Organisation (TUCO) no nanambara ny fodiamandriny, sy nahatsiahy “ny nanosorana azy tamim-pitiavana ho ‘ilay mpitondra hafatra’, satria izy dia namorona hira izay naneho ny maharary ny fiarahamonina sy ny famoretana ireo mahantra.”

Nodimandry i Explainer ilay mpiangaly Calypso! Loop Trinidad & Tobago Mandria am-piadanana Ramose, misaotra anao nandray anjara tamin'ny kolontsaina

Ny 13 Novambra 1947 i Henry no teraka, ary teo amin'ny faha-20 taonany, no nanombohany nisehatra ny calypso tao anatin'ny “Scouting for Talent“, ilay fandaharana nasiônaly nalaza be, famoahana ireo talenta vao. Taona roa taorian'izay, ny 1969, niditra tao amin'ny tranolain'ny calypso an'ny Southern Brigade izy, toerana iray mampiaka-tsehatra ireo mpanakaton'ny vanimpotoana tsirairay amin'ny karnivaly ary ny tolotra tononkiran'izy ireny. Ny taona manaraka, tafiditra tanatin'ny afisy tamin'ilay gazetiboky malazan'i Lord Kitchener izy, ny Calypso Revue, noho ny tolokevitra avy amin'ilay mpiangaly calypso Emrold Phillip, fantatra amin'ny hoe “Brother Valentino,” izay efa tsara toerana tamin'izany fotoana izany. Nijanona tao amin'ilay Calypso Revue i Henry hatramin'ny 1974, saingy, amin'ny naha-mpankafy tsy azo laizina azy an'ilay kintan'ny calypso The Mighty Sparrow, dia nanatevina laharana ny Original Young Brigade an'ilay mpanoro hevitra azy izy tamin'ny 1975, ka tao izy no nahazo ny hirany malaza voalohany indrindra, “Man and Wages”  (ny Bandy sy ny Karama). Herintaona taorian'izay, ny hira noforoniny “Mr. African” no nitondra azy lavitra hatrany amin'ny manasa-dàlana tamin'ny fifaninanana  “National Calypso Monarch

Feno fahavononana i Explainer hametraka marika ho azy eo amin'ny kianjan'ny calypso. Ny taona taorian'io, nanao ny famaranana izy niaraka tamin'ilay feonkira hoe “Caribbean Integration.” Mbola im-polo nanohy nifaninana tamin'ireo lalao famaranana tamin'ny Calypso Monarch izy nandritra ny androm-piainany, na dia tsy nety azony mihitsy aza ny anaram-boninahitra.

Anisany mampiavaka azy amin'ny maha-mpilalao azy ny fahaizany manafangaro amim-pahakingan-tsaina ireo hafatra matotra amin'ny fatrana hatsikana ary mandrakotra ireo hira anaty feon-kira azo andihizana. Tamin'ny taona 1979, nositrahany ny vanim-potoanan'ny karnivaly tena nahomby niaraka tamin'ny hira tahaka ny “Kicksin’ in Parliament,” “Sunday Night Fever,” sy ny “Yuh Got to Pay.” Tsy natahotra ihany koa izy ny nanandrana iro fiangaly vaovao, rehefa niditra tao amin'ny fanjakan'i Soca Parang, fifangaroana fetibe miavaka natokana ho an'ny vanim-potoanan'ny Noely, sy tamin'ny namorony ny hira Ragga Soca voalohany, “Dem Weh Dred.” Maro tamin'ireo sanganasan'ny Explainer amin'ny hoavy no hijoro hiaro mafy ny vondrom-piarahamonina Rastafariana, nikendry ny hanazava ireo hevitra diso nanjaka tamin'izany fotoana.

Kalipsôniana tsy natahotra ny hijoro izy. Rehefa avy nandalo ny folo taona tamin'ny naha-kalipsôniana matihanina azy izy ary tonga saina hoe ny loka vola ho an'ny “Scouting for Talent” — ilay fandaharana amin'ny fahitalavitra ho an'ireo manan-talenta vao misondrotra, nanampy tamin'ny fanosehana ny asany – dia nihoatra noho izay natolotra tamin'ny fifaninanana Calypso Monarch, nanoratra ilay hira fanoherana izy “Not Me and the Monarchy,”, izay nanjary lasa fahombiazana lehibe ary nitarika ny fanohanana ara-bolan'ny Sissons Paints hampitombo ny loka vola 1 000 TTD (147 USD) ho lasa 12 000 TTD (1 767 USD). Tamin'ny 2020, loka vola 800 000 TTD (117 798 USD) no azon'ilay nandresy tamin'ny fifaninanana.

Nitombo hatrany ny fankasitrahana an'i Explainer taorian'izay, ary taompolo tsara taminy ny ireo andian-taona 1980. Niara-niasa tamin'ny mpamokatra mozika Rawlston Charles izy, izay niarahany namorona ireo hira tsy hay adinoina tahaka ny “Ras Mas,” ary tsy isalasalana fa mbola mijanona ho ny hira tena mifamatotra akaiky indrindra aminy hatramin'izao – ny “Lorraine,” tamin'ny taona 1982, izay mitantara ny tantaran'ny Explainer namela ny vadiny tany amin'ny hatsikan'i Brooklyn satria tsy lefiny ny faniriana hisidina ho any Trinidad hanao ny Karnivaly. Nanjary rivo-pahombiazana manerana izao tontolo izao ilay hira, tafiditra teo amin'ny laharana faha-35 tao anatin'ireo tabilao britanika.

