
Rivodoza Karding nahatondraka ireo tanànakelim-mpambolena tao Luzon Afovoany. Sary avy amin'ny lahatsoratra Twitter an'ny filoha Filipiana Bongbong Marcos
Nalaza tao amin’ny Twitter tao anatin'ny roa andro ny tenirohy #NasaanAngPangulo (Aiza ny Filoha) raha nanakiana ny tsy fahitana ny filoha Filipiana Ferdinand Marcos Jr. ireo olom-pirenena Filipiana nandritra ny ora nidiran’ny rivodoza mahery Karding (Noru) tao amin'ny firenena.
Karding hatreto no rivodoza mahery indrindra namely an'i Filipina tamin'ity taona ity.
Nitombo avy amin'ny 60 mankany amin'ny 160 mph ny rivotra mahery indrindra nentiny tao anatin'ny 24 ora rehefa niova ho rivodoza tropikaly mitovy amin'ny rivodoza sokajy faha-5 izy. Ity fitsambikinana ity no anisan'ny taham-pitomboana haingana indrindra tao anatin’ny 24 ora tamin'ny rivodoza tropikaly rehetra.
Araka ny fampitam-baovao avy amin'ny governemanta tamin'ny 26 septambra, tratran’ity rivodoza ity ny fianakaviana miisa 1.208 na olona miisa 4.606 tao amin’ny tanànakely miisa 57. Nitarika ny fanafoanana ireo sidina sy dia an-tsambo maromaro izay nahatonga mpandeha miisa 2.882 tafahitsoka ihany koa izany.
Tonga tany Manila i Marcos ny alahady maraina ny 25 septambra taorian'ny fitsidiham-panjakana mandritra ny enina andro tany Etazonia. Ny tolakandro no nandrasana hiditra an-tanety i Karding, izay nahatonga ny sampan-draharaham-panjakana namoaka fampandrenesana maika sy ny famindrana toerana ireo mponina amin’ny faritra mora tratran'ny tondra-drano.
Tsy teo i Marcos tamin'ny lahateny nataon'ny sampan-draharaha. Saingy tamin'ny 9 ora alina, namoaka ny lahatsariny tao amin'ny Twitter izy miresaka momba ny fitsidihany tany Etazonia. Nitarika fanoherana avy hatrany ilay lahatsary rehefa niampanga an'i Marcos ho tsy miraharaha ny fahorian'ireo mpifidy azy noho ny fiantraikan'ny Karding ny olom-pirenena.
BBM Vlog 226: New York, New York
Matagumpay ang ating biyahe sa New York!
Mula sa pagdalo sa UN General Assembly, mga business roundtable meetings at ang pakikipagkita sa Filipino community dito, ako ay nagpapasalamat sa mainit na pagtanggap sa ating delegasyon.
— Bongbong Marcos (@bongbongmarcos) September 25, 2022
BBM (Bongbong Marcos) Vlog 226: New York, New York
Our trip to New York was successful!
From attending the UN General Assembly, to business roundtable meetings and meeting with the Filipino community, I am grateful for the warm welcome to our delegation.
BBM (Bongbong Marcos) Vlaogy 226: New York, New York
Nahomby ny dianay tany New York!
Nanomboka tamin'ny fanatrehana ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana, hatramin'ny fivoriana an-databatra boribory momba ny fihariana sy ny fihaonana tamin'ny vondrom-piarahamonina Filipino, feno fankasitrahana aho noho ny fandraisana tsara ny delegasionantsika.
Maneho ny fihetseham-pon'ny besinimaro ity fanehoan-kevitry ny mpanao gazety ity:
How tone deaf and insensitive can you be to post a vlog about your New York trip while Filipinos brace for the impact of super typhoon #KardingPH? https://t.co/t1Q4UldDuU
— Nick Villavecer (@nickvillavecer) September 25, 2022
Fa tena be marenina sy tsy misy fahatsiarovan-tena ve ianao mamoaka io bilaogin-dahatsary momba ny dianao tany New York io anefa miomana amin'ny fiantraikan'ny rivodoza mahery vaika ny Filipiana. #KardingPH? https://t.co/t1Q4UldDuU
Nanampy fanakianana ny mpanao gazety iray hafa:
Many parts of the Philippines are literally drenched in water right now as super typhoon Noru (#KardingPH) batters and this is what you what you get from the Philippine president: https://t.co/kSUY83llF6
— Anthony Q. Esguerra (@anthesguerra) September 25, 2022
Faritra maro ao Filipina no difotry ny rano ara-bakiteny amin'izao fotoana izao noho ny rivodoza mahery vaika Noru (#KardingPH) ary izao no azonao avy amin'ny filohan'i Filipina: https://t.co/kSUY83llF6
Tsy naneho hevitra momba ny tenirohy niparitaka be i Marcos, fa toa nandray am-po ny fanakianana, satria ny lahatsorany tao amin'ny media sosialy farany teo dia mikasika ny ezaka ataon'ny governemanta manoloana ny loza. Ny alatsinainy maraina, nisioka momba ny fahasimbana naterak'i Karding izy:
After our aerial inspection today, we found some areas that are still inundated with water.