Tamin'ny 2005, niara-niasa tamin'ny Explainer ilay kintan'ny soca, Bunji Garlin, mba hanao fanavaozana ny hira “Lorraine”, izay tena nahomby tsara tokoa, nanasongadina ny maha-tsy tontan'ny ela ilay hira.

Araka ny lazain‘ny mpampiasa Facebook, Giselle Decle,  “tsy lefy laza… ary tsy ho izay mihitsy” ilay hira.

Nanolotra ny iray amin'ireo hirany tena mamy indrindra hatrizay ho an'ny tontolon'ny soca i Explainer avy ao Trinidad. Maty androany izy. Mandria am-piadanana

Mpampiasa Twitter iray hafa no niteny hoe :

Explainer – Hiteraka hatrany faniriana ato amiko hamandrika sidina ho any Trinidad i Lorraine

Tamin'ny taona 80, nisitraka fahombiazana i Explainer tamin'ireo hira sahala amin'ny “Rasta Chick,” “Free Base is Waste,” ary “Is Horse”.  Tany ho any amin'ny faran'ny taona 90 tany anefa, najanony ny fifaninanana, ary nilaza izy fa “iraka ny mozika fa tsy fifaninanana”. Na izany aza, tena anisany tafiditra tao amin'ny asany ny famoronana hira ka nahatonga azy nanohy nanoratra hira ho an'ireo artista calypso namany hafa, izay vehivavy no ankamaroany. Ampahamatorana ihany koa no nandraisany ny andraikitra ho ambasadaoron'ny kolontsaina. Ny fampisehoana iraisam-pirenena nataony, izay nahitana an'i Amerika Avaratra sy Atsimo, Eoropa ary, mazava ho azy Karaiba, dia nitondra azy tany amin'ireo toerana malaza toa ny Royal Albert Hall, The Apollo Theater, ary ny Madison Square Garden. Efa nanao fampisehoana tao amin'ilay Studio 54 malaza mihitsy aza izy.

Tena mpiangaly mozika marina i Explainer, indrindra fa hoe nankafiziny ny dingana fiaraha-miasa amin'ny famoronana hira. Tompon'ny fanavaozana ihany koa izy, niara-miasa tamin’ireo tanora artista soca sahala amin'i Blaxx, JoJo, Farmer Nappy, MX Prime ary Nelly Cottoy. Nisy ampahany natokana fotsiny ho an'ireo hira vaovao ihany koa ny tranonkala Web-ny.

Tamin'ny 2018, nahazo medaly (volamena) Hummingbird i Explainer, loka nasionaly, noho ny anjara biriky nentiny ho an'ny sehatry ny calypso. Araka ny lazain'ny Copyright Music Organisation of Trinidad and Tobago (COTT), hira 179 no efa voasoratr'ilay mpiangaly calypso.

Rehefa nandany maherin'ny antsasaka taonjato iray tao anatin'ny indostria iray nankamamiany, dia nijanona ho navitrika hatramin'ny fara-fofonainy i  Explainer, nandray anjara ihany koa aza izy tamin'ireo kaoseritra virtoaly  nandritra ny valanaretina COVID-19, ary nandany fotoana tamin'ny fampianarana ny ankizy momba ny tantara sy ny endriky ny kanto calypso.

Raha vao niparitaka ny vaovao mikasika ny fahafatesany, marobe ireo nizara teny fampiononana sy rohy mankamin'ny mozikany teny amin'ny tambajotra sosialy. Mpitendry mozika iray, Gary Hector, no nandefa lahatsariny teo amin'ny aterineto nitendry tonony vitsivitsy tamin'ny “Lorraine”. Nandinika ny tononkira izy avy eo, ary nanazava izay nahatonga azy ireny ho naharesy lahatra. Na izany aza, tsapany fa i Explainer dia tsy mba nomena lanja loatra ho toy ireo harena ara-kolontsainam-pirenena maro hafa :

Manana ireo goavana isika eto… manana azy ireo isika, [nefa] hosentsika fotsiny izy ireny, alevintsika velona izy ireo. Teto — hoy aho!

Teo amin'ny Twitter, DawgESlaughter nanampy hoe :

Trinidad & Tobago voaozona 🇹🇹, ariantsika tsirairay ireo vatosoantsika 💎

Nandritra izany fotoana izany, ny kaomisiônam-pirenena misahana ny karnivaly, dia nilaza fa tamin'ny “fo feno alahelo” no nitomaniany ny fahafatesan'ny “kalipsôniana iray tena malaza sy tena ankafizina” :

Nanome voninahitra sehatra maro i Explainet, teto sy nanerana izao tontolo izao, niaraka tamin'ireo sanganasany sy ny talentany tsy hay hadinoina. Nandritra ny efa ho efapolo taona mahery, ampahamendrehana no nanofahofany ny sainan'i Trinidad sy Tobago […] Mihoatra noho ny hoe kalipsôniana ef ela nihetezana, mpisava lalana izy izay namorona karazana fisiana tamin'ny alàlan'ny talentany, ny fanahiny ary ny fomba fanaony tsy miafiafy izay tena hahatsiarovana azy marina tokoa.

Raha toa ireo mpampiasa media sosialy mbola nizara ny mozikany sy ireo fahatsiarovana azy nandritra ny fiainany, ny mpampiasa Facebook, Abeo Jackson, kosa nandefa veloma tsotra nefa mety :

Mitomany Lorraine.
Soava Dia ry Explainer .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.