Nueva Ecija and Aurora are without power. We are sending gensets now. #KardingPH pic.twitter.com/gTP06BWrcV
— Bongbong Marcos (@bongbongmarcos) September 26, 2022
Nahita faritra sasany mbola difotry ny rano izahay taorian'ny fitsirihana an’habakabaka androany.
Tsy misy herinaratra ao Nueva Ecija sy Aurora. Mandefa gropy mpihary angovon'aratra izahay izao. #KardingPH pic.twitter.com/gTP06BWrcV
Tokony hanomboka amin'ny herinandro hoavy ny taom-pijinjana, izay mahatonga ny tondra-drano sy ny fahasimbana farany ho mandrava indrindra ho an'ny tantsaha. Novinavinain’ny manam-pahaizana manokana fa mety ho tandindomin-doza ny famatsiana sakafo any amin’ny tanàna sasany satria betsaka ny tanimbary dibo-drano.
Some rice paddies in San Miguel, Bulacan still submerged in flood after #KardingPH’s onslaught.
Several residents spent the night along the highway, urge local govt to hand out food packs as children and elderly have yet to eat after fleeing from their homes. | @_katrinadomingo pic.twitter.com/57anc7u7ix
— ABS-CBN News (@ABSCBNNews) September 25, 2022
Mbola difotry ny tondra-drano taorian'ny fandalovan’i #KardingPH ny tanimbary sasany ao San Miguel, Bulacan
Mponina maro no nandany ny alina teny amin'ny lalam-pirenena, manentana ny governemanta any an-toerana mba hizara fonosan-tsakafo satria mbola tsy nisakafo ny ankizy sy ny zokiolona rehefa nandositra ny tranony. | @_katrinadomingo pic.twitter.com/57anc7u7ix
Mitaky hetsika maika hanampiana ny tantsaha ny vondrona mpiaro ny tantsaha iray:
While agri chief and president Bongbong Marcos Jr. is busy with his newly uploaded vlog from New York, farmers are left in desperate need of support in anticipation of the huge damage the supertyphoon will cause. #KardingPH #NasaanAngPangulo
— Peasant Advocates #StopKillingFarmers (@NNARAYouth) September 25, 2022
Raha sahirana ny lehiben'ny fambolena sy ny filoha Bongbong Marcos Jr. tamin'ny bilaogin-dahatsary vao nalefany avy any New York, dia tena mila fanohanana mafy ny tantsaha amin'ny fiandrasana ny fahavoazana goavana vokatry ny rivodoza. #KardingPH #NasaanAngPangulo
Nandritra izany fotoana izany, nalaza tao amin'ny Twitter ihany koa ny “Sierra Madre” rehefa nanamarika ny manam-pahaizana fa nihena ny rivodoza mahery Karidng taorian'ny nandalovany ny tandavan-tendrombohitra Sierra Madre ao Luzon, nosy lehibe indrindra ao amin'ny firenena.
#KardingPH was on track as forecasted but downgraded from super to regular typhoon as it hit the mainland in Nakar area. And at 30kph quickly crossed Luzon in about 7 hours. It was intense but fast. The sun is out and we have the Sierra Madre to thank for!#SalamatSierraMadre pic.twitter.com/LsBnMiaSjA
— Angat Kalikasan Pilipinas (@AngatKalikasan) September 26, 2022
Nizotra araka ny vinavinaina i #KardingPH saingy nihena ho rivodoza mahazatra izy raha rivodoza mahery vaika teo aloha rehefa namely ny tanibe ao amin'ny faritr'i Nakar. Ary nandeha tamin’ny halaky 30kph niampita haingana an'i Luzon tao anatin'ny 7 ora teo ho eo. Nahery vaika nefa haingana. Miposaka ny masoandro ary misaotra ny Sierra Madre isika!#SalamatSierraMadre pic.twitter.com/LsBnMiaSjA
Ny tenirohy #SalamatSierraMadre amin'ny teny Filipino dia midika hoe “Misaotra anao Sierra Madre”.
Nasongadin'ny mpampianatra oniversite iray fa ilaina ny fiarovana ny tandavan-tendrombohitra Sierra Madre amin'ny fandavana ny maro amin’ireo tetikasa goavana izay mandrahona hanimba ny tontolon-javamananain'ny tendrombohitra.
The Sierra Madre is trending because people are being reminded anew of its service as natural barrier against typhoons for our people.
The mountain range is protecting us, but what are we doing to protect it?
Here’s a thread of what must be done to #ProtectSierraMadre:
— Gideon Lasco (@gideonlasco) September 26, 2022
Malaza ny Sierra Madre satria tsaroan’ny olona indray ny asany ho sakana voajanahary amin'ny rivodoza miaro ny vahoakantsika.
Miaro antsika ny tandavan-tendrombohitra, nefa inona no ataontsika mba hiarovana azy?
Ity misy andiam-panehoan-kevitra amin'ny zavatra tokony hatao #ArovySierraMadre: